2 Samoela 10:1-19

10  Tatỳ aoriana, dia maty ny mpanjakan’ny taranak’i Amona,+ ary i Hanona zanany lahy no nanjaka nandimby azy.+  Dia hoy i Davida: “Haneho hatsaram-panahy feno fitiavana amin’i Hanona zanak’i Nahasy aho, toy ny nanehoan-drainy hatsaram-panahy feno fitiavana tamiko.”+ Koa nampitondrain’i Davida hafatra ny mpanompony+ mba hampiononana azy noho ny nahafatesan-drainy. Ary tonga tany amin’ny tanin’ny taranak’i Amona ny mpanompon’i Davida.  Hoy anefa ny andrianan’ny taranak’i Amona tamin’i Hanona tompony: “Heverinao ve fa ny hanome voninahitra an-drainao no nanirahan’i Davida mpampionona ho atỳ aminao? Moa ve tsy ny hamantatra sy hijery taratra+ ny tanàna ary handrava azy, no nanirahany ny mpanompony atỳ?”+  Koa nosamborin’i Hanona ny mpanompon’i Davida ka noharatany ny antsasaky ny volombavany,+ ary notapahiny roa hatreo amin’ny fitombenany ny akanjony, dia nalefany izy ireo.+  Ary nisy nilaza an’izany tamin’i Davida. Koa avy hatrany izy dia naniraka olona hitsena an’ireo lehilahy ireo. Nahatsiaro tena ho nalam-baraka loatra mantsy izy ireo. Ary hoy ny mpanjaka: “Mijanòna any Jeriko,+ ka rehefa maniry tsara ny volombavanareo vao modia.”  Dia hitan’ny taranak’i Amona fa nanjary halan’i+ Davida izy ireo. Koa naniraka olona izy ireo hanakarama ny Syrianina tany Beti-rehoba+ sy tany Zoba,+ dia lehilahy roa alina nandeha an-tongotra, sy ny mpanjakan’i Maka+ niaraka tamin’ny arivo lahy, mbamin’i Istoba niaraka tamin’ny lehilahy roa arivo sy iray alina.  Nony ren’i Davida izany, dia nirahiny i Joaba sy ny tafika manontolo nisy lehilahy mahery.+  Ary nivoaka ny taranak’i Amona ka samy naka ny toerany avy ny miaramila, teo amin’ny fidirana amin’ny vavahady. Nitokana teny an-tsaha kosa ny Syrianina avy any Zoba sy Rehoba,+ niaraka tamin’i Istoba sy Maka.+  Raha vao hitan’i Joaba fa avy any alohany sy avy any aoriany ny fanafihana, dia nifidy tamin’ny lehilahy voafantina+ teo amin’ny Israely izy, ka nasainy naka ny toerany avy izy ireo mba hifanandrina tamin’ny Syrianina. 10  Ny sisa kosa nankininy tamin’i Abisay+ rahalahiny, ka nasainy naka ny toerany avy mba hifanandrina tamin’ny taranak’i Amona.+ 11  Ary hoy izy: “Raha matanjaka loatra ny Syrianina ka tsy resiko, dia vonjeo aho. Fa raha matanjaka loatra kosa ny taranak’i Amona ka tsy resinao, dia ho avy hamonjy anao aho.+ 12  Mahereza, ary aoka isika ho be herim-po+ ho an’ny vahoakantsika sy ny tanànan’ilay Andriamanitsika.+ Ary i Jehovah hanao izay tsara eo imasony.”+ 13  Koa nandroso hiady tamin’ny Syrianina i Joaba sy ny olona niaraka taminy. Dia nandositra teo anoloan’izy ireo ny Syrianina.+ 14  Nony hitan’ny taranak’i Amona fa nandositra ny Syrianina, dia nandositra teo anoloan’i Abisay koa izy ireo, ka niditra tao an-tanàna.+ Ary niverina avy tany amin’ny taranak’i Amona i Joaba, ka tonga tany Jerosalema.+ 15  Rehefa hitan’ny Syrianina fa resy teo anoloan’ny Israely izy ireo, dia nifamory izy samy izy. 16  Koa nampanalain’i Hadadezera+ ny Syrianina tany amin’ny faritry ny Renirano.+ Dia tonga tany Helama izy ireo, ary i Sobaka+ lehiben’ny tafik’i Hadadezera no nitarika azy ireo. 17  Raha vao nolazaina tamin’i Davida izany, dia nangoniny ny Israely rehetra. Dia niampita ny Reniranon’i Jordana izy ireo ka tonga tany Helama. Ary samy naka ny toerany avy ny Syrianina mba hifanandrina tamin’i Davida, ka niady taminy.+ 18  Dia nandositra teo anoloan’ny Israely ny Syrianina.+ Ary mpitondra kalesy fitonjato+ sy mpitaingin-tsoavaly efatra alina no matin’i Davida teo amin’izy ireo. Ary nasiany koa i Sobaka lehiben’ny tafik’izy ireo ka maty.+ 19  Rehefa hitan’ny mpanjaka rehetra+ teo ambany fifehezan’i Hadadezera fa resy teo anoloan’ny Israely izy ireo,+ dia nihavana avy hatrany tamin’ny Israely izy ireo, ka nanompo azy.+ Ary tsy sahy namonjy ny taranak’i Amona intsony ny Syrianina.+

Fanamarihana