Asan’ny Apostoly 17:1-34

17  Nandeha namakivaky an’i Amfipolia sy Apolonia izy ireo ka tonga tany Tesalonika,+ ary nisy synagogan’ny Jiosy tany.  Dia niditra tao araka ny fanaony i Paoly+ mba hitory tamin’izy ireo. Ary nandritra ny sabata telo no niezahany nandresy lahatra azy ireo, niorina tamin’ny Soratra Masina.+  Dia nohazavainy sy noporofoiny tamin’ny alalan’izay voasoratra fa tsy maintsy nijaly+ sy nitsangana tamin’ny maty i Kristy.+ “Ilay Jesosy izay toriko aminareo”, hoy izy, “no Kristy.”+  Koa tonga mpino ny sasany+ tamin’ireo ka niaraka tamin’i Paoly sy Silasy.+ Maro be koa ny Grika mpivavaka tamin’Andriamanitra no lasa mpino, ary tsy vitsy koa ny vehivavy nanan-kaja.  Velom-pialonana anefa ny Jiosy,+ ka naka olona ratsy fanahy tamin’ireo mpidonana-poana teny an-tsena, ary namory vahoaka sy nampisavorovoro ny tanàna.+ Dia nanafika ny tranon’i Jasona+ izy ireo ary nitaky ny hamoahana an’i Paoly sy Silasy ho eo amin’ny vahoaka.  Rehefa tsy nahita azy roa lahy tao izy ireo, dia nitaritarika an’i Jasona sy ny rahalahy sasany ho any amin’ny lehiben’ny tanàna, ka niantsoantso hoe: “Tonga eto koa izao ireny lehilahy manakorontana+ ny tany onenana ireny,  ary nampiantrano azy i Jasona. Manohitra ny didin’i+ Kaisara izy rehetra ireo, ka milaza fa misy mpanjaka+ hafa, dia i Jesosy.”  Ary nataon’izy ireo nisahotaka ny vahoaka sy ny lehiben’ny tanàna rehefa nandre izany.  Dia nakan’izy ireo vola antoka aloha i Jasona sy ireo namany vao navelany handeha. 10  Raha vao alina ny andro,+ dia nalefan’ireo rahalahy ho any Beria i Paoly sy Silasy. Ary vao tonga tany izy roa lahy, dia niditra tao amin’ny synagogan’ny Jiosy. 11  Ambony saina kokoa noho ny Jiosy tany Tesalonika ny Jiosy tany Beria, satria faran’izay nazoto nandray ny teny izy ireo, ka nandinika+ tsara ny Soratra Masina+ isan’andro hahitana raha izany tokoa no izy.+ 12  Maro tamin’izy ireo àry no tonga mpino, ary tsy vitsy koa ny vehivavy grika nanan-kaja+ sy ny lehilahy no nino. 13  Rehefa ren’ny Jiosy avy any Tesalonika anefa fa notorin’i Paoly tany Beria koa ny tenin’Andriamanitra, dia tonga tany koa izy ireo mba hampirisika+ sy hanakorontana+ ny vahoaka. 14  Koa avy hatrany dia nasain’ireo rahalahy nandeha hatrany amoron-dranomasina i Paoly,+ fa i Silasy sy Timoty kosa nijanona tao ihany. 15  Nanatitra an’i Paoly hatrany Atena anefa ireo rahalahy, ary avy eo dia lasa, rehefa avy nampitondrain’i Paoly hafatra ho an’i Silasy sy Timoty+ mba hankanesan’izy roa lahy haingana araka izay azo atao, any aminy. 16  Raha mbola niandry azy roa lahy tany Atena i Paoly, dia nahasorena+ azy ny nahita ny sampy eran’ilay tanàna. 17  Koa niezaka nandresy lahatra ny Jiosy mbamin’ny olon-kafa nivavaka tamin’Andriamanitra izy, tany amin’ny synagoga.+ Ary nanao toy izany koa izy tamin’izay sendra hitany teny an-tsena+ isan’andro. 18  Nisy tamin’ireo Epikoreanina sy ny filozofa+ stôika anefa niady hevitra taminy, ka hoy ny sasany: “Mba inona, hono, no tian’io be resaka io holazaina?”