Asan’ny Apostoly 15:1-41

15  Fa nisy olona nidina avy any Jodia+ ary nampianatra ny rahalahy hoe: “Tsy ho voavonjy ianareo, raha tsy forana+ araka ny fanaon’i Mosesy.”+  Ary nifanditra sy niady hevitra be tamin’izy ireo i Paoly sy Barnabasy. Koa notendren’izy ireo izy roa lahy mbamin’ny sasany taminy, mba hiakatra ho any amin’ny apostoly sy ny anti-panahy tany Jerosalema,+ hitondra ilay adihevitra.  Koa naterin’ny fiangonana teny antenatenan-dalana+ ireo lehilahy ireo. Dia nanohy ny diany namakivaky an’i Fenisia sy Samaria izy ireo, sady nitantara tamin’ny an-tsipiriany ny nitodihan’ny hafa firenena tamin’Andriamanitra,+ ka faly dia faly ny rahalahy rehetra.+  Rehefa tonga tany Jerosalema izy ireo, dia nandray+ tsara azy ny fiangonana sy ny apostoly ary ny anti-panahy. Dia notantarain’izy ireo indray ny zavatra maro nataon’Andriamanitra tamin’ny alalan’izy ireo.+  Fa nitsangana kosa ny sasany tamin’ireo mpino izay efa tao amin’ny sektan’ny Fariseo, ka nanao hoe: “Tokony hoforana ireny+ ary hasaina hitandrina ny lalàn’i Mosesy.”+  Dia nivory ny apostoly sy ny anti-panahy mba handinika ilay raharaha.+  Nisy adihevitra+ be tamin’izay, ka nitsangana i Petera ary nilaza tamin’izy ireo hoe: “Ry rahalahy, fantatrareo tsara fa efa hatrany am-piandohana Andriamanitra no nifidy ahy teo aminareo, mba ho avy amin’ny vavako no handrenesan’ny hafa firenena ny tenin’ny vaovao tsara, ka hinoany.+  Ary Andriamanitra izay mahalala ny fo+ no nanome porofo ny amin’izany ka nandatsaka ny fanahy masina tamin’izy ireo,+ toy ny nataony tamintsika koa.  Ary tsy nasiany fahasamihafana mihitsy isika sy izy ireo,+ fa nodioviny tamin’ny finoana koa ny fon’ireo.+ 10  Koa nahoana ianareo no mitsapa toetra an’Andriamanitra, ka terenareo hasiana zioga+ ny vozon’ny mpianatra nefa samy tsy nahazaka izany na ny razantsika na isika?+ 11  Matoky anefa isika fa hovonjena amin’ny alalan’ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’i+ Jesosy Tompo, tahaka ireny olona ireny koa.”+ 12  Dia nangina ny rehetra ka nihaino an’i Barnabasy sy Paoly, izay nitantara ny famantarana sy ny zava-mahagaga maro nasehon’Andriamanitra, tamin’ny alalan’izy roa lahy, teo amin’ny hafa firenena.+ 13  Rehefa tapitra ny tenin’izy roa lahy, dia hoy ny navalin’i Jakoba: “Mba henoy aho, ry rahalahy.+ 14  Efa notantarain’i Simeona*+ tamin’ny an-tsipiriany ny nanombohan’Andriamanitra nihevitra ny hafa firenena mba hangalany olona avy amin’ireo mba hitondra ny anarany.+ 15  Ary mifanaraka amin’izany ny tenin’ny Mpaminany, araka ny voasoratra hoe: 16  ‘Aorian’izany, dia hiverina aho ka hanorina indray ny trano rantsankazon’i Davida izay efa nirodana. Ary haoriko indray ny sisa tsy rava taminy ka hatsangako,+ 17  mba hitady mafy an’i Jehovah ny olona sisa, miaraka amin’ireo avy amin’ny firenena rehetra, izany hoe ireo olona antsoina amin’ny anarako, hoy i Jehovah, izay hanao izany zavatra izany,+ 18  dia zavatra efa fantatra hatry ny ela.’+ 19  Koa izao no hevitro: Tsy mety ny manome fahasahiranana an’ireo hafa firenena izay mitodika amin’Andriamanitra,+ 20  fa aoka hanoratra ho azy ireo isika mba hifadiany ny zavatra voaloton’ny sampy,+ sy hifadiany ny fijangajangana+ sy ny biby nokendaina+ ary ny ra.