2 Samoela 1:1-27

1  Nony maty i Saoly, dia nijanona roa andro tao Ziklaga+ i Davida, rehefa niverina avy namely an’ireo Amalekita.+  Ary tamin’ny andro fahatelo, dia nisy lehilahy+ tonga avy tany an-toby, avy tany amin’ny tafik’i Saoly. Rovitra ny akanjony+ ary nihosim-bovoka ny lohany.+ Raha vao tonga teo amin’i Davida izy, dia niondrika tamin’ny tany+ ka niankohoka.  Ary hoy i Davida taminy: “Avy aiza ianao?” Dia hoy izy: “Nandositra avy any an-tobin’ny Israely aho.”  Ary hoy i Davida: “Nanahoana ny fandehany tany? Mba lazao ahy kely, azafady.” Dia hoy izy: “Vaky nandositra tamin’ny ady ny olona, ary be dia be koa no lavo ka maty.+ Ary maty hatramin’i Saoly+ sy Jonatana+ zanany.”  Ary hoy i Davida tamin’ilay tovolahy niresaka taminy: “Ahoana no ahafantaranao fa tena maty i Saoly sy Jonatana zanany?”+  Dia hoy ilay tovolahy: “Sendra teo amin’ny Tendrombohitra Gilboa+ aho, no nahita an’i Saoly nitehina tamin’ny lefony.+ Ary nihananatona azy ny mpitondra kalesy sy ny mpitaingin-tsoavaly.+  Dia niherika izy ka nahita ahy, ary niantso ahy. Dia hoy aho: ‘Intỳ aho!’  Ary hoy izy: ‘Iza moa ianao?’ Dia hoy aho: ‘Amalekita aho.’+  Ary hoy izy: ‘Avia ange e! Vonoy ho faty aho fa mijaly be, nefa mbola ato amiko ihany ny aiko+ rehetra.’ 10  Koa nanatona azy aho ka namono azy ho faty,+ satria fantatro fa tsy ho velona intsony izy rehefa lavo noho ny ratra nahazo azy. Dia nalaiko ny diadema+ teo amin’ny lohany sy ny brasele teny an-tsandriny, mba hoentiko atỳ amin’ny tompoko.” 11  Dia nandrovitra ny akanjony i Davida,+ ary samy nanao toy izany koa ny lehilahy rehetra niaraka taminy. 12  Ary nidradradradra nitomany+ izy ireo sady nifady hanina+ mandra-paharivan’ny andro, noho ny amin’i Saoly sy Jonatana zanany sy ny olon’i Jehovah ary ny taranak’Israely,+ satria lavon-tsabatra ireny. 13  Ary hoy i Davida tamin’ilay tovolahy: “Avy aiza moa ianao?” Dia hoy izy: “Zanaka Amalekita mpivahiny eto aho.”+ 14  Ary hoy i Davida: “Nahoana ianao no tsy natahotra+ ny haninjitra ny tananao hamono ny voahosotr’i+ Jehovah?” 15  Dia niantso ny iray tamin’ireo zatovolahy i Davida, ka nanao hoe: “Avia! Vonoy io.” Koa novonoiny izy, ka maty.+ 16  Ary hoy i Davida taminy: “Ianao ihany no ho tompon’andraikitra amin’ny fahafatesanao,*+ satria ny vavanao ihany no niampanga anao+ hoe: ‘Izaho no namono ho faty ny voahosotr’i Jehovah.’”+ 17  Ary nanao izao hira fisaonana+ an’i Saoly sy Jonatana zanany+ izao i Davida. 18  Nilaza koa izy fa tokony hampianarina ny taranak’i Joda+ io hira antsoina hoe “Ilay Tsipìka”+ io, izay voasoratra toy izao ao amin’ny bokin’i Jasara:+ 19  “Voavono teny amin’ny toerana avonao ireo tsara tarehy,+ ry Israely ô!Dia lavo tokoa mantsy ireo lehilahy mahery! 20  Aza lazaina any Gata izany,+Ary aza ambara eny amin’ny lalan’i Askelona,+Sao hifaly ny zanakavavin’ny Filistinina,Sao hiravoravo ny zanakavavin’ireo tsy mifora.+ 21  Ry tendrombohitr’i Gilboa!+ Aoka tsy hisy ando na orana hilatsaka eny aminareo, ary aoka tsy hisy saha hanome vokatra hatao fanomezana masina.+Fa teny no nandotoana ny ampingan’ireo mahery,Dia ny ampingan’i Saoly, ka tsy misy ampinga voahosotra menaka intsony.+ 22  Teo anoloan’ny ran’ny voavono sy ny tavin’ny mahery,Dia tsy mba nihemotra ny tsipìkan’i Jonatana,+Ary tsy niveri-maina ny sabatr’i Saoly.+ 23  Nahatehotia sy nahafinaritra i Saoly sy Jonatana+ fony fahavelony,Ary tsy nisaraka na teo amin’ny fahafatesany aza.+Haingam-pandeha noho ny voromahery izy ireo,+Ary mahery noho ny liona.+ 24  Mitomania an’i Saoly, ry zanakavavin’ny Israely!Nampitafy anareo akanjo mena midorehitra nisy ravaka mirenty izy,Ary nanisy haingony volamena teny amin’ny akanjonareo.+ 25  Dia lavo tany an’ady tokoa mantsy ireo mahery!+Voavono teny amin’ny toerana avonao i Jonatana!+ 26  Ory noho ny aminao aho, ry Jonatana rahalahiko,Tena nahafinaritra ahy ianao.+Ary nihoatra noho ny fitiavan’ny vehivavy ny fitiavanao ahy.+ 27  Dia lavo tokoa mantsy ireo mahery,+Ary potika ny fitaovam-piadiana!”

Fanamarihana

A.b.t.: “Hitsingerina eo an-dohanao ihany ny ranao.”