Asan’ny Apostoly 10:1-48

10  Nisy lehilahy atao hoe Kornelio tany Kaisaria. Manamboninahitra+ tao amin’ilay nantsoina hoe Andia-miaramila+ Italianina izy.  Mpivavaka be+ sady natahotra+ an’Andriamanitra izy sy ny ankohonany manontolo, ka nanome zavatra be dia be ho fiantrana ny mahantra+ ary nitalaho mandrakariva tamin’Andriamanitra.+  Ary tamin’ny ora fahasivy+ teo ho eo, dia hitany tsara tao amin’ny fahitana+ fa nisy anjelin’Andriamanitra+ nanatona azy ka nilaza hoe: “Ry Kornelio!”  Dia nibanjina azy i Kornelio sady natahotra, ka nanao hoe: “Ahoana izay, Tompo ô?” Dia hoy izy: “Efa niakatra ho fampahatsiahivana eo anatrehan’Andriamanitra ny vavakao+ sy ny fiantranao ny mahantra.  Koa maniraha olona ho any Jopa ka ampanantsoy i Simona, izay atao koa hoe Petera.  Mivahiny ao amin’i Simona mpanao hoditra izy, ary eo amoron-dranomasina ny tranon’izy io.”+  Raha vao lasa ilay anjely niresaka taminy, dia niantso roa lahy tamin’ireo mpiasa tao an-tranony izy, ary koa miaramila mpivavaka be iray, izay samy anisan’ireo mpikarakara azy isan’andro.+  Dia notantarainy tamin’ireo ny zava-drehetra, ary nirahiny ho any Jopa ireo.+  Ny ampitson’iny, raha mbola teny an-dalana izy ireo ka efa nanakaiky an’ilay tanàna, dia niakatra tao an-tampon-trano+ i Petera, tamin’ny ora fahenina* teo ho eo, mba hivavaka.+ 10  Noana be anefa izy ka te hihinan-kanina. Raha mbola nokarakaraina ny sakafo, dia nahita fahitana i Petera.+ 11  Nahita ny lanitra nisokatra+ izy. Ary nisy zavatra nampidinina avy any, toy ny lamba rongony lehibe. Nampidinina tamin’ny zorony efatra ho amin’ny tany ilay izy. 12  Nisy izao karazam-biby rehetra izao tao anatiny, dia biby manan-tongotra efatra sy mandady izay fahita etỳ an-tany, ary koa voro-manidina.+ 13  Ary nisy feo nanao taminy hoe: “Mitsangàna, ry Petera, vonoy ka hano!”+ 14  Hoy anefa i Petera: “Sanatria, Tompo ô! Fa mbola tsy nihinan-javatra maloto sy tsy madio mihitsy aho.”+ 15  Dia hoy indray ilay feo taminy fanindroany: “Aza ataonao intsony hoe maloto+ izay efa nodiovin’Andriamanitra.” 16  Ary nisy fanintelony izany, dia nakarina avy hatrany tany an-danitra ilay izy.+ 17  Ary raha mbola very hevitra mafy ny amin’izay mety ho hevitr’ilay fahitana hitany i Petera, dia indreo fa nanontany ny tranon’i Simona ireo lehilahy nirahin’i Kornelio, ka nijoro teo am-bavahady.+ 18  Dia niantso ireo ka nanontany raha nivahiny tao i Simona, izay atao koa hoe Petera. 19  Raha mbola nieritreritra tsara momba ilay fahitana i Petera, dia hoy ny fanahy masina:+ “Misy telo lahy ireo mitady anao. 20  Mitsangàna ka midìna, ary aza misalasala mihitsy fa mandehana miaraka aminy, satria izaho no naniraka azy.”+ 21  Dia nidina ho any amin’ireo i Petera, ka nanao hoe: “Izaho ilay tadiavinareo. Inona no anton-dianareo?” 22  Hoy ireo: “Misy manamboninahitra atao hoe Kornelio, izay lehilahy marina sy matahotra an’Andriamanitra+ ary tsara laza+ eo amin’ny firenena jiosy manontolo. Nisy anjely masina nirahin’Andriamanitra hilaza taminy mba hampaka anao ho any an-tranony sy hihaino izay holazainao.” 23  Dia nampandrosoin’i Petera ireo ka nivahiny tao aminy. Ny ampitson’iny, dia niainga niaraka tamin’ireo i Petera, ary nisy rahalahy avy any Jopa koa niaraka taminy. 24  Dia niditra tao Kaisaria izy ny ampitso, ary efa niandry azy ireo tokoa i Kornelio ka efa namory ny havany sy ny namany akaiky. 25  Koa niditra i Petera ary nitsena azy i Kornelio, ka niankohoka tamim-panajana teo an-tongony. 