Asan’ny Apostoly 16:1-40

16  Dia tonga tany Derbe sy Lystra+ koa izy. Ary nisy mpianatra atao hoe Timoty+ tao, izay zanaky ny vehivavy jiosy mpino, fa Grika kosa ny rainy.  Tsara laza teo amin’ireo rahalahy tany Lystra sy Ikonioma izy.  Naniry hitondra an’io lehilahy io hiaraka taminy i Paoly, ka naka azy ary namora+ azy noho ny amin’ny Jiosy tany amin’ireo toerana ireo. Fantatr’izy rehetra mantsy fa Grika ny rainy.  Dia nandeha nitety tanàna izy ireo ka nampita an’ilay didy navoakan’ny apostoly sy ny anti-panahy tany Jerosalema mba hotandreman’ny olona.+  Koa nihanatanjaka ny finoan’ireo fiangonana+ ary nihamaro isan’andro ireo olona teo anivony.  Dia nandeha nitety an’i Frijia sy ny faritr’i Galatia+ koa izy ireo, satria tsy navelan’ny fanahy masina hitory ny teny tany amin’ny faritr’i Azia.  Rehefa nidina tany Mysia izy ireo, dia niezaka hankany Bitynia,+ kanefa tsy navelan’ny fanahin’i Jesosy.  Dia nolalovany fotsiny i Mysia, ka nidina nankany Troasy+ izy ireo.  Ary nisy fahitana+ hitan’i Paoly tamin’ny alina, dia lehilahy makedonianina anankiray nijoro ka niangavy azy hoe: “Miampità mankatỳ Makedonia ka ampio izahay.” 10  Raha vao nahita ilay fahitana i Paoly, dia nitady fomba handehanana tany Makedonia+ izahay, satria nieritreritra izahay fa Andriamanitra no nampiantso anay mba hitory ny vaovao tsara tamin’izy ireo. 11  Dia niondrana an-tsambo avy tao Troasy izahay ka nanitsy nankany Samotrakia, fa nankany Neapolia kosa ny ampitso. 12  Avy tao izahay dia nankany Filipy,+ izay zanatany sady tanàn-dehibe tany amin’ny faritr’i Makedonia.+ Nijanona andro vitsivitsy tao amin’io tanàna io izahay. 13  Nivoaka ny vavahady izahay tamin’ny andro sabata, ary nankeo amoron’ny renirano satria nihevitra izahay fa nisy toerana fivavahana teo. Dia nipetraka izahay ka nitory tamin’ny vehivavy nivory teo. 14  Ary nihaino anay ny vehivavy atao hoe Lydia, mpivarotra lamba volomparasy.* Avy ao amin’ny tanànan’i Tyatira+ izy sady mpivavaka tamin’Andriamanitra. Dia nanokatra tanteraka ny fony+ i Jehovah mba handraisany tsara ny teny notorin’i Paoly. 15  Koa rehefa vita batisa izy sy ny ankohonany,+ dia niangavy izy hoe: “Raha heverinareo fa mendri-pitokisana eo anatrehan’i Jehovah aho, dia mba midira ao an-tranoko ka mijanòna ao.”+ Ary tsy namelany izahay raha tsy tonga.+ 16  Indray andro, raha nankany amin’ilay toerana fivavahana izahay, dia nifanena taminay ny mpanompovavy anankiray nisy fanahy ratsy,+ izany hoe nisy demonia mpilaza ny hoavy.+ Nahay naminany io mpanompovavy io ka nahazo tombony+ be avy tamin’izany ny tompony. 17  Nanaraka foana an’i Paoly sy izahay io zazavavy io sady niantsoantso+ hoe: “Mpanompon’ilay Andriamanitra Avo Indrindra ireo lehilahy ireo, ary mitory aminareo ny lalan’ny famonjena.” 18  Andro maro no nanaovany izany, ka sosotra i Paoly tamin’ny farany,+ ary nitodika tany aminy sady nanao tamin’ilay fanahy hoe: “Mandidy anao amin’ny anaran’i Jesosy Kristy aho hivoaka aminy.”+ Dia nivoaka tamin’izay ora izay indrindra ilay fanahy.+ 19  Ary hitan’ireo tompony fa tsy afaka nanantena hahazo tombony intsony izy ireo,+ ka nosamboriny i Paoly sy Silasy, ary notaritaritiny teny an-tsena ho any amin’ny manam-pahefana.