2 Korintianina 11:1-33

11  Enga anie ianareo mba handefitra amiko amin’ny hadalana kely!+ Efa mandefitra amiko ihany ange ianareo, raha ny marina e!  Fa fahasarotam-piaro toy ny an’Andriamanitra no mahasaro-piaro ahy aminareo.+ Fa ny tenako mihitsy no nanolotra anareo ho fofombadin’ny+ lehilahy iray,+ mba hatolotro ho virjiny madio+ ho an’i Kristy+ ianareo.  Matahotra anefa aho sao ny sainareo ho simba+ hiala amin’ny fahatsorana sy ny fahadiovana mendrika an’i Kristy,+ tahaka ny nitaoman’ny menarana an’i Eva+ tamin-kafetsena.  Fa raha misy olona tonga mitory Jesosy hafa noho ilay efa notorinay,+ na raha toa ianareo mandray toe-tsaina hafa noho izay efa noraisinareo+ na vaovao tsara+ hafa noho izay efa nekenareo, dia mora aminareo erỳ ny mandefitra amin’izany olona izany.+  Fa heveriko fa tsy misy maha latsa-danja+ ahy mihitsy raha oharina amin’ireo apostolinareo tsara loatra+ ireo.  Ary na tsy mahay aza aho eo amin’ny fitenenana,+ dia tsy mba toy izany eo amin’ny fahalalana,+ fa tamin’ny lafiny rehetra, dia nasehonay anareo izany tamin’ny zava-drehetra.+  Sa nanota aho raha nanetry tena+ mba hisandratanareo, satria maimaim-poana+ no nitoriako tamin-kafaliana ny vaovao tsaran’Andriamanitra taminareo?  Nandroba ny fiangonana hafa aho rehefa nandray vatsy mba hanompoako anareo.+  Nony teo aminareo anefa aho ka tsy nanana, dia tsy tonga enta-mavesatra na ho an’iza na ho an’iza+ aho, fa ireo rahalahy avy eto Makedonia+ no nanome izay tsy nananako, sady nanome ahy be dia be. Eny, niezaka ny tsy ho tonga enta-mavesatra ho anareo tamin’ny lafiny rehetra aho, ary mbola hiezaka hanao izany ihany.+ 10  Raha mbola ato amiko ny fahamarinan’i+ Kristy, dia tsy hitsahatra izany fireharehako+ izany, any amin’ny faritr’i Akaia. 11  Fa nahoana? Satria tsy tia anareo ve aho? Fantatr’Andriamanitra fa tia anareo aho.+ 12  Fa izay ataoko ankehitriny dia mbola hataoko ihany,+ mba hisakanako ny fihamboan’ireo te ho hita ho mitovy aminay eo amin’ny andraikitra ireharehany. 13  Fa apostoly sandoka ireny, mpiasa mamitaka,+ ka miseho ho toy ny apostolin’i Kristy.+ 14  Ary tsy mahagaga izany fa i Satana aza miseho foana ho toy ny anjelin’ny mazava.+ 15  Koa tsy dia zavatra lehibe àry raha miseho foana ho toy ny mpanompon’ny fahamarinana koa ny mpanompony,+ nefa araka izay ataon’izy ireo ihany no hiafarany.+ 16  Hoy indray aho hoe: Aoka tsy hisy hihevitra ahy ho adala. Raha tena mihevitra ahy ho toy izany anefa ianareo, dia raiso ihany aho na adala aza, mba hisy hireharehako kely koa.+ 17  Fa izao lazaiko izao, dia tsy lazaiko araka ny ohatra navelan’ny Tompo, fa toy ny tenin’ny olona adala, amin’izao fatokisan-tena tafahoatra mampiavaka ny mpirehareha+ izao. 18  Koa satria maro no mirehareha araka ny nofo,+ dia hirehareha koa aho. 19  Fa faly erỳ ianareo mandefitra amin’ny olona adala, satria hoe misaina ianareo. 20  Mandefitra tokoa ianareo amin’izay manandevo anareo,+ na mandany ny fanananareo, na maka ny fanananareo, na manandra-tena ho ambony noho ianareo, na mamely ny tavanareo.+ 21  Izao no lazaiko, na dia manala baraka ny tenanay aza izany, toy ny hoe malemy ny fahefanay. Fa raha misy olon-kafa sahy manao zavatra iray—miteny toy ny adala aho+—, dia mba sahy koa aho. 22  Hebreo ve izy ireo? Izaho koa.+ Israelita ve izy ireo? Izaho koa. Taranak’i Abrahama ve izy ireo? Izaho koa.+ 23  Mpanompon’i Kristy ve izy ireo? Mamaly toy ny adala aho, fa miavaka kokoa noho izy ireo aho:+ Tamin’ny asa mafy manan-tombo be,+ tamin’ny fidirana am-ponja imbetsaka lavitra,+ tamin’ny kapoka efa tafahoatra, ary saika maty matetika.+ 24  Indimy aho no nokapohin’ny+ Jiosy inefapolo latsaka iray avy, 25  intelo aho no nokapohina tamin’ny hazo,+ indray mandeha notoraham-bato,+ intelo vaky sambo,+ indray andro sy indray alina tao amin’ny rano lalina. 26  Nandeha lavitra matetika aho, saika nahita loza tamin’ny renirano, saika nahita loza tamin’ny jiolahy,+ saika nahita loza tamin’ny mpiray firenena amiko,+ saika nahita loza tamin’ny hafa firenena,+ saika nahita loza tao an-tanàna,+ saika nahita loza tany an-tany efitra, saika nahita loza tany an-dranomasina, saika nahita loza teo anivon’ny rahalahy sandoka; 27  tamin’ny asa mafy sy ny fisasarana, tamin’ny alina+ tsy nahitan-tory matetika, tamin’ny hanoanana sy ny hetaheta,+ tamin’ny fifadian-kanina+ imbetsaka, tamin’ny hatsiaka sy ny fitanjahana. 28  Misy manavesatra ahy koa isan’andro, ankoatra ireo zavatra ivelany ireo, dia ny fanahiana momba ny fiangonana rehetra.+ 29  Iza no malemy+ ka tsy malemy aho? Iza no tafintohina ka tsy tezitra aho? 30  Koa raha tsy maintsy misy fireharehana, dia izay zavatra momba ny fahalemeko no hireharehako.+ 31  Tsy mandainga aho, ary mahalala izany ilay Andriamanitra Rain’i Jesosy Tompo, eny, Ilay tokony hoderaina mandrakizay. 32  Ary tany Damaskosy, ny governora notendren’i Areta Mpanjaka dia nampiambina ny tanànan’i Damaskosy mba hisamborana ahy,+ 33  nefa nampidinina tamin’ny sobika+ avy teo am-baravarankelin’ny manda aho, ka afa-nandositra azy.

Fanamarihana