2 Korintianina 13:1-14

13  Fanintelony+ izao no hankanesako atỳ aminareo. “Tsy maintsy atao marim-pototra amin’ny tenin’ny* vavolombelona roa na telo ny raharaha rehetra.”+  Na dia tsy any aminareo aza aho, dia ataovy toy ny hoe tonga any aminareo fanindroany aho. Fa efa nolazaiko teo aloha sady mbola lazaiko mialoha amin’ireo efa nanota teo aloha sy amin’ny hafa rehetra, fa raha tonga indray aho, dia tsy hisy olona hotsimbiniko tsy hiharan’ny famaizana.+  Mitady porofo mantsy ianareo raha miteny ato amiko tokoa i Kristy.+ Fa tsy malemy ny fitondrany anareo fa mahery.  Marina tokoa fa nofantsihana teo amin’ny hazo fijaliana izy+ noho ny fahalemena,+ nefa velona kosa izy noho ny herin’Andriamanitra.+ Marina koa fa miara-malemy aminy izahay, nefa hiara-belona aminy+ koa noho ny herin’Andriamanitra+ eo aminareo.  Mandiniha tena foana mba hahitana raha ao amin’ny finoana ianareo na tsia, ary zahao toetra foana ny tenanareo.+ Sa tsy ekenareo fa tafaray aminareo i Jesosy Kristy?+ Tokony hekenareo izany, raha tsy hoe tsy ankasitrahana angaha ianareo.  Antenaiko tokoa ny hahafantaranareo fa tsy mba olona tsy ankasitrahana izahay.  Mivavaka+ amin’Andriamanitra izahay mba tsy hanaovanareo izay ratsy. Ny anton’izany dia tsy hoe mba hisehoanay ho olona ankasitrahana, fa mba hanaovanareo izay tsara kosa, na dia toa tsy ankasitrahana aza izahay.  Fa tsy mahavita na inona na inona hanoherana ny marina izahay, fa ny hampandrosoana ny marina ihany.+  Ary faly tokoa izahay raha malemy, fa ianareo kosa mahery.+ Ary mangataka amim-bavaka+ izahay mba hanitsianareo izay tokony hahitsy. 10  Izany no antony anoratako aminareo dieny mbola tsy eo aminareo aho. Amin’izay, rehefa eo aho, dia tsy ho hentitra be,+ araka ny fahefana nomen’ny Tompo ahy, satria nomeny fahefana hampahery+ aho fa tsy handrava. 11  Farany, ry rahalahy, miezaha foana ianareo hifaly, hanitsy izay tokony hahitsy, handray fampiononana,+ hifanara-tsaina,+ hiaina amim-pihavanana.+ Ary ho aminareo anie ilay Andriamanitry ny fitiavana sy ny fiadanana!+ 12  Mifampiarahabà amin’ny oroka masina.+ 13  Mampamangy, hono, ianareo, hoy ny olona masina rehetra. 14  Ho aminareo rehetra anie ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’i Jesosy Kristy Tompo sy ny fitiavan’Andriamanitra, ary enga anie ianareo samy handray soa amin’ny fanahy* masina!+

Fanamarihana

A.b.t.: “vavan’ny.”
Gr.: pneoma. Jereo F.F. 3B.