2 Samoela 23:1-39

23  Ary izao no teny farany nataon’i Davida:+“Ny tenin’i Davida zanak’i Jese,+Eny, ny tenin’ilay lehilahy nasandratra ho ambony,+Ilay voahosotry+ ny Andriamanitr’i Jakoba,Sy ilay olona mahafinaritra voalazan’ny hira fideran’ny+ Israely.   Ny fanahin’i Jehovah no niteny tamin’ny alalako,+Ary ny teniny no teo amin’ny lelako.+   Nilaza ny Andriamanitry ny Israely,Eny, niteny tamiko ilay Vatolampin’ny Israely hoe:+‘Raha olo-marina no mitondra ny olombelona,+Ka amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra no itondrany,+   Dia toy ny fahazavana amin’ny maraina izany, rehefa miposaka iny ny masoandro,+Amin’ny maraina tsy semban-drahona.Ary misy ahitra mitsiry avy amin’ny tany, noho ny fahazavana mamiratra sy ny orana.’+   Tsy toy izany ve ny ankohonako, eo imason’Andriamanitra?+Fifanekena mandritra ny fotoana tsy voafetra+ mantsy no nataony tamiko,Ary voaomana tsara izy io sady azo antoka.+Tena famonjena+ ahy sy tena fahafinaretako izy io,Koa tsy hataony miroborobo tsara ve?+   Ny olona tsy manjary+ rehetra kosa dia toy ny tsilo+ ailikilika,+Fa tsy raisina amin’ny tanana.   Izay olona mikasika an’ireny,Dia tokony hitondra fitaovana vy sy tahon-defona.Hatao may kilan’ny afo ireny.”+  Ireto ny anaran’ireo lehilahy maherin’i+ Davida: Joseba-basebeta+ Takemonita, lehiben’ireo telo lahy. Izy no nanambana tamin’ny lefony ny valonjato lahy ka namono an’ireo, tao anatin’ny ady indray mandeha monja.  Ary manarakaraka azy i Eleazara+ zanak’i Dodo+ zanak’i Ahohy, anisan’ireo telo lahy mahery niaraka tamin’i Davida, fony izy ireo nihantsy ady tamin’ny Filistinina izay niangona teo mba hiady. Nihemotra ny lehilahy israelita,+ 10  fa izy kosa nitsangana namely an’ireo Filistinina mandra-pahareraky ny tanany. Ary toy ny hoe niraikitra tamin’ny tanany mihitsy ny sabatra.+ Koa nanao famonjena lehibe i Jehovah tamin’izay andro izay.+ Fa matoa ny olon-kafa niverina nanaraka an’i Eleazara, dia mba hanala fotsiny an’izay zavatra teny amin’ireo maty.+ 11  Ary manarakaraka azy i Sama zanak’i Age Hararita.+ Rehefa niangona tao Lehy ny Filistinina, teo amin’ny sombin-tany iray feno lantihy,+ dia vaky nandositra ny olona noho ny amin’ny Filistinina, 12  fa izy kosa nijoro teo afovoan’ilay tany ka nanafaka azy, ary namono an’ireo Filistinina. Koa nanao famonjena lehibe i Jehovah.+ 13  Ary nidina ny telo tamin’ireo telopolo lahy lehiben’ny tafika,+ ka tonga tany amin’i Davida tao amin’ilay lava-bato ao Adolama,+ tamin’ny fotoam-pijinjana. Ary efa nanangana toby tranolay teny amin’ny lemaka ivan’ny Refaima ny Filistinina.+ 14  Teny amin’ilay toerana sarotra aleha i Davida tamin’izay.+ Ary nisy toby mpitilin’ny+ Filistinina tao Betlehema. 