2 Samoela 24:1-25

24  Ary nirehitra tamin’ny Israely indray+ ny fahatezeran’i Jehovah, rehefa nisy nampirisika an’i Davida hahatonga loza tamin’ny Israely, nanao hoe: “Mandehana isao+ ny Israely sy ny Joda.”  Koa hoy ny mpanjaka tamin’i Joaba,+ lehiben’ny tafika, izay niaraka taminy: “Tetezo, azafady, ny foko rehetran’ny Israely, hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba,+ ary isao ny vahoaka+ mba hahafantarako ny isany.”+  Hoy anefa i Joaba tamin’ny mpanjaka: “Hampitomboin’i Jehovah Andriamanitrao avo zato heny anie ny isan’ny olona, ary ho hitan’ny mason’ny mpanjaka tompoko izany! Fa nahoana ny mpanjaka tompoko no te hanao izany zavatra izany?”+  Farany anefa, dia tsy nahatohitra+ ny tenin’ny mpanjaka i Joaba sy ireo lehiben’ny tafika. Koa nivoaka avy teo anatrehan’ny mpanjaka i Joaba sy ireo lehiben’ny tafika mba hanisa+ ny vahoakan’Israely.  Ary niampita ny Reniranon’i Jordana izy ireo ka nitoby tao Aroera,+ teo ankavanan’ilay tanàna izay eo afovoan’ilay lohasaha falehan-driaka. Dia nankany amin’ny Gadita+ sy nankany Jazera+ izy ireo.  Ary tonga tany Gileada+ izy ireo, ary avy eo tany Tatima-hodsy, dia nanohy ny diany nankany Dana-jana, ary nivily nankany Sidona.+  Avy eo izy ireo dia tonga tany Tyro,+ tanàna voaro mafy, sy tany amin’ny tanàna rehetran’ny Hivita+ sy ny Kananita, ary farany dia tany Beri-sheba+ any Negeba,+ any Joda.  Koa nitety an’ilay tany manontolo izy ireo, ka tafaverina tany Jerosalema rehefa afaka sivy volana sy roapolo andro.  Dia nomen’i Joaba ny mpanjaka ny isan’ireo voasoratra anarana,+ ka valo hetsy ny lehilahy mahery fo mpitan-tsabatra teo amin’ny Israely, ary dimy hetsy kosa ireo anisan’ny fokon’i Joda.+ 10  Nanameloka+ an’i Davida anefa ny fony rehefa voaisany ny vahoaka. Koa hoy i Davida tamin’i Jehovah: “Tena nanao fahotana+ lehibe aho tamin’iny zavatra nataoko iny. Mba avelao* re ny fahadisoan’ny mpanomponao, Jehovah ô!+ Fa hadalana be mihitsy no nataoko.”+ 11  Nony nifoha i Davida ny ampitso maraina, dia efa tonga tamin’i Gada+ mpaminany, mpahita fahitana ho an’i Davida,+ ny tenin’i Jehovah hoe: 12  “Mandehana, lazao amin’i Davida hoe: ‘Izao no nolazain’i Jehovah: “Famaizana telo no ataoko eo anoloanao,+ ka fidio izay iray hataoko aminao.”’”+ 13  Koa nankao amin’i Davida i Gada, ka nilaza taminy hoe:+ “Ho tratran’ny mosary fito taona eto amin’ny taninao ve no tianao,+ sa handositra telo volana eo anoloan’ny fahavalo+ manenjika anao, sa areti-mandringana telo andro eto amin’ny taninao?+ Diniho tsara izay havaliko an’Ilay naniraka ahy.” 14  Dia hoy i Davida tamin’i Gada: “Ory loatra aho. Aleontsika azon’ny tanan’i Jehovah,+ fa lehibe ny famindram-pony,+ toy izay azon’ny tanan’olona.”+ 15  Koa nandefa areti-mandringana+ teo amin’ny Israely i Jehovah hatramin’ny maraina ka hatramin’ny fotoana voatondro, ka fito alina no maty+ hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba.+ 16  Ary naninjitra foana ny tanany tandrifin’i Jerosalema ilay anjely+ mba handringana an’ilay tanàna. Koa nanenina+ ny amin’ilay loza i Jehovah, ka hoy izy tamin’ilay anjely nandringana ny olona: “Aoka izay! Ampidino amin’izay ny tananao.” Ary teo akaikin’ny famoloan’i Araona+ Jebosita+ ilay anjelin’i Jehovah. 17  Nony nahita an’ilay anjely namono ny olona i Davida, dia hoy izy tamin’i Jehovah: “Izaho no nanota ary izaho no nanao ratsy, fa ireto ondry+ ireto kosa, inona moa no nataony? Aoka re ny tananao hamely ahy+ sy ny ankohonan-draiko e!” 18  Dia nankao amin’i Davida i Gada tamin’iny andro iny ihany, ka niteny taminy hoe: “Miakara ka manorena alitara ho an’i Jehovah, eo amin’ny famoloan’i Araona Jebosita.”+ 19  Koa niakatra i Davida araka ny tenin’i Gada, araka izay nandidian’i Jehovah.+ 20  Nony nitazana i Araona ka nahita fa tonga hankeny aminy ny mpanjaka sy ny mpanompony, dia niala teo avy hatrany izy ka niankohoka+ tamin’ny tany teo anatrehan’ny mpanjaka.+ 21  Ary hoy i Araona: “Nahoana ny mpanjaka tompoko no tonga atỳ amin’ny mpanompony?” Dia hoy i Davida: “Hividy+ ny famoloana aminao aho, hanorenana alitara ho an’i Jehovah mba hitsaharan’ilay loza+ mamely ny vahoaka.” 22  Hoy anefa i Araona: “Aoka ny mpanjaka tompoko haka ny famoloana,+ ka hanolotra izay hitany fa mety. Indreto ny omby hatao fanatitra dorana, ary ny fitaovana fanosihosena varimbazaha sy ny hazo amin’ny angadinomby mba hatao kitay.+ 23  Omen’i Araona ny mpanjaka avokoa izany, ry mpanjaka ô!” Hoy koa izy: “Hankasitraka anao anie i Jehovah Andriamanitrao!”+ 24  Hoy anefa ny mpanjaka taminy: “Tsia, fa tsy maintsy hovidiko aminao araka izay vidiny izany.+ Tsy zavatra azoko maimaim-poana no hatolotro ho sorona dorana ho an’i Jehovah Andriamanitro.”+ Koa novidin’i+ Davida sekely volafotsy dimampolo ilay famoloana sy ny omby. 25  Dia nanorina alitara+ ho an’i Jehovah teo i Davida, ka nanolotra sorona dorana sy sorona iombonana. Koa nohenoin’i Jehovah ny fitalahoana+ ho an’ilay tany, ka nitsahatra ilay loza namely ny Israely.

Fanamarihana

A.b.t.: “avelao handalo.”