2 Korintianina 9:1-15

9  Fa ny amin’ilay fanompoana+ ny olona masina, dia tsy ilaina ny hanoratako aminareo.  Fantatro mantsy ny fahavononanareo, izay ireharehako ny aminareo eo amin’ny Makedonianina, dia ny hoe efa vonona hatramin’ny herintaona+ i Akaia. Ary nandrisika ny ankamaroan’izy ireo ny hafanam-ponareo.  Irahiko ihany anefa ireo rahalahy, mba tsy ho very maina ny fireharehanay ny aminareo amin’izany lafiny izany, fa mba ho vonona tokoa ianareo,+ araka ny efa voalazako.  Sao mantsy hisy Makedonianina hiaraka amiko ka hahita fa tsy vonona ianareo, dia ho menatra izahay—mba tsy hilazana hoe ianareo—amin’izany fatokisanay izany.  Koa nihevitra aho fa nilaina ny nampirisika an’ireo rahalahy handeha mialoha any aminareo ka hanomana ilay fanomezana ataonareo amim-pahalalahan-tanana, izay efa nampanantenainareo teo aloha.+ Amin’izay dia ho vonona izany ka ho fanomezana atao amim-pahalalahan-tanana, fa tsy an-tery.+  Raha ny amin’izany, izay kahihitra ka mamafy kely+ dia hijinja kely, fa izay malala-tanana ka mamafy be+ kosa dia hijinja be.  Aoka ny tsirairay samy hanao araka izay fanapahan-keviny tao am-pony, tsy amin’alahelo+ na an-tery, fa ny mpanome amim-pifaliana no tian’Andriamanitra.+  Ary hain’Andriamanitra ampitomboina be dia be ho anareo ny hatsaram-panahiny tsy manam-paharoa rehetra, mba hanam-be foana ianareo amin’ny zava-drehetra. Etsy an-danin’izany, dia anananareo be dia be koa izay ilaina mba hanaovana ny asa tsara rehetra.+  Araka ny voasoratra hoe: “Manao fanomezana be dia be izy, ary manome ho an’ny mahantra. Hitohy mandrakizay ny fahamarinany.”+ 10  Ary ilay manome voa betsaka ho an’ny mpamafy sy mofo betsaka hohanina,+ dia hanome sy hampitombo ny voa hafafinareo ary hampitombo ny vokatry ny fahamarinanareo.+ 11  Atao manankarena amin’ny zava-drehetra ianareo, mba haneho fahalalahan-tanana isan-karazany, izay mahatonga ny olona hisaotra an’Andriamanitra,+ noho ny ezaka ataonay. 12  Fa izao fanompoana ho an’ny besinimaro izao, dia tsy natao fotsiny mba hanomezan-javatra be dia be hikarakarana izay ilain’ireo olona masina,+ fa natao koa mba hisian’ny fisaorana maro be ho an’Andriamanitra. 13  Noho ny porofo omen’izany fanompoana izany, dia mankalaza an’Andriamanitra izy ireo, satria manaiky ny vaovao tsara momba an’i Kristy ianareo+ araka ny ambaranareo ampahibemaso, sady malala-tanana amin’ilay fanomezana ataonareo ho azy ireo sy ho an’ny rehetra.+ 14  Mitalaho ho anareo izy ireo ary maniry mafy hahita anareo, noho ny halehiben’ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa+ asehon’Andriamanitra aminareo. 15  Koa hisaorana anie Andriamanitra noho ny fanomezany maimaim-poana+ tsy hay lazaina!

Fanamarihana