2 Samoela 7:1-29

7  Rehefa tafapetraka tao an-dapany+ ny mpanjaka, sady efa nataon’i Jehovah mandry feizay teo anivon’ny fahavalony rehetra nanodidina,+  dia hoy izy tamin’i Natana+ mpaminany: “Jereo fa izaho mipetraka amin’ny trano sedera,+ nefa ny Vata masin’Andriamanitra mipetraka anaty tranolay.”+  Dia hoy i Natana taminy: “Mandehana ka ataovy izay rehetra ao am-ponao,+ fa momba anao i Jehovah.”  Ny alin’iny, dia tonga tamin’i Natana ny tenin’i+ Jehovah, nanao hoe:  “Mandehana lazao amin’i Davida mpanompoko hoe: ‘Izao no nolazain’i Jehovah: “Tokony hanorina trano hipetrahako ve ianao?+  Fa tsy nipetraka tao anaty trano aho, hatramin’ny andro nitondrako ny zanak’Israely niakatra avy tany Ejipta ka mandraka androany.+ Tao anaty tranolay+ foana no nisy ahy tamin’ireny nandehandeha+ ireny.  Nandritra ny fotoana nandehandehanako teo amin’ny zanak’Israely rehetra,+ moa ve efa nisy iray tamin’ny fokon’ny Israely,+ izay nodidiako hiandry ny Israely oloko, mba efa nilazako hoe: ‘Nahoana ianareo no tsy nanorina trano sedera ho ahy?’”’  Koa izao no holazainao amin’i Davida mpanompoko: ‘Izao no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika: “Izaho no naka anao avy teny amin’ny kijana, teny am-piandrasana ondry,+ mba ho mpitarika+ ny Israely oloko.  Ary homba anao aho na aiza na aiza alehanao,+ ka haringako tsy ho eo anoloanao ny fahavalonao rehetra.+ Dia hataoko malaza tokoa ny anaranao,+ toy ny anaran’ny olo-malaza eny ambonin’ny tany. 10  Ary hifidy toerana+ ho an’ny Israely oloko aho ka hampitoetra*+ azy. Dia honina eo amin’izay misy azy izy, ka tsy ho voahelingelina intsony. Ary ny zanaky ny tsy fahamarinana tsy hampahory azy toy ny tamin’ny voalohany intsony,+ 11  sy toy ny tamin’ny fotoana nanendreko mpitsara+ hifehy ny Israely oloko. Ary hataoko mandry feizay eo anivon’ny fahavalonao rehetra ianao.+ “‘“Ary nolazain’i Jehovah taminao fa hanome taranaka+ anao i Jehovah. 12  Rehefa tapitra ny andronao+ ka hodimandry any amin’ny razanao+ ianao, dia hotendreko ny taranaka handimby anao izay haterakao, ary hataoko mafy orina tokoa ny fanjakany.+ 13  Izy no hanorina trano ho an’ny anarako,+ ary hataoko mafy orina mandritra ny fotoana tsy voafetra ny seza fiandrianan’ny fanjakany.+ 14  Izaho ho rainy,+ ary izy ho zanako.+ Rehefa manao fahadisoana izy, dia hanariko amin’ny tsorakazon’ny+ olombelona, sy amin’ny kapoky ny taranak’i Adama. 15  Ny hatsaram-panahiko feno fitiavana dia tsy hiala aminy toy ny nanesorako izany tamin’i Saoly,+ izay nalako tamin’ny toerany noho ny aminao. 16  Tsy hihozongozona eo anatrehanao mandritra ny fotoana tsy voafetra ny taranakao sy ny fanjakanao. Ary ho mafy orina mandritra ny fotoana tsy voafetra ny seza fiandriananao.”’”+ 17  Koa niresaka tamin’i Davida araka izany teny sy fahitana rehetra izany i Natana.+ 18  Dia niditra teo anatrehan’i Jehovah i Davida Mpanjaka ka nipetraka, ary nilaza hoe: “Zinona moa aho,+ ry Jehovah Tompo Fara Tampony ô? Zinona moa ny ankohonako no nataonao lasa toy izao aho? 19  Ary toy ny hoe tsy ampy izany efa nataonao izany, ry Jehovah Tompo Fara Tampony ô, fa mbola nilazanao koa aho hoe haharitra hatrany aoriana lavitra any ny taranaky ny mpanomponao. Izany no lalàna nomenao ny olombelona,+ ry Jehovah Tompo Fara Tampony ô!+ 20  Inona intsony moa no azon’i Davida lazaina aminao? Ianao efa mahalala tsara ny mpanomponao,+ ry Jehovah Tompo Fara Tampony ô! 21  Fa noho ny teninao+ sy araka izay sitraky ny fonao+ no nanaovanao izany zavatra lehibe rehetra izany, ka nampahafantarinao ny mpanomponao izany.+ 22  Koa lehibe tokoa ianao,+ ry Jehovah Tompo Fara Tampony ô! Fa tsy misy tahaka anao,+ ary tsy misy Andriamanitra ankoatra anao+ amin’izay rehetra efa renay. 23  Ary firenena iza eto an-tany no tahaka ny Israely olonao,+ izay navotan’Andriamanitra ho olony?+ Nataon’Andriamanitra izany mba hampahalaza ny anarany.+ Nanao zavatra lehibe sy mampahatahotra+ ho azy ireo koa ianao, ka nandroaka an’ireo firenena sy ny andriamanitr’ireny, noho ny amin’ny olonao izay navotanao+ ho anao avy tany Ejipta. 24  Ary efa nampitoerinao ho olonao mandritra ny fotoana tsy voafetra ny Israely olonao.+ Ary ianao, Jehovah ô, no lasa Andriamaniny.”+ 25  “Koa ankehitriny, ry Jehovah Andriamanitra ô, tanteraho mandritra ny fotoana tsy voafetra ny teninao momba ny mpanomponao sy ny taranany. Ary ataovy izay efa nolazainao.+ 26  Aoka ho be voninahitra mandritra ny fotoana tsy voafetra ny anaranao,+ ary aoka ny olona hilaza hoe: ‘I Jehovah Tompon’ny tafika no Andriamanitry ny Israely.’+ Aoka koa ho tafatoetra eo anatrehanao ny taranak’i Davida mpanomponao.+ 27  Fa ianao, ry Jehovah Tompon’ny tafika, Andriamanitry ny Israely, no nanambara tamin’ny mpanomponao hoe: ‘Hanome taranaka ho anao aho.’+ Izany no nahasahian’ny mpanomponao hanao izao vavaka izao aminao.+ 28  Koa ankehitriny, ry Jehovah Tompo Fara Tampony ô, ianao no tena Andriamanitra. Ary aoka ho hita fa marina ny teninao,+ satria ianao mampanantena izany zava-tsoa izany amin’ny mpanomponao.+ 29  Aoka ho sitrakao ny hitahy+ ny taranaky ny mpanomponao, mba haharetany mandritra ny fotoana tsy voafetra eo anatrehanao.+ Fa ianao, ry Jehovah Tompo Fara Tampony ô, no efa nampanantena, ary noho ny fitahianao, dia aoka ny taranaky ny mpanomponao hotahina mandritra ny fotoana tsy voafetra.”+

Fanamarihana

A.b.t.: “hamboly.”