2 Mpanjaka 5:1-27

5  Ary nisy lehilahy atao hoe Namàna,+ lehiben’ny tafiky ny mpanjakan’i Syria. Lasa olo-malaza teo anatrehan’ny tompony izy, sady nohajaina fatratra, satria tamin’ny alalany no namonjen’i Jehovah an’i Syria.+ Lehilahy matanjaka sy mahery fo izy, saingy boka.  Ary nahazo babo zazavavikely+ iray tany amin’ny tanin’ny Israely ny Syrianina mpandroba.+ Lasa mpanompon’ny vadin’i Namàna izy io.  Ary hoy izy+ tamin’ny tompovaviny: “Raha mba mankany amin’ilay mpaminany+ any Samaria mantsy ny tompoko, dia hositraniny amin’ny habokany!”+  Ary nisy olona tonga tao amin’ny tompon’i Namàna, ka nitantara taminy hoe: “Izany sy izany no nolazain’ilay+ zazavavy avy any Israely.”  Dia hoy ny mpanjakan’i Syria: “Mandehana mankany, fa hampitondra taratasy ho any amin’ny mpanjakan’ny Israely aho.” Dia lasa izy sady nitondra+ talenta volafotsy folo, sy sekely volamena+ enina arivo, ary akanjo+ impolo miova.  Ary nentiny tany amin’ny mpanjakan’ny Israely ilay taratasy+ izay nilaza hoe: “Amin’ny fotoana ahatongavan’ity taratasy ity any aminao, dia ho efa nirahiko ho any aminao i Namàna mpanompoko mba hositraninao amin’ny habokany.”  Raha vao voavakin’ny mpanjakan’ny Israely ilay taratasy, dia nandrovitra+ ny akanjony izy, ka nanao hoe: “Izaho angaha Andriamanitra+ ka mahay mamono na misakana tsy ho faty,+ no andefasany olona hositraniko amin’ny habokany? Jereo tsara fa mila ady amiko mihitsy izy.”+  Raha vao ren’i Elisa lehilahin’Andriamanitra fa nandrovitra ny akanjony+ ny mpanjakan’ny Israely, dia nandefa iraka tany amin’ny mpanjaka izy, nanao hoe: “Nahoana ianao no nandrovitra ny akanjonao? Mba alefaso atỳ amiko izy, dia ho fantany fa misy mpaminany tokoa eto amin’ny Israely.”+  Dia tonga i Namàna, niaraka tamin’ny soavaliny sy ny kalesin’adiny, ka nijanona teo amin’ny fidirana amin’ny tranon’i Elisa. 10  Olona anefa no nirahin’i Elisa nankany aminy, hilaza hoe: “Mandehana mandro+ impito+ ao amin’ny Reniranon’i Jordana, dia ho toy ny taloha indray ny nofonao,+ ka hadio ianao.” 11  Dia tezitra+ i Namàna, ka sady lasa izy no niteny hoe: “Nieritreritra aho hoe:+ ‘Hivoaka hankatỳ amiko mihitsy izy, ka hitsangana hiantso ny anaran’i Jehovah Andriamaniny, ary hanevaheva ny tanany eo ambonin’ny faritra marary ka hahasitrana ny habokana.’ 12  Fa angaha i Abana sy Farpara, reniranon’i Damaskosy,+ tsy tsara noho ny rano+ rehetran’ny Israely? Tsy afaka mandro any angaha aho ka hadio?”+ Dia nihodina izy ka lasa nandeha sady romotry ny hatezerana.+ 13  Nanatona azy anefa ny mpanompony, ka niteny taminy hoe: “Ry raiko ô,+ na zavatra lehibe aza ve no nasain’ilay mpaminany nataonao, tsy ho nataonao? Koa mainka fa izay nolazainy taminao hoe: ‘Mandroa, dia hadio ianao’?” 14  Dia lasa nidina i Namàna ka nisitrika impito tao Jordana, araka ny tenin’ilay lehilahin’Andriamanitra.+ Ary lasa tahaka ny nofon-jazalahikely indray ny nofony,+ ka nadio izy.