2 Korintianina 5:1-21

5  Fa fantatsika fa raha ho levona+ ny tranontsika eto an-tany,+ izany hoe ity vatana toy ny tranolay+ ity, dia tsy maintsy hanana trano avy amin’Andriamanitra isika, dia trano tsy nataon-tanana+ izay maharitra mandrakizay+ any an-danitra.  Fa mitoloko tokoa isika ato amin’ity trano fonenana ity,+ ary maniry mafy ny hitafy an’ilay ho antsika avy any an-danitra,+  mba tsy ho hita ho mitanjaka isika rehefa tena mitafy izany.+  Eny, mitoloko tokoa isika ato amin’ity tranolay ity sady mitondra ny mavesatra. Tsy ny hanala azy ity mantsy no tiantsika hatao fa ny hitafy ilay iray.+ Amin’izay dia ny fiainana no hisolo an’ilay mety maty.+  Ary ilay nanomana antsika ho amin’izany dia Andriamanitra,+ izay nanome antsika ny fanahiny+ ho antoka+ ny amin’izay ho avy.  Koa be herim-po foana àry isika sady mahafantatra fa raha mbola monina ao amin’ny vatana isika, dia mbola tsy eo amin’ny Tompo.+  Fa finoana no andehanantsika, fa tsy ny hitan’ny maso.+  Be herim-po anefa isika, ary aleontsika aza tsy ho eo amin’ny vatana fa hiara-mitoetra amin’ny Tompo kosa.+  Koa ataontsika tanjona àry ny mba hankasitrahany antsika,+ na miara-mitoetra aminy isika na tsy eo aminy.+ 10  Fa tsy maintsy haseho miharihary eo anatrehan’ny fitsaran’i Kristy ny maha isika antsika rehetra,+ mba hahazoan’ny tsirairay avy ny valin’izay nataony, na tsara na ratsy, tamin’izy mbola olombelona.+ 11  Koa satria fantatray ny tahotra+ ny Tompo, dia resenay lahatra+ mandrakariva ny olona mba hino anay, fa izahay kosa efa fantatr’Andriamanitra. Antenaiko anefa fa nanampy anareo hahafantatra anay koa ny feon’ny fieritreretanareo.+ 12  Tsy hoe midera ny tenanay+ aminareo indray izahay, fa mandrisika anareo kosa hirehareha ny aminay,+ mba hisy havalinareo an’ireo mirehareha ny amin’izay miseho etỳ ivelany+ fa tsy ny amin’izay ao am-po.+ 13  Fa raha adala+ izahay, dia ho an’Andriamanitra, ary raha misaina tsara+ izahay, dia ho anareo. 14  Fa ny fitiavan’i Kristy no manery anay, satria izao no hevitray: Olona iray no maty ho an’ny rehetra,+ satria efa maty izy rehetra, raha ny marina. 15  Ary maty ho an’ny rehetra izy, mba tsy ho velona ho an’ny tenany intsony izay velona,+ fa ho an’ilay+ efa maty ho azy ireo sady efa natsangana.+ 16  Koa tsy mahalala olona araka ny nofo intsony izahay+ manomboka izao. Na dia nahalala an’i Kristy araka ny nofo+ aza izahay, dia azo antoka fa tsy mahalala azy toy izany intsony ankehitriny.+ 17  Koa raha misy olona tafaray amin’i Kristy, dia zavaboary vaovao+ izy. Efa lasa ny zavatra taloha,+ ary indreo, fa misy zava-baovao.+ 18  Fa avy amin’Andriamanitra ny zava-drehetra, ary nampihavaniny+ taminy tamin’ny alalan’i Kristy izahay, ka nomeny fanompoana+ fampihavanana, 19  dia ny hanambara fa nampihavanin’Andriamanitra taminy+ tamin’ny alalan’i Kristy+ izao tontolo izao,+ ka tsy nisainy ny helok’izy ireo.+ Ary nankininy taminay ny teny+ fampihavanana.+ 20  Koa ambasadaoro+ solon’i Kristy àry izahay,+ toy ny hoe miangavy amin’ny alalanay Andriamanitra.+ Solon’i Kristy izahay ka miangavy hoe:+ “Mba mihavàna amin’Andriamanitra re ianareo e!” 21  Ilay tsy nanota mihitsy+ no nataon’Andriamanitra ota+ hamonjy anay, mba ho lasa olo-marina eo anatrehan’Andriamanitra+ izahay, amin’ny alalany.

Fanamarihana