+ Ary hoy ny sasany: “Toa mpitory momba ny andriamanitra vaovao, hono, izy io.” Ny antony dia satria nitory ny vaovao tsara momba an’i Jesosy sy ny fitsanganana amin’ny maty+ izy. 19  Koa nosamborin’ireo izy ary nentiny teny amin’ny Areopago.* Dia hoy ireo: “Mba azonay fantarina misimisy kokoa ve ny amin’izany fampianarana vaovao+ lazainao izany? 20  Vaovao amin’ny sofinay mantsy izany lazainao izany, ka te hahalala misimisy kokoa ny amin’izay hevitr’izany izahay.”+ 21  Ny firesahana na fihainoana zava-baovao mantsy no fandanian’andron’ny Atenianina sy ny vahiny rehetra nandalo tao. 22  Koa nitsangana teo afovoan’ny Areopago+ i Paoly ka nanao hoe: “Ry Atenianina, hitako fa amin’ny zava-drehetra dia matahotra kokoa an’ireo andriamanitra+ ianareo raha oharina amin’ny olon-kafa. 23  Raha nandalo aho, ohatra, ka nandinika tsara ny zavatra ivavahanareo, dia nahita alitara anankiray misy soratra hoe: ‘Ho An’Andriamanitra Tsy Fantatra.’ Koa izay tsy fantatrareo nefa ivavahanareo, dia izy no toriko aminareo. 24  Ilay Andriamanitra nanao izao tontolo izao sy ny zava-drehetra ao aminy, eny, Izy izay Tompon’ny lanitra sy ny tany,+ dia tsy mba mitoetra ao amin’ny tempoly nataon-tanana.+ 25  Ary tsy mila karakarain’ny tanan’olona izy, toy ny hoe mila zavatra,+ satria izy no manome ho an’ny olon-drehetra ny aina+ sy ny fofonaina+ ary ny zava-drehetra. 26  Ary avy tamin’ny olona anankiray+ no nanaovany ny olona any amin’ny firenena rehetra+ mba honina manerana ny tany manontolo,+ ary efa nisy fotoana voatondrony+ sy faritra noferany honenan’ny olona,+ 27  mba hitadiavan’ireo azy+ raha mitsapatsapa mitady azy izy ireo ka tena hahita azy tokoa.+ Raha ny marina anefa, dia tsy lavitra antsika tsirairay izy. 28  Fa izy no ivelomantsika sy ihetsehantsika ary isiantsika,+ araka ny voalazan’ny poety sasany+ eo aminareo hoe: ‘Fa naterany koa isika.’ 29  “Koa satria naterak’Andriamanitra+ isika, dia tsy tokony hihevitra an’Andriamanitra+ ho tahaka ny volamena na volafotsy na vato, na tahaka ny sokitra vitan’ny fahaizan’olombelona sy ny fahiratan-tsainy.+ 30  Tsy nijery ny andron’ny tsy fahalalana toy izany tokoa Andriamanitra,+ fa ankehitriny kosa izy milaza fa tokony hibebaka ny olombelona rehetra, na aiza na aiza,+ 31  satria izy efa nanondro andro iray izay kasainy hitsarana+ ny tany onenana, eny, hitsarany azy araka ny marina amin’ny alalan’ny lehilahy iray voatendriny. Ary efa nomeny antoka ny amin’izany ny olona rehetra tamin’ny nananganany+ azy io tamin’ny maty.” 32  Nony nandre ny amin’ny fitsanganana amin’ny maty ireo dia naneso,+ fa ny sasany kosa nanao hoe: “Amin’ny manaraka izahay mbola hihaino anao ny amin’izany.” 33  Dia niala avy teo afovoan’izy ireo i Paoly. 34  Fa nisy sasany kosa lasa nanaraka azy ka tonga mpino, anisan’izany koa i Dionysio, mpitsara teny amin’ny Areopago,+ ary vehivavy atao hoe Damary, sy ny olon-kafa.

Fanamarihana

Havoana tany Atena fahiny. Teo no nivory ny Fitsarana Tampony.