Asan’ny Apostoly 12:1-25

12  Tokotokony ho tamin’izay fotoana izay, dia nanao zavatra i Heroda Mpanjaka mba hampahoriana+ ny sasany tamin’izay anisan’ny fiangonana.  Koa novonoiny tamin’ny sabatra+ i Jakoba, rahalahin’i Jaona.+  Dia hitany fa nahafaly ny Jiosy+ izany, ka nosamboriny koa i Petera. Andro fihinanana ny mofo tsy misy lalivay tamin’izay.+  Rehefa voasambotra i Petera, dia nataony am-ponja+ ka natolony mba hambenan’ny antoko-miaramila efatra nifandimby, izay nisy miaramila efatra avy. Nikasa hampiseho azy tamin’ny vahoaka mantsy izy taorian’ny Paska.+  Koa notanana am-ponja i Petera, fa ny fiangonana kosa naharitra nivavaka+ mafy tamin’Andriamanitra ho azy.  Ny alina talohan’ny hampisehoan’i Heroda azy, dia natory teo anelanelan’ny miaramila roa i Petera, voafatotra rojo vy roa. Ary nisy mpiambina koa teo anoloan’ny varavarana, niambina ny fonja.  Ary io fa nijoro teo anilany ny anjelin’i Jehovah,+ ary nisy hazavana namirapiratra tao amin’ilay efitra figadrana. Dia nandona an’i Petera teo amin’ny tehezany izy ka namoha azy,+ sady nanao hoe: “Mitsangàna haingana!” Ary latsaka+ niala tamin’ny tanany ny rojo vy.  Dia hoy ilay anjely+ taminy: “Misikìna ary afatory ny kapanao.” Koa nataony izany. Farany, dia hoy ilay anjely: “Anaovy ny akanjonao ivelany,+ ary araho aho.”  Ary nivoaka nanaraka an’ilay anjely i Petera, nefa tsy fantany hoe tena izy ny zavatra nataon’ilay anjely, fa noheveriny hoe nahita fahitana+ izy. 10  Nandalo an’ireo mpiambina voalohany izy ireo, ary avy eo ny faharoa, ka tonga teo amin’ilay vavahady vy mankao an-tanàna. Dia nisokatra ho azy ilay vavahady+ mba handehanany. Rehefa tafavoaka izy ireo ka niroso nankamin’ny lalana iray, dia nandao azy avy hatrany ilay anjely. 11  Ary hoy i Petera, rehefa tonga saina tsara: “Fantatro marina izao fa naniraka ny anjeliny i Jehovah,+ mba hanafaka+ ahy tamin’ny tanan’i Heroda sy tamin’izay rehetra efa nantenain’ny Jiosy hanjo ahy.” 12  Rehefa nieritreritra momba izay nitranga izy, dia nankany an-tranon’i Maria, renin’i Jaona, izay atao koa hoe Marka.+ Ary nisy olona maro nivory sy nivavaka tao. 13  Dia nandondòna teo am-bavahady izy, ka tonga ilay mpanompovavy atao hoe Roda. 14  Raha vao fantany ny feon’i Petera, dia tsy namoha ny vavahady izy noho ny hafaliany fa nihazakazaka niditra kosa, ka nilaza fa mijoro ao am-bavahady i Petera. 15  Ary hoy ny olona taminy: “Lasa adala ianao.” Fa mbola nanizingizina ihany izy fa tena ao tokoa izy. Dia hoy ireo: “Anjelin’i Petera izany.”+ 16  Fa mbola nandondòna tao foana i Petera, ka rehefa nanokatra izy ireo, dia nahita azy ka gaga. 17  Fa nanao fihetsika tamin’ny tanany+ izy mba hampangina azy ireo, ary nitantara tamin’ny an-tsipiriany ny namoahan’i Jehovah azy avy tao am-ponja. Ary hoy izy: “Lazao amin’i Jakoba+ sy ny rahalahy izany.” Dia nivoaka nankany an-toeran-kafa izy. 18  Rehefa maraina ny andro,+ dia nisomaritaka be ihany ny miaramila izay samy nanontany tena hoe nankaiza i Petera. 19  Nikaroka azy hatraiza hatraiza i Heroda,+ fa tsy nahita. Dia nofotopotorany ireo mpiambina, ary nasainy nentina hosazina.+ Ary niala tany Jodia i Heroda ka nidina tany Kaisaria, ary nijanona kelikely tany. 20  Tezitra tamin’ny mponin’i Tyro sy Sidona i Heroda. Koa nifanara-kevitra ho any aminy ireo, ka nitady fihavanana taminy, rehefa avy nandresy lahatra an’i Blasto, izay niandraikitra ny efitra fatorian’ny mpanjaka. Ny firenen’ny mpanjaka mantsy no namatsy hanina+ ny firenen’izy ireo. 21  Tamin’ny andro voatondro àry, dia nanao akanjona mpanjaka i Heroda ka nipetraka teo amin’ny toeram-pitsarana ary nikabary tamin’ny vahoaka. 22  Dia niantsoantso mafy ireo vahoaka tafavory hoe: “Feon’andriamanitra izany, fa tsy feon’olona!”+ 23  Ary teo no ho eo ihany, dia namely an’i Heroda ny anjelin’i Jehovah,+ satria tsy nanome voninahitra an’Andriamanitra izy.+ Ary lanin’ny kankana izy, ka tapitra ny ainy. 24  Fa niroborobo sy niely+ hatrany kosa ny tenin’i+ Jehovah. 25  Rehefa vitan’i Barnabasy+ sy Saoly ny fizarana fanampiana+ tany Jerosalema, dia niverina izy roa lahy ka nentiny niaraka taminy i Jaona,+ ilay atao koa hoe Marka.

Fanamarihana