2 Samoela 22:1-51
22 Nanao izao tononkira+ izao ho an’i Jehovah i Davida, tamin’ny andro namonjen’i Jehovah azy teo am-pelatanan’ny fahavalony+ rehetra sy teo am-pelatanan’i Saoly.+
2 Hoy izy:
“I Jehovah no harambatoko+ sy fiarovana mafy+ ho ahy ary Mpanafaka ahy.+
3 Andriamanitro no vatolampiko.+ Hialoka aminy aho,Fa izy no ampingako+ sy tandroka+ famonjena ahy, tendrombohitra fandosirako,+Toerana fandosirako,+ ary Mpamonjy ahy.+ Mamonjy ahy amin’ny herisetra ianao.+
4 I Jehovah, Ilay mendrika hoderaina,+ no hantsoiko,Ka ho voavonjy amin’ny fahavaloko aho.+
5 Fa nihodidina ahy ny onja mahery mahafaty,+Ary nampihorohoro ahy koa ireo olona tsy manjary, izay nanafotra tampoka toy ny ranotrambo.+
6 Nangeja ahy toy ny tady ny Fasana,*+Ary nivelatra teo anoloako ny fandriky ny fahafatesana.+
7 Niantso an’i Jehovah foana aho, tao anatin’ny fahoriako.+Ilay Andriamanitro no nantsoiko mandrakariva.+Tao an-tempoliny izy no nandre ny feoko,+Ary ren’ny sofiny ny antso vonjy nataoko.+
8 Nihozongozona sy nihovotrovotra ny tany,+Nihorohoro ny fototry ny lanitra.+Nihozongozona tsy an-kijanona ireny satria nisy nampahatezitra Azy.+
9 Nisy setroka niakatra avy teo am-bavorony, ary nisy afo nandevona avy tamin’ny vavany.+Nisy vainafo niredareda avy taminy.+
10 Dia natongilany ny lanitra ka nidina izy,+Ary haizim-pito no teo ambany tongony.+
11 Nitaingina kerobima+ izy ka nanidina,Ary hita teny ambony elatry ny anjely.*+
12 Nataony nanodidina azy toy ny trano rantsankazo ny haizina,+Dia rahona mainty vonton-drano.+
13 Ny famirapiratana teo anatrehany no nampirehitra vainafo.+
14 Nampirefotra kotroka avy tany an-danitra i Jehovah,+Ary nanandratra ny feony ny Avo Indrindra.+
15 Tsy nitsahatra nandefa zana-tsipìka izy mba hanaparitahana an’ireny,+Sy tselatra mba hahatonga an’ireny hisahotaka.+
16 Nanjary hita ny fanambanin’ny ranomasina,+
Ary niharihary ny fototry ny tany lonaka,+Satria niteny mafy azy i Jehovah, ary ny fofonain’ny vavorony+ no nitsofany azy.
17 Avy any amin’ny avo izy no nanatsotra ny tanany ka nandray ahy,+Ary nisarika ahy avy tao anaty rano be.+
18 Nanafaka ahy tamin’ny fahavalo mahery izy,+Dia tamin’izay nankahala ahy. Nahery noho izaho mantsy ireny.+
19 Nanohitra ahy foana ireny tamin’ny andro nahitako loza,+Nefa i Jehovah nanampy ahy.+
20 Namoaka ahy eo amin’ny toerana malalaka izy,+Ary namonjy ahy satria nankasitraka ahy.+
21 Mamaly soa ahy araka ny fahamarinako i Jehovah,+Ary mamaly ahy araka ny fahadiovan’ny tanako.+
22 Fa nanaraka foana ny lalan’i Jehovah aho,+Ary tsy niala tamin’Andriamanitro, eny, tsy nanao izany ratsy izany aho.+
23 Eo anatrehako ny didim-pitsarany rehetra,+Ary tsy mba hiala amin’ny lalàny aho.+
24 Tsy hanan-tsiny+ eo anatrehany aho,Sady hitandrin-tena tsy hanao fahadisoana.+
25 Enga anie i Jehovah hamaly ahy araka ny fahamarinako,+
Sy araka ny fahadiovako eo imasony!+
26 Ny olona tsy mivadika no tsy hivadihanao,+Ary ny olo-mahery tsy manan-tsiny no hoentinao amin’ny fomba tsy misy tsiny.+
