2 Mpanjaka 10:1-36
10 Ary nanan-janakalahy fitopolo+ tany Samaria+ i Ahaba. Nanoratra taratasy àry i Jeho, ka nandefa izany tany Samaria, ho an’ireo andrianan’i+ Jezirela sy ny anti-panahy+ ary ny mpikarakara ny zanak’i Ahaba, nanao hoe:
2 “Eo aminareo ny zanakalahin’ny tomponareo sy ny kalesin’ady sy ny soavaly+ sy ny tanàna voaro mafy ary ny fiadiana. Koa raha vao tonga any aminareo ity taratasy ity,
3 dia jereo izay tsara sy mendrika indrindra amin’ny zanakalahin’ny tomponareo, ka apetraho eo amin’ny seza fiandrianan-drainy.+ Dia miadia ho an’ny ankohonan’ny tomponareo.”
4 Koa natahotra be izy ireo, ka niteny hoe: “Mpanjaka roa+ aza tsy nahatohitra azy, ka ataontsika ahoana no hahatohitra azy?”+
5 Dia nandefa iraka ho any amin’i Jeho ny mpiandraikitra ny trano, sy ny mpiandraikitra ny tanàna, sy ny anti-panahy rehetra, ary ny mpikarakara+ rehetra, ka nanao hoe: “Mpanomponao izahay, ka hataonay izay rehetra lazainao aminay. Tsy hanendry na iza na iza ho mpanjaka izahay, fa ataovy izay hitanao fa mety.”
6 Dia nanoratra taratasy ho azy ireo indray i Jeho, nanao hoe: “Raha ahy ianareo,+ ary ny teniko no ankatoavinareo, dia tapaho ny lohan’ireo zanakalahin’ny+ tomponareo, ary tongava atỳ amiko atỳ Jezirela,+ rahampitso toy izao.”
Niaraka tamin’ireo olo-manan-kaja teo an-tanàna izay nitaiza azy mantsy izy fitopolo lahy zanaky ny mpanjaka.
7 Ary raha vao tonga tany amin’izy ireo ilay taratasy, dia nalain’izy ireo izy fitopolo lahy zanaky ny mpanjaka, ka novonoiny.+ Dia nataony tao anaty sobika ny lohan’izy ireo, ka nalefany tany amin’i Jeho tany Jezirela.
8 Dia nankao amin’i Jeho ny iraka+ ka nilaza hoe: “Nentin-dry zareo ao ny lohan’ireo+ zanaky ny mpanjaka.” Koa hoy izy: “Ataovy antontany roa eo amin’ny fidirana amin’ny vavahady izany, mandra-paharainan’ny andro.”+
9 Ary nankeny ivelany izy nony maraina, ka nijoro teo anatrehan’ny olona rehetra ary nilaza hoe: “Olo-marina ianareo,+ fa izaho kosa no nanao tetika+ hamelezana ny tompoko sy namono azy ho faty.+ Iza anefa no namono an’ireto rehetra ireto?
10 Fantaro àry fa tsy hisy ho raraka an-tany ny tenin’i Jehovah+ izay nolazain’i Jehovah hanamelohana ny ankohonan’i Ahaba,+ fa i Jehovah mihitsy no efa nanatanteraka izay nolazainy tamin’ny alalan’i Elia mpanompony.”+
11 Dia novonoin’i Jeho koa ny sisa rehetra tamin’ny ankohonan’i Ahaba tao Jezirela, mbamin’ny olo-manan-kajany+ rehetra sy ny namany ary ny mpisorony,+ ka tsy nasiany niangana na iray aza.+
12 Dia niainga nankany Samaria izy. Nisy trano fanetezana ondry teny an-dalana.
13 Ary nifanena tamin’ireo rahalahin’i+ Ahazia+ mpanjakan’ny Joda i Jeho, ka nanontany hoe: “Iza moa ianareo?” Dia hoy ireo: “Rahalahin’i Ahazia izahay, ary handeha hanontany hoe manahoana ireo zanaky ny mpanjaka sy ny zanaky ny andriambavy.”
14 Koa niteny avy hatrany i Jeho hoe: “Ataovy sambo-belona ireo!”+ Dia nataony sambo-belona izy roa amby efapolo lahy, ka novonoiny teo amin’ny lavaka fanangonan-drano teo amin’ilay trano fanetezana ondry, ary tsy nasiany niangana na iray aza.+
15 Rehefa niala teo izy, dia nifanena tamin’i Jonadaba+ zanak’i Rekaba,+ izay tamy hitsena azy. Dia niarahaba+ an’i Jonadaba izy, ka niteny taminy hoe: “Mahitsy amiko ve ny fonao, tahaka ny foko amin’ny fonao?”+
Ary hoy i Jonadaba: “Eny!”
“Atolory ahy àry ny tananao.”
Dia natolony azy ny tanany. Ary nosintonin’i Jeho hiakatra tao amin’ny kalesiny niaraka taminy izy.+
16 Dia hoy i Jeho: “Andao hiaraka amiko, ary jereo fa tsy leferiko mihitsy ny fandrafiana+ an’i Jehovah.” Ary nentina tao amin’ny kalesin’adin’i Jeho izy.
