Asan’ny Apostoly 11:1-30

11  Ren’ny apostoly sy ny rahalahy tany Jodia fa nandray ny tenin’Andriamanitra koa ireo hafa firenena.+  Koa rehefa niakatra tany Jerosalema i Petera, dia nifanditra taminy ireo mpomba ny famorana,+  izay nilaza fa niantrano tao amin’ny tsy mifora izy sady niara-nisakafo taminy.  Dia nanomboka nanazava tamin’ny an-tsipiriany i Petera, ka nanao hoe:  “Nivavaka tao an-tanànan’i Jopa aho ary nahita fahitana. Nisy zavatra nampidinina avy any an-danitra. Toy ny lamba rongony lehibe nampidinina tamin’ny zorony efatra ilay izy, ka tonga teo amiko.  Nibanjina ny tao anatiny aho, ary nandinika ka nahita an’ireo biby manan-tongotra efatra fahita etỳ an-tany, sy bibidia ary biby mandady mbamin’ny voro-manidina.+  Dia reko koa nisy feo nanao tamiko hoe: ‘Mitsangàna, ry Petera, vonoy ka hano!’+  Fa hoy aho: ‘Sanatria, Tompo ô! Fa mbola tsy niditra ny vavako mihitsy izay zavatra maloto na tsy madio.’+  Dia namaly fanindroany ilay feo avy any an-danitra hoe: ‘Aza ataonao intsony hoe maloto izay efa nodiovin’Andriamanitra.’+ 10  Ary nisy fanintelony izany, dia nosintonina niakatra tany an-danitra indray ny zava-drehetra.+ 11  Tamin’izay indrindra no nisy telo lahy tonga teo amin’ilay trano nipetrahanay. Nirahina avy any Kaisaria izy ireo ho any amiko.+ 12  Dia nilaza tamiko ny fanahy masina+ mba hiaraka tamin’izy ireo ka tsy hisalasala mihitsy. Ary niaraka tamiko koa ireto rahalahy enina ireto, ka niditra tao an-tranon-dralehilahy izahay.+ 13  “Nolazainy taminay ny nahitany anjely nijoro tao an-tranony, izay nanao hoe: ‘Maniraha olona ho any Jopa, ka ampanantsoy i Simona, izay atao koa hoe Petera,+ 14  fa holazainy aminao izay hahavoavonjy+ anao sy ny ankohonanao manontolo.’ 15  Vao nanomboka niteny anefa aho, dia nilatsaka tamin’izy ireo ny fanahy masina, toy ny nilatsahany tamintsika tamin’ny voalohany.+ 16  Tamin’izay dia tsaroako ny tenin’ny Tompo, izay nilaza matetika hoe: ‘Jaona nanao batisa tamin’ny rano,+ fa ianareo kosa hatao batisa amin’ny fanahy masina.’+ 17  Ary raha ireo koa aza nomen’Andriamanitra fanomezana maimaim-poana, toy ny nataony tamintsika izay nino an’i Jesosy Kristy Tompo,+ iza moa aho no hahasakana an’Andriamanitra?”+ 18  Rehefa nandre izany izy ireo, dia nanaiky+ ka nanome voninahitra an’Andriamanitra+ hoe: “Nataon’Andriamanitra tokoa izay hahafahan’ny hafa firenena hibebaka, mba hahazoan’izy ireo fiainana!”+ 19  Tonga hatrany Fenisia+ sy Sipra+ ary Antiokia ireo mpianatra niparitaka+ vokatr’ilay fanenjehana taorian’ny namonoana an’i Stefana. Tsy nitory ny teny afa-tsy tamin’ny Jiosy anefa izy ireo.+ 20  Ary nisy tamin’izy ireo avy any Sipra sy Kyrena izay tonga tany Antiokia. Niresaka tamin’ny olona miteny grika+ izy ireo, ka nitory ny vaovao tsara momba an’i Jesosy Tompo.+ 21  Dia nomba azy ireo ny tanan’i Jehovah.+ Ary olona maro be tonga mpino no niova sy nanaiky ny Tompo.+ 22  Tonga tany an-tsofin’ny fiangonana tany Jerosalema ny fitantarana momba azy ireo, ka nirahin’ny fiangonana handeha hatrany Antiokia i Barnabasy.+ 23  Faly+ i Barnabasy rehefa tonga tany sy rehefa nahita fa naneho hatsaram-panahy tsy manam-paharoa+ Andriamanitra. Dia nampahery ny rehetra izy mba hifikitra foana amin’ny Tompo amin’ny fony manontolo.+ 24  Fa lehilahy tsara fanahy sy feno fanahy masina ary be finoana izy. Koa olona maro be no nanampy isa ny vahoakan’ny Tompo.+ 25  Dia nankany Tarsosy+ izy mba hitady mafy an’i Saoly.+ 26  Rehefa hitany i Saoly, dia nentiny tany Antiokia. Koa niara-nivory tamin’ny fiangonana tany izy roa lahy ary nampianatra olona maro be, nandritra ny herintaona naninjitra. Tany Antiokia no niantsoana voalohany ny mpianatra hoe Kristianina,+ noho ny fitondran’Andriamanitra. 27  Tamin’izany andro izany, dia nisy mpaminany+ nidina avy any Jerosalema nankany Antiokia. 28  Anisan’ireny ilay antsoina hoe Agabo,+ izay notarihin’ny fanahy hilaza fa tsy ho ela dia hisy mosary lehibe hanerana ny tany onenana.+ Dia nitranga tamin’ny andron’i Klaodio tokoa izany. 29  Koa tapa-kevitra ny mpianatra fa samy handefa fanampiana+ araka izay vitany,+ ho an’ireo rahalahy nonina tany Jodia. 30  Dia nataony tokoa izany, ka nampitondrainy an’i Barnabasy sy Saoly,+ ho any amin’ny anti-panahy.

Fanamarihana