Asan’ny Apostoly 1:1-26

1  Ilay fitantarana voalohany nosoratako, ry Teofilo,+ dia momba ny zava-drehetra nataon’i Jesosy sy nampianariny+ hatrany am-piandohana  ka mandra-pahatongan’ny andro nampiakarana azy ho any an-danitra,+ rehefa avy nomeny baiko tamin’ny alalan’ny fanahy masina ireo apostoly nofidiny.+  Niseho tamin’izy ireo koa izy taorian’ny nijaliany, ary porofo maro tsy azo lavina no nentiny naneho tamin’ireo hoe velona izy.+ Koa hitan’izy ireo nandritra ny efapolo andro izy, ary niresaka tamin’izy ireo momba ny fanjakan’Andriamanitra.+  Ary tamin’izy nihaona tamin’ireo, dia nanafatrafatra izy hoe: “Aza miala eto Jerosalema,+ fa andraso foana ilay nampanantenain’ny Ray+ sady efa renareo tamiko.  I Jaona mantsy nanao batisa tamin’ny rano, fa ianareo kosa hatao batisa amin’ny fanahy masina,+ rehefa afaka andro vitsivitsy.”  Ary nony tafangona izy ireo, dia nanontany azy hoe: “Tompo ô, izao ve no ampodianao ny fanjakana+ ho amin’ny Israely?”  Dia hoy izy: “Tsy mila mamantatra ny fotoana na ny vanim-potoana+ ianareo, fa ny Ray irery ihany no manam-pahefana amin’izany.+  Fa hahazo hery+ kosa ianareo rehefa tonga aminareo ny fanahy* masina, ka ho vavolombeloko+ any Jerosalema+ sy eran’i Jodia sy Samaria+ ary any amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany+ ianareo.”  Nony avy nilaza izany izy, dia nakarina+ teo imason’izy ireo. Ary nisy rahona nanarona azy ka tsy hitan’ireo intsony izy.+ 10  Ary raha mbola nibanjina ny lanitra teo ireo, raha iny lasa iny i Jesosy,+ dia indreo nisy roa lahy niakanjo fotsy+ nijoro teo anilan’izy ireo, 11  ka nanao hoe: “Ry lehilahy galilianina, nahoana ianareo no mijoro eto mijery ny lanitra? Iny Jesosy nakarina niala taminareo ho any an-danitra iny, dia ho avy amin’iny fomba iny ihany,+ toy ilay nahitanareo azy niakatra tany an-danitra.” 12  Dia niverina+ tany Jerosalema izy ireo, rehefa avy teo amin’ny Tendrombohitra Oliva. Tsy lavitra an’i Jerosalema izy io, satria lalana indray sabata* ny elanelany.+ 13  Rehefa tonga izy ireo, dia niakatra tao amin’ny efitrano ambony rihana+ izay nipetrahany. Tsy iza izany fa i Petera sy Jaona ary Jakoba sy Andrea, Filipo sy Tomasy, Bartolomeo sy Matio, Jakoba zanak’i Alfeo sy Simona ilay mafana fo ary Jodasy zanak’i Jakoba.+ 14  Dia naharitra nivavaka tao anatin’ny firaisan-tsaina izy rehetra,+ mbamin’ny vehivavy sasany+ sy Maria renin’i Jesosy ary ny rahalahin’i Jesosy.+ 15  Tamin’izany andro izany, rehefa tafavory ny olona roapolo amby zato teo ho eo, dia nitsangana teo afovoan’ireo rahalahy i Petera, ka hoy izy: 16  “Ry rahalahy, tsy maintsy tanteraka ny teny ao amin’ny Soratra Masina,+ izay nolazain’ny fanahy masina+ mialoha tamin’ny alalan’i Davida momba an’i Jodasy,+ ilay nanjary mpitarika ny olona nisambotra an’i Jesosy.+ 17  Anisanay+ mantsy izy taloha ary nandray anjara tamin’izao fanompoana izao koa.+ 18  Ary nividy+ saha tamin’ny vola azony tamin’ny tsy fahamarinana+ izy. Nianjera anefa izy ka ny lohany no lasa aloha.+ Ary vaky ny tao anatiny ka nipoaka, dia nipotsaka daholo ny tsinainy. 19  Fantatry ny mponina rehetra eto Jerosalema koa izany, ka natao hoe Akeldama, izany hoe Sahan-dra, ny anaran’io saha io amin’ny fitenin’izy ireo. 20  Fa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Salamo hoe: ‘Aoka ho foana ny fonenany ka tsy hisy honina intsony’,+ ary ‘Aoka ho lasan’olon-kafa ny andraikitra notanany.’+ 21  Izao àry no ilaina hatao: Amin’ireo lehilahy niaraka taminay foana fony i Jesosy Tompo niditra sy nivoaka teo aminay,+ 22  nanomboka tamin’ny nanaovan’i Jaona batisa azy+ ka hatramin’ny andro nampiakarana azy niala taminay,+ dia tokony hisy anankiray ho tonga vavolombelona miaraka aminay ny amin’ny nitsanganany tamin’ny maty.”+ 23  Koa nanolotra roa lahy izy ireo, dia i Josefa atao hoe Barsabasy, izay atao koa hoe Josto, sy Matia. 24  Ary nivavaka izy ireo hoe: “Jehovah ô, ianao no mahalala ny fon’ny olona rehetra,+ koa asehoy izay nofidinao amin’izy roa lahy ireto, 25  mba hanao izao fanompoana izao sy ho apostoly hisolo an’i Jodasy,+ izay niala mba hankany amin’ny toerany.” 26  Dia nanaovany antsapaka+ izy roa lahy, ka i Matia no voafidy hanampy isa an’ireo apostoly iraika ambin’ny folo.+

Fanamarihana

Gr.: pneoma. Jereo F.F. 3B.
890 m eo ho eo.