+ 21  Efa hatramin’ny ela be mantsy i Mosesy no nanana olona isan-tanàna nitory momba azy, satria novakina mafy tao amin’ny synagoga isan-tsabata izay nosoratany.”+ 22  Dia sitraky ny apostoly sy ny anti-panahy mbamin’ny fiangonana iray manontolo ny haniraka an’izay olona voafidy eo amin’izy ireo mba hiaraka amin’i Paoly sy Barnabasy hankany Antiokia, dia i Jodasy izay atao hoe Barsabasy,+ sy Silasy, izay samy nitana andraikitra lehibe teo anivon’ny rahalahy. 23  Ary izao no nosoratan’ny tanan’izy ireo: “Izahay rahalahinareo, dia ny apostoly sy ny anti-panahy, miarahaba ny rahalahy hafa firenena any Antiokia+ sy Syria ary Kilikia.+ 24  Renay fa nisy taminay nilaza zavatra nampikorontan-tsaina anareo,+ ka nitady hanimba anareo, nefa tsy nasainay nanao izany.+ 25  Koa nifanara-kevitra izahay rehetra+ ka sitrakay ny nifidy olona hirahina ho atỳ aminareo hampiarahina amin’ireo rahalahy malalantsika, dia i Barnabasy sy Paoly,+ 26  izay lehilahy efa nanao vivery ny ainy ho an’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompontsika.+ 27  Koa maniraka an’i Jodasy sy Silasy izahay+ mba hilaza izany am-bava koa.+ 28  Fa sitraky ny fanahy masina+ sy izahay ny tsy hanampy enta-mavesatra+ anareo, afa-tsy ireto zavatra tsy maintsy hotandremana ireto: 29  Ny mifady ny zavatra natao sorona ho an’ny sampy,+ sy ny ra+ sy ny biby nokendaina+ ary ny fijangajangana.+ Hahasoa anareo ny mitandrina tsara ireo zavatra ireo.+ Mirary soa ho anareo izahay!” 30  Koa nalefa ireo lehilahy ireo ka nidina tany Antiokia, ary namory mpianatra maro sady nanolotra an’ilay taratasy.+ 31  Rehefa voavakin’ireo mpianatra ilay izy, dia faly izy ireo noho ilay fampaherezana.+ 32  Ary satria mpaminany+ koa i Jodasy sy Silasy, dia nampahery an’ireo rahalahy tamin’ny lahateny maro, sady nanatanjaka azy.+ 33  Koa nijanona kelikely tao izy roa lahy, ary avy eo dia navelan’ireo rahalahy handeha soa aman-tsara+ ho any amin’izay naniraka azy. 34 * —— 35  Fa mbola nijanona nampianatra tany Antiokia+ kosa i Paoly sy Barnabasy, ary nitory ny vaovao tsara momba ny tenin’i Jehovah+ niaraka tamin’ny olon-kafa maro. 36  Rehefa afaka andro vitsivitsy, dia hoy i Paoly tamin’i Barnabasy: “Andao aloha isika hiverina hitsidika ireo rahalahy any amin’ny tanàna tsirairay nitoriantsika ny tenin’i Jehovah, mba hahitantsika hoe manao ahoana izy ireo izay.”+ 37  I Barnabasy kosa efa tapa-kevitra ny hitondra an’i Jaona, izay atao koa hoe Marka.+ 38  Fa i Paoly kosa nihevitra fa tsy tokony hoentina i Marka, satria nandao azy roa lahy tany Pamfylia izy,+ ka tsy niaraka tamin’izy ireo hanao ilay asa. 39  Koa samy nisafoaka mafy izy roa lahy ka nisaraka. I Barnabasy+ nitondra an’i Marka ka nandeha an-tsambo ho any Sipra.+ 40  I Paoly kosa nifidy an’i Silasy+ ka lasa, rehefa avy nankinin’ireo rahalahy tamin’ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’i Jehovah.+ 41  Ary namakivaky an’i Syria sy Kilikia izy, ka nanatanjaka ny fiangonana+ tany.

Fanamarihana

Anarana hafa iantsoana an’i Simona (Petera).
Jereo Mt 17:21 f.a.p.