Asan’ny Apostoly 13:1-52

13  Nisy an’ireto mpaminany+ sy mpampianatra ireto teo anivon’ny fiangonana tany Antiokia: I Barnabasy, sy Simeona izay atao hoe Nigera, sy Losio+ avy any Kyrena, sy Menahema izay niara-nianatra tamin’i Heroda lehibem-paritra, ary Saoly.  Raha mbola teo am-panompoana+ an’i Jehovah izy ireo ho fanasoavana ny besinimaro sady mbola nifady hanina, dia hoy ny fanahy masina: “Amin’ny olona rehetra dia i Barnabasy sy Saoly+ no atokàny ho ahy mba hanao ny asa niantsoako azy.”  Dia nifady hanina sy nivavaka izy ireo ka nametra-tanana+ tamin’izy roa lahy, ary nandefa azy.  Koa rehefa nirahin’ny fanahy masina izy roa lahy, dia nidina tany Seleokia, ary avy any izy no nandeha sambo nankany Sipra.  Ary tonga tany Salamisy izy ireo ka nitory ny tenin’Andriamanitra tao amin’ny synagogan’ny Jiosy. Niaraka tamin’izy roa lahy koa i Jaona+ mba hanampy azy.  Dia namakivaky ilay nosy manontolo izy ireo ka tonga hatrany Pafo, ary tojo lehilahy jiosy antsoina hoe Barjesosy, izay mpilalao ody sady mpaminany sandoka.+  Niaraka tamin’i Sergio Paolo governoram-paritra izy io. Ary lehilahy nahira-tsaina i Sergio Paolo. Dia nantsoin’io governora io i Barnabasy sy Saoly fa naniry mafy handre ny tenin’Andriamanitra izy.  Nanohitra azy roa lahy+ anefa i Elyma mpilalao ody—izany no anarany raha adika—ka nitady hisakana an’ilay governoram-paritra tsy hanaiky ny finoana.  Ary nanjary feno fanahy masina i Saoly, izay atao koa hoe Paoly, ka nibanjina azy 10  ary nanao hoe: “Ry lehilahy feno an’izao karazam-pitaka sy faharatsiana rehetra izao, sady zanaky ny Devoly+ no fahavalon’ny fahamarinana rehetra! Tsy hitsahatra hanolana ny lala-mahitsin’i Jehovah mihitsy ve ianao? 11  Koa hamely anao ny tanan’i Jehovah ka ho jamba ianao, ary hisy fe-potoana tsy hahitanao ny hazavan’ny masoandro.” Teo no ho eo ihany, dia nisy zavona matevina sy haizina nanarona azy ka nihodinkodina nitady olona hitantana azy izy.+ 12  Rehefa nahita izany ilay governoram-paritra,+ dia nino satria talanjona tamin’ny fampianaran’i Jehovah. 13  Ary niondrana an-tsambo avy tao Pafo i Paoly sy ireo namany, ka tonga tany Perga any Pamfylia.+ Nandao azy ireo anefa i Jaona,+ ka niverina+ tany Jerosalema. 14  Fa izy ireo kosa nanohy ny diany, ka niala tao Perga dia tonga tany Antiokia, any Pisidia. Koa niditra tao amin’ny synagoga+ izy ireo tamin’ny sabata ka naka toerana. 15  Rehefa voavaky teo anatrehan’ny rehetra ny Lalàna+ sy ny Mpaminany, dia nampitondra teny ho azy roa lahy ny mpitantana ny synagoga+ hoe: “Ry rahalahy, raha manana teny hampaherezana ny olona ianareo, dia mitenena!” 16  Dia nitsangana i Paoly, ary nanao fihetsika tamin’ny tanany+ mba hampanginana ny olona, ka niteny hoe: “Ry Israelita sy ianareo matahotra an’Andriamanitra, mihainoa!+ 17  Nifidy ny razantsika ny Andriamanitr’ity vahoakan’Israely ity, ka nanandratra azy fony izy ireo nivahiny tany Ejipta, ary namoaka azy avy tany, tamin-kery* lehibe.