2 Korintianina 10:1-18

10  Izaho, Paoly, dia miangavy anareo noho ny fahalemem-panahy+ sy hatsaram-panahin’i+ Kristy, na dia ambany aza no fahitanareo ahy+ rehefa eo aminareo, fa sahy anareo kosa rehefa tsy eo.+  Eny, izao no fitalahoako: Rehefa eo aminareo aho, dia mba tsy ho voatery ho sahy araka ilay fahasahiana eritreretiko, ka tsy handray fepetra+ henjana amin’ny sasany izay mihevitra anay ho velona araka ny nofo.  Fa na dia velona amin’ny maha nofo+ aza izahay, dia tsy mba miady araka ny fironan’ny nofonay.+  Fa tsy araka ny nofo ny fitaovam-piadianay,+ nefa mahery, satria Andriamanitra+ no nanao azy ho mahery mba handravana zavatra efa mafy orina.  Fa mandrava fisainana mbamin’ny zavatra avo rehetra atsangana hanohitra ny fahalalana an’Andriamanitra+ izahay, ary baboinay hankatò an’i Kristy ny hevitra rehetra.  Vonona koa izahay hanasazy an’izay tsy mankatò,+ rehefa asehonareo fa mankatò tanteraka ianareo.+  Mijery ivelany fotsiny ianareo.+ Raha misy matoky ny tenany hoe an’i Kristy, dia aoka izy hihevitra indray izao zavatra izao: Tahaka ny maha an’i Kristy azy no maha an’i Kristy anay koa.+  Fa tsy hahazo henatra aho, na dia somary mirehareha+ be loatra aza ny amin’ny fahefana nomen’ny Tompo anay hampahery anareo fa tsy handrava anareo.+  Tsy tiako mantsy ny hiheveranareo fa te hampitahotra anareo amin’ny taratasiko aho. 10  Fa misy milaza hoe: “Mavesa-danja sady mahery ny taratasiny, fa rehefa manatrika eo kosa izy dia malemy,+ ary tsy misy vidiny ny teniny.”+ 11  Aoka izany olona izany hihevitra an’izao: Tahaka ny maha izy anay araka ny voalazanay an-taratasy rehefa tsy eo izahay, dia ho tahaka izany koa ny ataonay rehefa manatrika eo izahay.+ 12  Fa tsy sahinay ny hihevi-tena ho anisan’izay midera tena+ na ny hampitaha tena amin’izy ireny. Ny tenany ihany no mametraka fitsipika itsarana ny tenany, ary ny tenany ihany no hampitahany ny tenany ka azo antoka fa tsy misy hevitra takany.+ 13  Fa izahay kosa hirehareha, nefa tsy any ivelan’ny faritra nanendrena anay,+ fa ao anatin’ny faritry ny faritany nozarain’Andriamanitra ho anay ihany araka ny fandrefesana, ka nataony tonga hatratỳ aminareo izany.+ 14  Tsy manakatra any ankoatra ny faritaninay izahay, toy ny hoe mbola tsy nahatratra tatỳ aminareo. Fa izahay no voalohany tonga hatratỳ aminareo rehefa nitory ny vaovao tsara momba an’i Kristy.+ 15  Tsy mirehareha any ivelan’ny faritra nanendrena anay izahay, eny, tsy mirehareha eo amin’izay isasaran’ny hafa.+ Fa antenainay kosa fa arakaraka ny itomboan’ny finoanareo,+ dia hisy lanjany eo aminareo izahay ao anatin’ny faritaninay.+ Ary vao mainka tena hisy lanjany aza izahay, 16  ka hitory ny vaovao tsara any amin’ny tany hafa ankoatra ny anareo,+ mba tsy hireharehanay ny amin’ny faritanin’ny hafa izay efa iasana. 17  “Izay mirehareha anefa, dia aoka ho i Jehovah no ho reharehany.”+ 18  Fa tsy izay midera tena no ankasitrahana,+ fa izay derain’i+ Jehovah.+

Fanamarihana