2 Korintianina 12:1-21

12  Tsy maintsy mirehareha aho. Fa ny horesahiko kosa izao dia ny amin’ireo fahitana+ mahagaga avy amin’ny Tompo, mbamin’ireo zavatra naharihariny tamiko, na dia tsy misy tombony azo amin’izany aza.  Mahafantatra olona iray tafaray amin’i Kristy aho. Efatra ambin’ny folo taona lasa izay, dia nentina+ ho any amin’ny lanitra fahatelo io olona io—tsy fantatro na tao amin’ny vatana na tsy tao amin’ny vatana, fa Andriamanitra no mahalala.  Eny, fantatro izany olona izany. Nentina tany amin’ny paradisa izy—tsy fantatro na tao amin’ny vatana na tsy tao amin’ny vatana,+ fa Andriamanitra no mahalala.  Nentina tany amin’ny paradisa+ izy ka nandre teny tsy tokony holazaina izay tsy azon’olona tenenina.  Ny amin’izany olona izany no hireharehako, fa tsy hirehareha ny amin’ny tenako aho, raha tsy ny amin’ny fahalemeko ihany.+  Fa raha mba te hirehareha aho,+ dia tsy ho adala, fa hilaza ny marina. Tsy hirehareha anefa aho, sao hihoatra an’izay hitan’ny olona ataoko sy izay henony avy amiko no hiheverany ahy,  satria fotsiny hoe be loatra ny zavatra naharihary tamiko. Koa mba tsy hahatonga ahy hanandra-tena+ tafahoatra, dia nasiana tsilo ao amin’ny nofo aho,+ izany hoe anjelin’i Satana, mba hamely ahy tsy an-kijanona, ka tsy hanandra-tena tafahoatra aho.  Ny amin’izany no niangaviako ny Tompo intelo,+ mba hialan’izany amiko,  nefa izao mihitsy no teniny tamiko: “Ampy+ anao ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa asehoko aminao. Fa lavorary ny fiasan’ny heriko eo aminao rehefa malemy ianao.”+ Koa aleoko àry mirehareha ny amin’ny fahalemeko,+ mba hitoetra eo amiko toy ny tranolay ny herin’i Kristy. 10  Koa finaritra aho amin’ny fahalemena, amin’ny fanivaivana, amin’ny tsy fisiana, amin’ny fanenjehana sy ny zava-tsarotra, noho ny amin’i Kristy. Fa rehefa malemy aho, dia amin’izay aho no mahery.+ 11  Nanjary nanao adaladala aho, noho ianareo nanery ahy,+ satria tokony ho niaro ahy ianareo. Fa tsy misy maha latsa-danja ahy mihitsy, raha oharina amin’ireo apostolinareo tsara loatra+ ireo, na dia tsinontsinona aza aho eo imasonareo.+ 12  Efa naseho teo aminareo tokoa ny porofon’ny maha apostoly+ ahy: Tamin’ny fiaretana+ rehetra sy tamin’ny famantarana sy zava-mahagaga ary fahagagana.+ 13  Fa inona no lafiny naha latsa-danja anareo noho ny fiangonana hafa rehetra? Angamba fotsiny noho izaho tsy tonga enta-mavesatra ho anareo.+ Mba mamelà ahy amin’izany fahadisoana izany. 14  Fanintelony+ aho izao no vonona hankatỳ aminareo, nefa tsy ho tonga enta-mavesatra aho. Fa tsy ny fanananareo no tadiaviko,+ fa ianareo. Tsy ny zanaka+ mantsy no tokony hihary ho an’ny ray aman-dreniny, fa ny ray aman-dreny no tokony hihary ho an’ny zanany.+ 15  Raha ny amiko, dia ho faly tokoa aho hanome izay rehetra ananako sy hanao sorona tanteraka ny fiainako ho anareo.+ Raha toy izany ny halehiben’ny fitiavako anareo, dia tokony ho latsaka noho izany ve ny fitiavanareo ahy? 16  Na izany aza anefa, dia tsy nampitondra enta-mavesatra anareo aho.+ Milaza anefa ianareo fa “fetsy” aho sady azoko “tamim-pitaka ianareo.”+ 17  Ny iray tamin’izay nirahiko ho any aminareo ve no nanararaotako anareo? 18  Nampirisihiko ho any aminareo i Titosy, ary nirahiko hiaraka taminy ilay rahalahy iny. Nanararaotra anareo ve i Titosy?+ Tsy nanao izany mihitsy izy. Tsy hitanareo ve fa nitovy saina+ izahay? Tsy nitovy ve ny fomba fiasanay? 19  Eritreretinareo ho miaro tena eo anatrehanareo ve izahay hatramin’izay? Eo anatrehan’Andriamanitra no itenenanay amin’ny maha mpanara-dia an’i Kristy anay. Natao hampaherezana anareo anefa ny zava-drehetra,+ ry malala. 20  Fa matahotra aho, rehefa tonga,+ sao tsy araka izay iriko no ho hitako eo aminareo ary tsy araka izay irinareo no ho hitanareo eo amiko. Matahotra aho fa sao kosa hisy fifamaliana eo aminareo, na fialonana,+ fipoahan’ny fahatezerana, fifandirana, fanaratsiana, fibitsibitsihana, fireharehana na korontana.+ 21  Angamba rehefa tonga indray aho, dia hampietry ahy eo aminareo Andriamanitro, ka halahelo aho noho ny amin’ny maro izay nanota teo aloha+ nefa mbola tsy nibebaka tamin’ny fahalotoany sy ny fijangajangany+ ary ny fitondran-tenany baranahiny+ izay samy efa fanaony.

Fanamarihana