+ 18  Dia niaritra ny nataon’izy ireo tany an-tany efitra izy nandritra ny efapolo taona+ teo ho eo. 19  Ary nizara ny tany Kanana tamin’ny alalan’ny antsapaka izy, rehefa avy nandringana firenena fito tao amin’io tany io.+ 20  Naharitra dimampolo sy efajato taona teo ho eo izany rehetra izany. “Ary nanaraka izany, dia nomeny mpitsara izy ireo, hatreo amin’i Samoela mpaminany.+ 21  Nitaky ny hanana mpanjaka+ anefa izy ireo taorian’izay. Koa nomen’Andriamanitra azy nandritra ny efapolo taona i Saoly zanak’i Kisy, lehilahy avy tamin’ny fokon’i Benjamina.+ 22  Ary rehefa nesoriny i Saoly,+ dia notendreny ho mpanjakan’izy ireo i Davida.+ Izao no nambarany momba an’io Davida io: ‘Nahita an’i Davida zanak’i Jese aho.+ Lehilahy sitraky ny foko+ izy, ary hanao izay iriko rehetra.’+ 23  Araka ny efa nampanantenain’Andriamanitra, dia avy tamin’ny taranak’i+ Davida no nanomezany mpamonjy+ ho an’ny Israely, dia i Jesosy. 24  Nanao izany Andriamanitra taorian’ny nitorian’i Jaona+ ampahibemaso tamin’ny vahoakan’Israely manontolo. Nitory momba ny batisa mariky ny fibebahana tokoa izy talohan’ny nahatongavan’i Jesosy.+ 25  Rehefa nanatontosa ny asa nanendrena azy i Jaona, dia nanao hoe: ‘Ataonareo ho iza moa aho? Tsy izy aho. Fa misy anankiray ho tonga aoriako ary tsy mendrika akory hamaha ny kapa amin’ny tongony aho.’+ 26  “Ry rahalahy, eny, ianareo zanaky ny taranak’i Abrahama sy ireo matahotra an’Andriamanitra eo aminareo, ho antsika no nandefasana izany hafatra momba ny famonjena izany.+ 27  Tsy nahalala azy ny mponin’i Jerosalema sy ny mpitondra teo aminy.+ Rehefa nitsara anefa izy ireo dia nanatanteraka izay nolazain’ireo Mpaminany,+ dia izay vakina mafy isan-tsabata. 28  Ary nangataka tamin’i Pilato ny hamonoana azy ho faty izy ireo,+ na dia tsy nahita antony tokony hamonoana azy aza.+ 29  Rehefa notanterahin’izy ireo daholo izay rehetra voasoratra momba azy,+ dia nampidinina avy teo amin’ny tsato-kazo izy,+ ary nalevina tao am-pasana.+ 30  Fa Andriamanitra kosa nanangana azy tamin’ny maty.+ 31  Koa nandritra ny andro maro, dia niseho tamin’ny olona niara-niakatra taminy avy any Galilia ho any Jerosalema izy. Ary vavolombelony eo anatrehan’ny olona izy ireny ankehitriny.+ 32  “Koa mitory aminareo ny vaovao tsara momba ilay fampanantenana natao tamin’ny razantsika izahay,+ 33  dia ny hoe notanterahin’Andriamanitra tamintsika taranany izany fampanantenana izany, tamin’ny nananganany an’i Jesosy tamin’ny maty,+ araka ny voasoratra ao amin’ny salamo faharoa hoe: ‘Ianao no zanako, ary izaho efa tonga Rainao androany.’+ 34  Ary izao no fomba nilazany ny nananganany azy tamin’ny maty mba tsy ho lo intsony: ‘Hanehoako hatsaram-panahy feno fitiavana ianareo, dia ilay hatsaram-panahy azo itokisana izay nasehoko tamin’i Davida.’