2 Samoela 20:1-26
20 Ary nisy lehilahy tsy manjary+ iray teo. Sheba+ no anarany, ary zanak’i Bikry Benjaminita izy. Nitsoka anjombona izy+ ka niteny hoe: “Tsy manana anjara amin’i Davida na lova eo amin’ny zanak’i Jese isika.+ Koa samia mankany amin’ny andriamaniny avy,+ ry Israely ô!”
2 Dia niakatra ny lehilahy israelita rehetra ka tsy nanaraka an’i Davida intsony, fa nanaraka an’i Sheba zanak’i Bikry.+ Ireo lehilahy anisan’ny fokon’i Joda kosa anefa nifikitra tamin’ny mpanjakany, hatrany amin’ny Reniranon’i Jordana ka hatrany Jerosalema.+
3 Farany dia tonga tany an-tranony tany Jerosalema i Davida.+ Ary nalain’ny mpanjaka ireo vehivavy folo+ vadikeliny, izay najanony hikarakara ny trano, ka napetrany tao amin’ny trano iray voambina. Nomeny sakafo foana anefa izy ireo. Ary tsy nanao firaisana tamin’izy ireo intsony izy,+ fa nohidiana tao an-trano ireo mandra-pahafatiny, ka lasa mpitondratena nefa tsy maty vady akory.
4 Ary hoy ny mpanjaka tamin’i Amasa:+ “Vorio ho eto amiko ny lehilahy anisan’ny fokon’i Joda, ao anatin’ny telo andro. Aoka hitsangana eto koa ianao amin’izay.”
5 Koa lasa namory ny Joda i Amasa, nefa tara tamin’ilay fotoana nomen’i Davida izy.
6 Dia hoy i Davida tamin’i Abisay:+ “Hitondra loza ho antsika mihoatra noho i Absaloma,+ i Sheba+ zanak’i Bikry. Koa ento ny mpanompon’ny+ tomponao ka enjeho izy, sao hiditra any amin’ny tanàna voaro mafy izy ka tsy ho hitantsika intsony.”
7 Koa nivoaka nanaraka azy ny olon’i Joaba+ sy ny Keretita+ sy ny Peletita+ ary ny lehilahy mahery rehetra. Nivoaka avy ao Jerosalema izy ireo hanenjika an’i Sheba zanak’i Bikry.
8 Nony teo akaikin’ilay vato lehibe ao Gibeona+ izy ireo, dia tonga nitsena azy i Amasa.+ Ary akanjo nisy fehikibo no nanaovan’i Joaba tamin’izay. Nisy sabatra teo amin’ny fehikibony, teo amin’ny andilany, ka tao anaty tranony ilay sabatra. Ary rehefa nanatona izy, dia latsaka ilay sabatra.
9 Ary hoy i Joaba tamin’i Amasa: “Salama ve ianao, ry rahalahiko?”+ Dia noraisin’i Joaba tamin’ny tanany havanana ny volombavan’i Amasa mba hanorohany an’i Amasa.+
10 Tsy mba nitandrina tamin’ilay sabatra teny an-tanan’i Joaba anefa i Amasa. Dia nasian’i Joaba+ tamin’iny ny kibony, ka niparitaka tamin’ny tany ny tsinainy, ary tsy voatery namely azy fanindroany intsony i Joaba. Koa maty i Amasa. Ary lasa nanenjika an’i Sheba zanak’i Bikry i Joaba sy Abisay rahalahiny.
11 Ary nisy zatovon’i Joaba nijoro teo anilan’i Amasa ka namerimberina niteny hoe: “Izay mankasitraka an’i Joaba sy izay olon’i Davida,+ dia aoka hanaraka an’i Joaba!”