+ 20  Dia nentin’izy ireo tany amin’ny tompon’andraiki-panjakana izy roa lahy, sady nataony hoe: “Tena manakorontana+ ny tanànantsika ireto lehilahy jiosy ireto, 21  ary mitory fanao+ tsy azontsika raisina na arahina, satria Romanina isika.” 22  Dia niara-nitsangana hanohitra azy roa lahy ny vahoaka. Ary nendahan’ireo tompon’andraiki-panjakana ny akanjo ivelany nanaovan’izy roa lahy, ka nasainy nokapohina tamin’ny hazo izy ireo.+ 23  Dia nataony am-ponja izy roa lahy rehefa avy nokapohiny imbetsaka,+ ary nodidiany ny mpiambina mba hiambina azy ireo tsara.+ 24  Koa satria nahazo izany baiko izany ilay mpiambina, dia nanao azy roa lahy tany amin’ny fonja+ anatiny ka nangeja ny tongony tao amin’ny boloky hazo.+ 25  Fa nivavaka sy nihira fiderana ho an’Andriamanitra+ i Paoly sy Silasy rehefa tokony ho misasakalina,+ ary ren’ny voafonja hafa izy ireo. 26  Ary tampoka teo, dia nisy horohoron-tany mafy ka nihozongozona ny fototr’ilay fonja. Dia nivoha teo no ho eo ny varavarana rehetra, ary nivaha ny fatoran’ny voafonja rehetra.+ 27  Taitra tamin’ny torimasony ilay mpiambina ka nahita fa nisokatra ny varavaran’ny fonja. Dia nalainy ny sabany ka saika hamono tena izy+ satria nihevitra fa nandositra ny voafonja.+ 28  Niantsoantso mafy anefa i Paoly hoe: “Aza ratraina ny tenanao,+ fa ato daholo izahay rehetra!” 29  Dia nampaka jiro ralehilahy ka nikoropaka niditra, ary tora-kovitra sady niankohoka+ teo anatrehan’i Paoly sy Silasy. 30  Dia nentiny nivoaka izy roa lahy, ka hoy izy: “Inona re, tompoko, no tsy maintsy ataoko+ mba hamonjena ahy?” 31  Hoy izy roa lahy: “Minoa an’i Jesosy Tompo dia hovonjena+ ianao sy ny ankohonanao.”+ 32  Dia nitory ny tenin’i Jehovah taminy sy tamin’izay rehetra tao an-tranony+ izy roa lahy. 33  Tamin’izay ora izay, tamin’iny alina iny ihany, dia nentin-dralehilahy izy roa lahy ka nosasany ny ratra taminy, ary natao batisa+ tsy nisy hataka andro izy sy ny ankohonany manontolo. 34  Dia nentiny tao an-tranony izy roa lahy ka namelarany latabatra, ary faly dia faly izy mbamin’ny ankohonany manontolo, noho izy nino an’Andriamanitra. 35  Rehefa maraina, dia naniraka mpanefa baiko ny tompon’andraiki-panjakana+ mba hilaza hoe: “Afaho izy roa lahy.” 36  Dia nolazain’ilay mpiambina tamin’i Paoly izany teny izany hoe: “Naniraka olona ny tompon’andraiki-panjakana mba hilaza ny amin’ny tokony handefasana anareo. Koa mivoaha re, ary mandehana soa aman-tsara e!” 37  Fa hoy kosa i Paoly tamin’izy ireo: “Romanina+ izahay nefa nokapohiny ampahibemaso na dia mbola tsy voaheloka aza, ary nataony am-ponja. Koa izao ve dia avoakany mangingina izahay? Tsia! Aoka izy ireo mihitsy no ho avy eto ka hamoaka anay.” 38  Dia nilaza izany tamin’ny tompon’andraiki-panjakana ireo mpanefa baiko. Koa natahotra izy ireo rehefa nandre fa, hay, Romanina+ izy roa lahy. 39  Dia tonga tokoa àry izy ireo ka niangavy azy roa lahy, ary rehefa namoaka azy dia nangataka azy mba hiala tao amin’ilay tanàna. 40  Nankany an-tranon’i Lydia anefa izy roa lahy rehefa nivoaka avy ao am-ponja. Ary rehefa nahita ny rahalahy izy ireo, dia nampahery+ azy ary lasa.

Fanamarihana

Na: “mpivarotra loko volomparasy.”