2 Korintianina 6:1-18

6  Miara-miasa aminy izahay,+ ka miangavy anareo koa mba hanaiky ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra nefa tsy hanadino ny zava-kendren’izany.+  Fa hoy izy: “Tamin’ny fotoana fanehoana fankasitrahana no nihainoako anao, ary tamin’ny andro famonjena no nanampiako anao.”+ Izao indrindra no fotoana fanehoana fankasitrahana!+ Izao no andro famonjena!+  Ary tsy manao izay hahatafintohina olona mihitsy izahay,+ mba tsy hanomezan-tsiny ny fanompoanay.+  Fa mampiseho+ ny tenanay ho mpanompon’Andriamanitra izahay amin’ny lafiny rehetra, dia amin’ny fiaretana be, amin’ny fahoriana, amin’ny tsy fisiana, amin’ny zava-tsarotra,+  amin’ny kapoka, amin’ny fonja,+ amin’ny korontana, amin’ny asa mafy, amin’ny alina tsy ahitan-tory, amin’ny fotoana tsy ihinanan-kanina,+  amin’ny fahadiovana, amin’ny fahalalana, amin’ny fahari-po,+ amin’ny hatsaram-panahy,+ amin’ny fanahy masina, amin’ny fitiavana tsy misy fihatsarambelatsihy,+  amin’ny teny marina, amin’ny herin’Andriamanitra;+ amin’ny alalan’ny fitaovam-piadian’ny+ fahamarinana eo amin’ny tanana havia sy havanana,  amin’ny alalan’ny voninahitra sy ny fahafaham-baraka, ary amin’ny alalan’ny laza ratsy sy ny laza tsara. Toy ny hoe mpamitaka+ izahay nefa milaza ny marina,  toy ny tsy fantatra nefa fantatra+ tsara, toy ny ho faty nefa velona+ ihany, toy ny faizina+ nefa tsy atolotra ho amin’ny fahafatesana,+ 10  toy ny malahelo nefa mifaly mandrakariva, toy ny mahantra nefa mampanan-karena olona maro, ary toy ny tsy manana na inona na inona nefa manana ny zava-drehetra.+ 11  Misokatra ho anareo ny vavanay, ry Korintianina, ary ny fonay+ mihamalalaka. 12  Malalaka ho anareo ny fonay,+ fa ianareo no tery amin’ny fanehoana firaiketam-po.+ 13  Koa ho valin’izany, dia mba halalaho kosa ny fonareo. Miteny aminareo toy ny amin’ny zanaka+ aho. 14  Aza manaiky hiray zioga amin’ny tsy mpino.+ Fa inona no ifandraisan’ny fahamarinana sy ny fandikan-dalàna?+ Ary inona no iombonan’ny mazava sy ny maizina?+ 15  Inona no ifanarahan’i Kristy sy Beliala?*+ Inona no zavatra iombonan’ny+ mino amin’ny tsy mpino? 16  Ary inona no ifanarahan’ny tempolin’Andriamanitra amin’ny sampy?+ Fa tempolin’ilay+ Andriamanitra velona isika, araka ny voalazan’Andriamanitra hoe: “Honina eo amin’izy ireo aho+ sady ho eo aminy, dia ho Andriamaniny aho, ary izy ho oloko.”+ 17  “‘Koa mivoaha eo aminy ianareo, ary misaraha aminy’, hoy i Jehovah, ‘ary aza mikasika intsony izay maloto’”,+ “‘dia handray anareo aho.’”+ 18  “‘Ary ho rainareo aho,+ ary ianareo ho zanako lahy sy zanako vavy’,+ hoy i Jehovah, ilay Mahery Indrindra.”+

Fanamarihana

Midika hoe “Tsy Manjary.” Ilazana an’i Satana, ilay ratsy.