15  Rehefa afaka kelikely, dia te hisotro rano mafy i Davida ka hoy izy: “Raha izao aho no mba afaka misotro rano avy amin’ilay lavaka fanangonan-drano eo am-bavahadin’i Betlehema!”+ 16  Dia niditra an-keriny tao an-tobin’ny Filistinina ireo telo lahy mahery, ka nanovo rano tao amin’ilay lavaka fanangonan-drano teo am-bavahadin’i Betlehema. Ary nitondra izany tany amin’i Davida izy ireo,+ nefa tsy nety nisotro izy fa nararany+ ho an’i Jehovah izany. 17  Ary hoy izy: “Sanatria ahy ny hanao izany,+ Jehovah ô! Hisotro ny ran’ireo+ lehilahy nanao vivery ny ainy ireo ve aho?” Koa tsy nety nisotro izy. Izany no nataon’ireo telo lahy mahery ireo. 18  Ary i Abisay+ rahalahin’i Joaba, zanak’i Zeroia,+ no lehiben’izy telopolo lahy. Izy no nanambana tamin’ny lefony ny telonjato lahy ka namono an’ireo. Ary nalaza toa an’ireo telo lahy ihany izy.+ 19  Niavaka kokoa tamin’izy telopolo i Abisay ary nanjary lehiben’izy ireo, nefa tsy tonga tamin’ny laharam-boninahitr’ireo telo lahy voalohany.+ 20  Ary i Benaia+ zanak’i Joiada,+ zanaky ny lehilahy mahery fo, dia nanao zavatra maro tao Kabzela.+ Izy no nahafaty an’ireo roa lahy zanak’i Ariela avy any Moaba, sy nidina tao anaty lavaka fanangonan-drano ka namono liona+ iray, tamin’ilay andro nisy lanezy.+ 21  Izy koa no namono an’ilay lehilahy ejipsianina goavam-be.+ Nitana lefona ilay Ejipsianina, fa kibay kosa no nentin’i Benaia nidina teny aminy. Dia nosintoniny teny an-tanan’ilay Ejipsianina ilay lefona, ka iny ihany no namonoany azy.+ 22  Izany no nataon’i Benaia+ zanak’i Joiada, ary nalaza toa an’ireo telo lahy mahery ihany izy.+ 23  Niavaka kokoa noho ireo telopolo lahy izy, nefa tsy tonga tamin’ny laharam-boninahitr’ireo telo lahy. Notendren’i Davida ho anisan’ny mpiaro azy anefa izy.+ 24  Anisan’ireo telopolo lahy koa i Asahela+ rahalahin’i Joaba, Elanana+ zanak’i Dodo avy any Betlehema, 25  Sama+ Harodita, Elika Harodita, 26  Heleza+ Paltita, Ira+ zanak’i Ikesy+ Tekoita, 27  Abi-ezera+ Anatotita,+ Mebonay Hosatita,+ 28  Zalmona Ahohita,+ Maharay+ Netofatita, 29  Haleba+ zanak’i Bana Netofatita, Itahy+ zanak’i Ribay avy any Gibean’ny taranak’i Benjamina, 30  Benaia+ Piratonita, Hiday avy any amin’ny lohasaha falehan-driakan’i Gasa,+ 31  Abi-albona Arbatita, Azmaveta+ Baromita, 32  Eliaba Salbonita, ny zanak’i Jasena, Jonatana,+ 33  Sama Hararita, Ahiama+ zanak’i Sarara Hararita, 34  Elifeleta zanak’i Ahasbay zanak’ilay Makatita, Eliama zanak’i Ahitofela+ Gilonita, 35  Hezro+ Karmelita, Paray Arbita, 36  Jigala zanak’i Natana+ avy any Zoba, Bany Gadita, 37  Zaleka+ Amonita sy Naharay Berotita izay samy mpitondra ny fiadian’i Joaba zanak’i Zeroia, 38  Ira Jitrita,+ Gareba+ Jitrita, 39  ary Oria+ Hetita. Fito amby telopolo ny fitambaran’izy ireo.

Fanamarihana