+ 15  Koa niverina tany amin’ilay lehilahin’Andriamanitra+ izy mbamin’izay rehetra tao an-tobiny, ka nijoro teo anatrehan’i Elisa, ary nanao hoe: “Fantatro tokoa izao fa tsy misy Andriamanitra na aiza na aiza eto an-tany, afa-tsy eto amin’ny Israely ihany.+ Koa mba raiso, azafady, ny fanomezana ho fisaorana+ avy amin’ny mpanomponao.” 16  Hoy anefa i Elisa: “Raha mbola velona koa i Jehovah izay tompoiko,+ dia tsy handray an’io aho.”+ Ary niangavy azy fatratra i Namàna mba handraisany izany, fa tsy nety mihitsy izy. 17  Farany, dia hoy i Namàna: “Raha izany àry, dia aoka mba homena tany zakan’ny ramole roa ny mpanomponao.+ Tsy hanolotra fanatitra dorana na sorona ho an’ny andriamani-kafa intsony mantsy ny mpanomponao, fa ho an’i Jehovah ihany.+ 18  I Jehovah anie hamela ny heloky ny mpanomponao rehefa miditra ao an-tranon’i Rimona+ ny tompoko mba hiankohoka ao, ka mitehina+ amin’ny tanako, ary voatery miankohoka+ ao an-tranon’i Rimona koa aho! Eny, i Jehovah anie hamela ny heloky ny mpanomponao rehefa miankohoka ao an-tranon’i Rimona aho!”+ 19  Dia hoy i Elisa taminy: “Mandehana soa aman-tsara.”+ Koa niala teo aminy izy, dia nandeha ary efa lasa lavidavitra. 20  Tamin’izay i Gehazy+ mpanompon’i Elisa lehilahin’Andriamanitra+ no niteny anakampo hoe: “Navelan’ny tompoko handeha fotsiny i Namàna+ Syrianina, ka tsy noraisiny izay zavatra nentiny. Raha mbola velona koa i Jehovah,+ dia hihazakazaka hanenjika azy aho ka haka zavatra avy aminy.”+ 21  Dia lasa nanenjika an’i Namàna i Gehazy. Raha vao nahatazana olona nihazakazaka nanenjika azy i Namàna, dia nidina avy hatrany avy teny amin’ny kalesiny mba hitsena azy, ka nanao hoe: “Tsy misy maninona ve?”+ 22  Ary hoy i Gehazy: “Tsy misy maninona, fa nirahin’ny tompoko+ aho+ hilaza hoe: ‘Misy zatovo roa lahy zanaky ny mpaminany vao tonga atỳ amiko izao, ary avy any amin’ny faritra be tendrombohitr’i Efraima izy ireo.+ Koa mba omeo talenta* volafotsy iray sy akanjo indroa miova izy ireo, azafady.’”+ 23  Dia hoy i Namàna: “Talenta roa alaina.” Ary niangavy azy fatratra+ i Namàna. Farany dia nataony tao anaty kitapo roa ny talenta volafotsy roa nifatotra tsara, sy ny akanjo indroa miova. Dia nomeny ny mpanompony roa lahy izany mba hoentin’ireo teo alohan’i Gehazy. 24  Raha vao tonga tao Ofela i Gehazy, dia nalainy teny an-tanan’ireo izany ka napetrany tao an-trano.+ Ary nalefany handeha ireo, ka lasa. 25  Ary nankao amin’ny tompony i Gehazy ka nijoro teo akaikiny.+ Dia hoy i Elisa taminy: “Avy taiza ianao, ry Gehazy?” Ary hoy izy: “Tsy taiza tsy taiza ny mpanomponao.”+ 26  Dia hoy i Elisa taminy: “Tsy fantatro angaha izay nitranga, rehefa nihodina ralehilahy ka nidina avy teny amin’ny kalesiny mba hitsena anao? Angaha moa izao fotoana andraisana volafotsy, na akanjo, na sahan’oliva, na tanimboaloboka, na ondry, na omby, na mpanompolahy, na mpanompovavy?+ 27  Koa hiraikitra aminao sy ny taranakao mandritra ny fotoana tsy voafetra ny habokan’i+ Namàna.”+ Ary niala teo anatrehany avy hatrany i Gehazy, ka indro izy fa boka ary lasa fotsy be.*+

Fanamarihana

1 talenta = 34,2 kg.
A.b.t.: “fotsy tahaka ny lanezy.”