26  Fa natsangan’i Petera izy, ka nataony hoe: “Mitsangàna, fa izaho koa ange olona ihany e!”+ 27  Sady niresaka taminy izy no niditra tao an-trano, ka nahita olona maro efa vory tao. 28  Koa hoy izy tamin’ireo: “Fantatrareo tsara fa tsy azon’ny Jiosy atao ny miaraka amin’ny hafa firenena na ny manatona azy.+ Nasehon’Andriamanitra tamiko anefa fa tsy tokony hiantso olona hoe maloto na tsy madio aho.+ 29  Ka dia tonga aho, ary tsy nanda mihitsy rehefa nampanalaina. Koa inona àry no antony nanirahanareo olona haka ahy?” 30  Dia hoy i Kornelio: “Efatra andro lasa izay, tamin’ny ora toy izao indrindra, dia nivavaka tato an-tranoko aho tamin’ny ora fahasivy.+ Ary nisy lehilahy nanao akanjo namirapiratra+ nijoro teo anatrehako, 31  ka nanao hoe: ‘Ry Kornelio! Efa nohenoin’Andriamanitra ny vavakao ary notsarovana teo anatrehany koa ny fiantranao ny mahantra.+ 32  Koa maniraha olona ho any Jopa ka ampanantsoy i Simona, ilay atao koa hoe Petera,+ izay mivahiny ao an-tranon’i Simona mpanao hoditra, eo amoron-dranomasina.’+ 33  Koa avy hatrany dia naniraka olona tany aminao aho, ary soa fa tonga ianao. Koa indreto izahay rehetra eto anatrehan’Andriamanitra mba hihaino izay rehetra nandidian’i Jehovah anao holazaina aminay.”+ 34  Dia niteny i Petera, ka nanao hoe: “Hitako marina izao fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra,+ 35  fa amin’ny firenena rehetra, izay olona matahotra azy ka manao ny marina no ankasitrahany.+ 36  Nandefa hafatra+ tany amin’ny zanak’Israely izy mba hotorina amin’ireo ilay vaovao tsaran’ny fihavanana+ amin’ny alalan’i Jesosy Kristy hoe: Izy no Tompon’ny olon-drehetra.+ 37  Fantatrareo fa taorian’ny batisa notorin’i Jaona, dia ambentin-dresaky ny olona eran’i Jodia manontolo, nanomboka tany Galilia,+ 38  ny amin’i Jesosy avy any Nazareta, izay nohosoran’Andriamanitra tamin’ny fanahy masina+ sy ny hery. Ary nandeha hatraiza hatraiza izy ka nanao soa sy nanasitrana an’izay rehetra nampahorin’ny Devoly,+ satria nomba azy Andriamanitra.+ 39  Ary vavolombelon’ny zava-drehetra nataony tany amin’ny tanin’ny Jiosy sy tany Jerosalema izahay. Novonoin’izy ireo anefa izy ka nahantony teo amin’ny tsato-kazo.+ 40  Fa Andriamanitra nanangana azy tamin’ny andro fahatelo, ka namela azy hiseho tamin’olona.+ 41  Tsy tamin’ny olon-drehetra anefa no nisehoany, fa tamin’ny vavolombelona notendren’Andriamanitra+ mialoha, izany hoe taminay izay niara-nihinana sy nisotro taminy+ taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty. 42  Ary nandidy anay hitory+ amin’ny olona koa izy, ka hanazava tsara* fa izy no notendren’Andriamanitra hitsara ny velona sy ny maty.+ 43  Izy no nambaran’ny mpaminany rehetra+ hoe izay mino azy dia mahazo famelan-keloka amin’ny anarany.”+ 44  Raha mbola nilaza izany i Petera, dia nilatsaka tamin’izay rehetra nihaino ny teny ny fanahy masina.+ 45  Dia gaga ireo olona tsy mivadika anisan’ny voafora izay niaraka tamin’i Petera, satria nilatsaka tamin’ny hafa firenena koa ny fanomezana maimaim-poana, dia ny fanahy masina.+ 46  Fa nandre an’ireo niteny tamin’ny fiteny samihafa sy nankalaza an’Andriamanitra+ izy ireo. Dia hoy i Petera: 47  “Nandray ny fanahy masina tahaka antsika koa ireto olona ireto, koa misy aminareo ve afaka misakana azy tsy hatao batisa amin’ny rano?”+ 48  Koa nandidy ny hanaovana batisa azy ireo tamin’ny anaran’i Jesosy Kristy+ izy. Dia nangataka an’i Petera hijanona andro vitsivitsy tany izy ireo.

Fanamarihana

Tamin’ny 12 antoandro.
Na: “hitory amin’ny fomba feno.”