2 Korintianina 7:1-16

7  Koa satria nahazo izany fampanantenana+ izany isika, ry malala, dia aoka isika hanadio+ ny tenantsika ho afaka amin’ny zava-drehetra mandoto ny nofo sy ny saina,+ ka hanao izay hahatonga lafatra ny fahamasinana ao amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra.+  Omeo toerana ao am-ponareo izahay.+ Tsy nanisy ratsy olona izahay na nanimba toetran’olona na nanararaotra olona.+  Tsy ny hanamelohana anareo no ilazako izany, fa efa nilaza aho teo aloha hoe ato am-ponay foana ianareo, na maty izahay na velona.+  Tena afaka miteny amim-pahatsorana aminareo aho. Ary lehibe ny reharehako ny aminareo.+ Nahazo fampiononana+ lehibe aho, ary faly dia faly amin’ny fahoriana rehetra manjo anay.+  Rehefa tonga teto Makedonia+ tokoa izahay, dia tsy nisy fitsaharana ho anay,+ fa mbola nampahorina+ tamin’ny lafiny rehetra foana izahay: Nisy ady teo ivelany ary tahotra tao anatiny.  Fa Andriamanitra, izay mampionona+ an’ireo naetry, dia nampionona anay tamin’ny naha teo an’i Titosy,  nefa tsy tamin’ny naha teo azy ihany, fa tamin’ny fampiononana azony koa noho ny aminareo. Nolazainy+ taminay tokoa ny faniriana mafy anananareo, sy ny alahelonareo, ary ny fiheveranareo ahy amim-pahatsorana, koa vao mainka faly aho.  Koa tsy manenina aho na dia nampalahelo anareo tamin’ilay taratasiko aza.+ Hitako mantsy fa nampalahelo anareo ilay taratasy, nefa vetivety ihany. Ary na dia nanenina aza aho tamin’ny voalohany,  dia faly aho ankehitriny, tsy hoe satria nampalahelovina fotsiny ianareo, fa satria nampalahelovina mba hibebaka.+ Fa nampalahelovina araka ny sitrapon’Andriamanitra ianareo,+ ka tsy hisy na inona na inona hafoinareo noho ny aminay. 10  Ny alahelo araka ny sitrapon’Andriamanitra dia miteraka fibebahana izay mitondra famonjena, ary tsy tokony hanenenana izany.+ Fa ny alahelon’izao tontolo izao kosa mitondra fahafatesana.+ 11  Fa nampalahelovina araka ny sitrapon’Andriamanitra ianareo+ ary ny vokany dia fahazotoana be teo aminareo, fiezahanareo ho afa-tsiny, fahatezerana, tahotra, faniriana mafy, hafanam-po, fanaporofoana fa tsy manan-tsiny ianareo!+ Nasehonareo tamin’ny lafiny rehetra fa madio tamin’iny raharaha iny ianareo. 12  Azo antoka fa na dia nanoratra ho anareo aza aho, dia tsy ho an’ilay nanao ratsy+ na ho an’ilay nasian-dratsy no nanoratako, fa mba hiseho kosa eo aminareo sy eo imason’Andriamanitra ny fahazotoanareo mihaino anay. 13  Koa izany no nahazoanay fampiononana. Ankoatra ny fampiononana azonay anefa, dia vao mainka faly be izahay noho ny hafalian’i Titosy, satria namelombelona azy+ ianareo rehetra. 14  Fa raha nirehareha taminy aho noho ny aminareo, dia tsy nisy nahamenatra ahy. Marina ny zava-drehetra nolazainay taminareo, ary marina toy izany koa ilay fireharehanay+ tamin’i Titosy. 15  Ankoatra izany, dia vao mainka miraiki-po bebe kokoa aminareo izy, rehefa mahatsiaro ny fankatoavanareo+ rehetra sy ny nandraisanareo azy tamin-tahotra sy hovitra. 16  Koa faly aho fa afaka ny ho be herim-po amin’ny lafiny rehetra noho ny aminareo.+

Fanamarihana