17 Tonga tany Samaria i Jeho tamin’ny farany. Dia novonoiny ny sisa rehetra tamin’ny ankohonan’i Ahaba tany Samaria, mandra-pandringany azy tanteraka,+ araka ny tenin’i Jehovah tamin’i Elia.+
18 Novorin’i Jeho koa ny olona rehetra, ka hoy izy: “Kely ihany no nanompoan’i Ahaba an’i Bala,+ fa i Jeho kosa hanompo azy fatratra.
19 Koa antsoy ho eto amiko daholo ny mpaminanin’i+ Bala sy ny mpivavaka aminy+ ary ny mpisorony+ rehetra. Aza avela hisy tsy ho tonga na iray aza, fa hanao sorona lehibe ho an’i Bala aho. Hovonoina ho faty izay tsy tonga.” Hafetsena anefa no nanaovan’i Jeho izany,+ satria te handringana ny mpivavaka tamin’i Bala izy.
20 Hoy koa i Jeho: “Ambarao fa hisy fivoriambe manetriketrika ho an’i Bala!” Dia nambaran’izy ireo izany.
21 Ary nandefa iraka hitety ny Israely rehetra i Jeho,+ ka tonga daholo ny mpivavaka tamin’i Bala. Tsy nisy tsy tonga na iray aza. Ary tonga tsikelikely tao an-tranon’i Bala izy ireo,+ ka feno hipoka ilay trano.
22 Dia hoy izy tamin’ny mpiandraikitra ny fitoeran’akanjo: “Amoahy akanjo ny mpivavaka amin’i Bala rehetra.” Koa namoaka akanjo ho azy ireo izy.
23 Dia nankao an-tranon’i Bala i Jeho, niaraka tamin’i Jonadaba+ zanak’i Rekaba. Ary hoy izy tamin’ireo mpivavaka tamin’i Bala: “Jereo tsara ka hamarino sao misy mpivavaka amin’i Jehovah tafaraka aminareo ato, fa mpivavaka amin’i Bala ihany no tokony ho ato.”+
24 Farany dia niditra izy ireo mba hanao sorona sy fanatitra dorana. Ary nisy valopolo lahy napetrak’i Jeho mba hiandry tany ivelany, ka nilazany hoe: “Raha misy tafatsoaka ireo lehilahy natolotro eo an-tananareo ireo, dia ny ain’ny iray aminareo no ho solon’ny ainy.”+
25 Raha vao avy nanolotra ny fanatitra dorana i Jeho, dia niteny tamin’ireo mpihazakazaka sy manamboninahitra lefitra hoe: “Midira, ka vonoy ireo! Aza avela hisy ho tafavoaka na iray aza.”+ Dia namono azy ireo tamin’ny lelan-tsabatra ny mpihazakazaka sy ny manamboninahitra lefitra,+ ka nanipy ny fatiny tany ivelany. Ary nandeha hatrany amin’ny tanàna nisy ny tranon’i Bala izy ireo.
26 Avy eo dia navoakan’izy ireo ny tsato-kazo masina+ tao an-tranon’i Bala, ka nodorany+ tsirairay.
27 Noravany koa ny tsangambato masin’i Bala.+ Ary narodany ny tranon’i Bala+ ka nataony kabine+ mandraka androany.
28 Toy izany no namongoran’i Jeho an’i Bala tsy ho eo amin’ny Israely.
29 Tsy mba nialan’i Jeho anefa ny fahotan’i Jeroboama+ zanak’i Nebata, dia ireo fahotana nampanotan’i Jeroboama ny Israely,+ izany hoe ny fivavahana tamin’ilay zanak’omby volamena+ tany Betela sy ilay tany Dana.+
30 Koa hoy i Jehovah tamin’i Jeho: “Tsara ny nataonao satria nanao izay mahitsy teo imasoko ianao,+ sady araka izay rehetra tao am-poko no nataonao tamin’ny ankohonan’i Ahaba.+ Noho izany, dia hisy zanakao lahy handimby anao eo amin’ny seza fiandrianan’ny Israely, hatrany amin’ny zafiafinao.”+
31 Tsy nanaraka tsara ny lalàn’i Jehovah Andriamanitry ny Israely tamin’ny fony manontolo anefa i Jeho.+ Tsy niala tamin’ny fahotan’i Jeroboama, izay nampanotany ny Israely, mantsy izy.+
32 Nanomboka nampisaratsaraka ny Israely i Jehovah, tamin’izany andro izany. Ary namely azy ireo foana i Hazaela,+ tany amin’ny faritra rehetran’ny Israely,
33 dia ny faritra nanomboka teo amin’ny Reniranon’i Jordana tandrifin’ny fiposahan’ny masoandro, nanerana an’i Gileada,+ sy ny tanin’ny Gadita+ sy ny Robenita+ ary ny Manasita,+ sy ny faritra nanomboka tany Aroera,+ any akaikin’ny lohasaha falehan-driakan’i Arnona, izany hoe i Gileada sy Basana.+
34 Ary ny sisa amin’ny tantaran’i Jeho, mbamin’izay rehetra nataony sy ny heriny rehetra, tsy efa voasoratra ao amin’ny boky+ mirakitra ny tantara tamin’ny andron’ireo mpanjakan’ny Israely ve izany?
35 Farany, dia nodimandry any amin’ny razany i Jeho,+ ka nalevina tany Samaria. Ary i Joahaza+ zanany no nanjaka nandimby azy.
36 Ary ny andro nanjakan’i Jeho teo amin’ny Israely dia valo amby roapolo taona, tany Samaria.