12 Nihosin-dra+ teo afovoan’ny lalambe i Amasa tamin’izay. Nony hitan’ilay zatovo fa nijanona teo ny olona rehetra, dia nesoriny teo amin’ny lalambe i Amasa ka nafindrany teny an-tsaha. Ary nanipy akanjo teo amboniny izy mba hanaronana azy, satria hitany fa nijanona avokoa izay tonga teo aminy.+
13 Raha vao nesoriny teo amin’ny lalambe izy, dia lasa nanaraka an’i Joaba avokoa ny lehilahy rehetra, mba hanenjika an’i Sheba+ zanak’i Bikry.
14 Ary nandalo tany amin’ny foko rehetran’ny Israely i Sheba, ka tonga tany Abela any Beti-maka.+ Dia niangona ny Bikrita rehetra, ka nanaraka azy nankao an-tanàna.
15 Ary tonga ny olona rehetra niaraka tamin’i Joaba, ka nanao fahirano an’i Sheba tao Abela any Beti-maka. Dia nanangana tovon-tany* fanaovana fahirano izy ireo hanafihana an’ilay tanàna,+ satria voahodidina tovon-tany fiarovana izy io. Koa nandoaka ny fototry ny manda izy ireo, mba hanjerana azy.
16 Ary nisy vehivavy hendry+ iray niantso avy teo amin’ny mandan’ny tanàna, nanao hoe: “Mihainoa, rey olona, mihainoa ahy! Mba ilazao kely i Joaba hanatona etỳ, fa hiresaka aminy aho.”
17 Koa nanatona an-dravehivavy izy. Ary hoy ravehivavy: “Ianao ve no Joaba?” Dia hoy izy: “Eny, izaho no izy.” Ary hoy ravehivavy: “Mba henoy ny tenin’ny mpanompovavinao.”+ Dia hoy izy: “Mihaino aho.”
18 Ary hoy ravehivavy: “Tsy nisy tsy niteny ny olona tamin’ny andro fahiny hoe: ‘Aoka izy hanontany any Abela, dia ho voalamina ny raharaha.’
19 Anisan’ny olona tia fihavanana+ sy mendri-pitokisana+ eto amin’ny Israely aho, fa ianao kosa mitady hamono tanàna iray+ sy reny iray eto amin’ny Israely. Fa nahoana no haripakao+ ny lovan’i+ Jehovah?”
20 Dia hoy i Joaba: “Sanatria ahy ny handripaka sy handrava.
21 Tsy izany mihitsy, fa misy lehilahy iray avy any amin’ny faritra be tendrombohitr’i Efraima,+ nanainga tanana hikomy tamin’i Davida Mpanjaka.+ Sheba+ no anarany, ary zanak’i Bikry izy. Koa izy ihany no atolory,+ dia hiala amin’ity tanàna ity aho.”+ Ary hoy ravehivavy: “Hatsipy eny aminao avy etỳ amin’ny manda àry ny lohany.”+
22 Avy hatrany dia nankeo amin’ny olona rehetra ravehivavy, ka niresaka tamin’izy ireo tamim-pahendrena.+ Koa notapahin’izy ireo ny lohan’i Sheba zanak’i Bikry ka natsipiny teny amin’i Joaba. Dia notsofin’i Joaba ny anjombona,+ ka samy niparitaka niala tamin’ilay tanàna ny olona ary nankany an-tranony avy. I Joaba kosa niverina nankany Jerosalema, ho any amin’ny mpanjaka.
23 Ary i Joaba no lehiben’ny tafika+ manontolon’ny Israely; Benaia+ zanak’i Joiada+ no lehiben’ny Keretita+ sy ny Peletita;+
24 Adorama+ no niandraikitra an’ireo voantso hanao fanompoana; Josafata+ zanak’i Ahiloda no mpanoratra ny raharaham-panjakana;
25 Seva+ no mpitan-tsoratra,+ ary Zadoka+ sy Abiatara+ no mpisorona.
26 Lasa mpisoron’i*+ Davida koa i Ira Jairita.
Fanamarihana
^ Tany avangongo ho avo be eo am-pototry ny manda ka atao misolampy.
^ Na: “manamboninahitra ambony.”