2 Samoela 9:1-13

9  Ary hoy i Davida: “Mbola misy olona anisan’ny taranak’i Saoly ve any ho any, mba hanehoako hatsaram-panahy feno fitiavana,+ noho ny amin’i Jonatana?”+  Ary nanana mpanompo atao hoe Ziba+ ny ankohonan’i Saoly. Koa nantsoina ho any amin’i Davida izy. Ary hoy ny mpanjaka taminy: “Ianao ve no Ziba?” Dia hoy izy: “Mpanomponao aho.”  Ary hoy ny mpanjaka: “Tsy misy taranak’i Saoly intsony ve any, mba hanehoako aminy ny hatsaram-panahy feno fitiavana, toy ilay asehon’Andriamanitra?”+ Dia hoy i Ziba taminy: “Mbola misy zanakalahin’i Jonatana any, ary malemy tongotra izy.”+  Koa hoy ny mpanjaka: “Aiza izy?” Dia hoy i Ziba taminy: “Any an-tranon’i Makira+ zanak’i Amiela any Lo-debara+ izy.”  Koa naniraka olona avy hatrany i Davida Mpanjaka, mba haka azy tany an-tranon’i Makira zanak’i Amiela tany Lo-debara.  Rehefa tonga tao amin’i Davida i Mefiboseta zanak’i Jonatana zanak’i Saoly, dia niondrika ka niankohoka.+ Ary hoy i Davida: “Mefiboseta!” Dia hoy izy: “Intỳ ny mpanomponao.”  Hoy koa i Davida: “Aza matahotra, fa haneho hatsaram-panahy feno fitiavana+ aminao tokoa aho, noho ny amin’i Jonatana rainao.+ Dia haveriko aminao daholo ny tanin’i+ Saoly raibenao, ary hisakafo eo an-databatro foana ianao.”+  Dia niankohoka i Mefiboseta, ka nanao hoe: “Zinona moa ny mpanomponao izay toy ny amboa maty+ no mba jerenao?”  Ary nantsoin’ny mpanjaka i Ziba mpanompon’i Saoly, ka nilazany hoe: “Izay rehetra an’i Saoly sy an’ny ankohonany manontolo, dia omeko+ ho an’ilay zafikelin’ny tomponao. 10  Ary hiasa ny tany ho azy ianao sy ny zanakao lahy ary ny mpanomponao. Hanangona ny vokatra ianao, ary ho sakafon’ny fianakavian’ny zafikelin’ny tomponao izany, ka hihinana izy ireo. Fa i Mefiboseta zafikelin’ny tomponao kosa hisakafo eo an-databatro foana.”+ Ary nanan-janakalahy dimy ambin’ny folo sy mpanompo roapolo i Ziba.+ 11  Koa hoy i Ziba tamin’ny mpanjaka: “Araka izay rehetra nandidian’ny mpanjaka ny mpanompony no hataon’ny mpanomponao. Fa i Mefiboseta+ kosa hisakafo eo an-databatro sahala amin’ny zanaky ny mpanjaka.” 12  Nanana zanakalahy kely i Mefiboseta. Mika+ no anarany. Ary mpanompon’i Mefiboseta daholo izay rehetra nipetraka tao an-tranon’i Ziba. 13  Ary nipetraka tany Jerosalema i Mefiboseta, satria teo an-databatry ny mpanjaka foana izy no nisakafo.+ Ary nalemy ny tongony roa.+

Fanamarihana