27 Ny olona madio no hisehoanao ho madio,+Ary ny olona fatsora no hanaovanao zavatra toa adaladala.+
28 Hovonjenao ny manetry tena,+Ary manohitra ny mpirehareha ny masonao, mba hampietrenao azy.+
29 Fa ianao no jiroko, Jehovah ô!+Ary i Jehovah no manazava ny haizina misy ahy.+
30 Noho ianao, dia mahavita mihazakazaka hamely mpandroba aho,+Noho ilay Andriamanitro, dia mahavita mianika manda aho.+
31 Tonga lafatra ny lalan’ilay tena Andriamanitra.+Madio toy ny metaly voadio ny tenin’i Jehovah.+Ampingan’izay rehetra mialoka aminy izy.+
32 Fa iza no Andriamanitra ankoatra an’i Jehovah,+Ary iza no vatolampy ankoatra an’Andriamanitsika?+
33 Ilay tena Andriamanitra no fiarovana mafy ho ahy,+Ary hataony izay hahalavorary ny lalako.+
34 Ataony toy ny an’ny serfavavy ny tongotro,+Ary eo amin’ny toerana avo be no ampijoroany ahy.+
35 Mampianatra ny tanako hiady izy,+Ary ny sandriko no nampiasaiko hamatorana ny tadin’ny tsipìka varahina.+
36 Hanome ahy ny ampinga famonjenao ianao,+Ary ny fanetren-tenanao no mampisandratra ahy.+
37 Hataonao malalaka tsara ny lalana hodiaviko,+Ary tsy hangozohozo mihitsy ny tongotro.+
38 Hanenjika ny fahavaloko aho mba handripahako azy,Ary tsy hiverina aho mandra-paharingany tanteraka.+
39 Haringako sy hotorotoroiko ireny+ mba tsy ho afa-mitsangana intsony.+Ho lavo eo ambany tongotro ireny.+
40 Homenao hery hoenti-miady aho,+Ary hataonao lavo eo ambaniko izay mitsangana hanohitra ahy.+
41 Hataonao mandositra eo anatrehako ny fahavaloko,*+Ary hataoko mangina koa izay mankahala mafy ahy.+
42 Miantso vonjy ireny, nefa tsy misy mpamonjy,+Eny, miantso an’i Jehovah ireny nefa tsy valiany.+
43 Hataoko torotoro toy ny vovo-tany ireny,Ary hohitsakitsahiko toy ny fotaka eny an-dalambe,+Ka hohoseko.
44 Hanafaka ahy amin’ny fanakianan’ny oloko ianao.+Hiaro ahy ianao mba hahatonga ahy ho filohan’ireo firenena,+Ary vahoaka mbola tsy fantatro no hanompo ahy.+
45 Hanatona ahy amin-tahotra ny hafa firenena,+Ary hanaiky hihaino ahy ny sofiny.+
46 Ho lany hery ny hafa firenena,Ary hipararetra izy ireo mivoaka avy ao amin’ny manda fiarovany.+
47 Velona i Jehovah.+ Hisaorana anie ilay Vatolampiko,+Ary hasandratra anie Andriamanitra, ilay vatolampy mpamonjy ahy!+
48 Ilay tena Andriamanitra no Mpamaly ny ratsy atao amiko.+Izy no mampietry an’ireo firenena ho eo ambaniko,+
49 Ary Izy no mamoaka ahy ho afaka amin’ny fahavaloko.+Hanandratra ahy ho ambonin’izay mitsangana hanohitra ahy ianao,+Ary hanafaka ahy amin’ny olona mahery setra.+
50 Koa izany no hisaorako anao eo amin’ireo firenena, Jehovah ô,+Sy hanaovako hira fiderana ho an’ny anaranao,+
51 Ry Ilay manao asa famonjena lehibe ho an’ny mpanjaka voatendriny,+Ary maneho hatsaram-panahy feno fitiavana amin’ny voahosony,+Dia i Davida sy ny taranany, mandritra ny fotoana tsy voafetra.”+
Fanamarihana
^ Heb.: sheôl. Jereo F.F. 3D.
^ Na: “elatry ny rivotra.”
^ A.b.t.: “Homenao ahy ny hatoky ny fahavaloko.”