+ 35  Hoy koa izy ao amin’ny salamo hafa: ‘Tsy havelanao ho lo ilay mpanomponao tsy mivadika.’+ 36  Nanatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra efa voambara mazava mantsy i Davida,+ teo anivon’ny mpiara-belona taminy. Ary nodimandry* izy ka nalevina any amin’ny razany, dia lo.+ 37  Fa ilay natsangan’Andriamanitra kosa tsy lo.+ 38  “Koa aoka ho fantatrareo, ry rahalahy, fa famelan-keloka amin’ny alalany no torina aminareo,+ 39  ary ambara ho tsy manan-tsiny amin’ny alalany izay rehetra mino, eny, ambara ho tsy manan-tsiny amin’ny zava-drehetra tsy azon’ny lalàn’i Mosesy+ nanambarana anareo ho tsy manan-tsiny.+ 40  Koa tandremo sao ho tonga aminareo ny voalaza ao amin’ny Mpaminany hoe: 41  ‘Jereo izany, ry mpaniratsira, ary aoka ianareo ho gaga amin’izany ka ho levona, satria manao zavatra aho amin’izao andronareo izao, dia zavatra izay tsy hinoanareo mihitsy, na dia misy mitantara aminareo amin’ny an-tsipiriany aza.’”+ 42  Rehefa nivoaka avy tao amin’ny synagoga izy roa lahy, dia niangavian’ny olona mba hiresaka izany indray amin’izy ireo, ny sabata manaraka.+ 43  Koa rehefa nirava ny fivoriana tao amin’ny synagoga, dia maro no nanaraka an’i Paoly sy Barnabasy, na Jiosy izany na ireo niova ho amin’ny fivavahana jiosy izay nanompo an’Andriamanitra.+ Ary niresaka tamin’ireo izy roa lahy, ka nampirisika+ an’ireo mba ho mendrika foana an’ilay hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra.+ 44  Saiky ny rehetra tao an-tanàna no nivory mba hihaino ny tenin’i Jehovah ny sabata nanaraka.+ 45  Rehefa hitan’ny Jiosy ny vahoaka, dia velom-pialonana+ izy ireo, ka notoheriny sy notevatevainy ny zavatra nolazain’i Paoly.+ 46  Fa niteny tamim-pahasahiana i Paoly sy Barnabasy hoe: “Tsy maintsy notorina taminareo aloha ny tenin’Andriamanitra.+ Koa satria lavinareo+ izany ka mihevitra ny tenanareo ho tsy mendrika ny fiainana mandrakizay ianareo, dia hitodi-doha ho any amin’ny hafa firenena izahay.+ 47  Fa nandidy anay tamin’izao teny izao i Jehovah: ‘Notendreko ho fahazavan’ny hafa firenena ianao,+ mba hamonjena ny olona hatrany amin’ny faran’ny tany.’”+ 48  Faly ny hafa firenena rehefa nandre izany, ka nanome voninahitra ny tenin’i Jehovah.+ Ary izay nanana toe-po tsara mba hahazoana fiainana mandrakizay dia tonga mpino.+ 49  Dia naely tsy an-kijanona eran’ilay tany ny tenin’i Jehovah.+ 50  Fa nampirisihin’ny Jiosy+ ny vehivavy nanan-kaja izay mpivavaka tamin’Andriamanitra, mbamin’ireo lohandohany tao an-tanàna, ka nahatonga fanenjehana+ an’i Paoly sy Barnabasy ireo, sady nandroaka azy roa lahy tany ivelan’ny tanànany. 51  Fa nanintsana ny vovoka tamin’ny tongony kosa izy roa lahy mba hanamelohana azy ireo,+ dia lasa nankany Ikonioma. 52  Ary feno fifaliana+ sy fanahy masina hatrany ireo mpianatra.

Fanamarihana

A.b.t.: “tamin’ny sandry natsangana.”
A.b.t.: “natory (ao amin’ny fahafatesana).”