Asan’ny Apostoly 18:1-28

18  Niala tao Atena i Paoly taorian’izany, ka tonga tany Korinto.  Nahita Jiosy atao hoe Akoila+ izy tao. Teratany avy any Ponto i Akoila, ary vao tonga avy any Italia+ izy sy Prisila vadiny, satria i Klaodio+ nandidy ny hialan’ny Jiosy rehetra tany Roma. Koa nankany amin’izy mivady i Paoly,  ary nipetraka tao aminy satria niray asa taminy. Dia niasa izy ireo,+ fa mpanao tranolay no anton’asany.  Fa nandaha-teny tao amin’ny synagoga+ kosa i Paoly isan-tsabata sady nandresy lahatra ny Jiosy sy ny Grika.  Rehefa tafidina avy tany Makedonia i Silasy+ sy Timoty,+ dia nifantoka tanteraka tamin’ny tenin’Andriamanitra i Paoly, ka nitory tamin’ny Jiosy mba hanaporofoana fa i Jesosy no Kristy.+  Nanohitra foana anefa ny Jiosy sady nanevateva,+ ka nakopak’i Paoly ny fitafiany,+ ary hoy izy: “Ianareo ihany no ho tompon’andraikitra ny amin’izay hanjo anareo.*+ Afaka adidy aho.+ Hankany amin’ny olona hafa firenena+ aho manomboka izao.”  Dia niala teo tokoa izy ka nankao an-tranon’ny lehilahy atao hoe Titosy Josto, mpivavaka amin’Andriamanitra, izay nanan-trano nifanila tamin’ilay synagoga.  Nanjary nino ny Tompo anefa i Krispo+ mpitantana an’ilay synagoga, mbamin’ny ankohonany manontolo. Ary tonga mpino ny ankamaroan’ny Korintianina izay nandre ilay fitoriana, ka natao batisa.  Ary nony alina dia niteny tamin’i Paoly tao amin’ny fahitana ny Tompo+ hoe: “Aza matahotra, fa mitoria foana ary aza mangina, 10  fa momba anao aho+ ka tsy hisy hanafika anao mba hanisy ratsy anao. Manana olona maro ato amin’ity tanàna ity mantsy aho.” 11  Dia nijanona tao herintaona sy tapany izy ka nampianatra ny tenin’Andriamanitra teo amin’izy ireo. 12  Fony i Galio no governoram-paritr’i+ Akaia, dia niray hevitra ny Jiosy ka nitsangana hanohitra an’i Paoly ary nitondra azy teo amin’ny toeram-pitsarana,+ 13  ka nanao hoe: “Ity olona ity mandresy lahatra+ ny olona hivavaka amin’Andriamanitra amin’ny fomba tsy araka ny lalàna.” 14  Raha vao saika hiteny anefa i Paoly, dia hoy i Galio tamin’ny Jiosy: “Ry Jiosy, raha nisy tokoa fahadisoana na zava-dratsy vita, dia rariny raha mandefitra sy maharitra aminareo aho. 15  Fa raha adihevitra momba ny teny sy anarana+ ary lalàna+ eo aminareo kosa, dia ataovinareo ihany izany, fa tsy te hitsara izany aho.” 16  Dia noroahiny niala teo amin’ny toeram-pitsarana izy ireo. 17  Koa nosamborin’izy rehetra i Sostena,+ mpitantana ny synagoga, ka nokapohiny teo anoloan’ny toeram-pitsarana, fa tsy noraharahain’i Galio mihitsy izany. 18  Rehefa avy nijanona tao andro maromaro fanampiny anefa i Paoly, dia nanao veloma an’ireo rahalahy, ka nanohy ny diany an-tsambo hankany Syria, niaraka tamin’i Prisila sy Akoila. Ary nasainy nohetezana ho fohy ny volon-dohany+ tany Kenkrea,+ satria nisy voady nataony. 19  Koa tonga tao Efesosy izy ireo, ary nandao azy mivady tao i Paoly, ka niditra tao amin’ny synagoga+ ary niezaka nandresy lahatra ny Jiosy. 20  Na dia tsy nitsahatra nangataka azy mba hijanona elaela kokoa aza ireo, dia tsy nety izy 21  fa nanao veloma+ ihany ary niteny hoe: “Mbola hiverina atỳ aminareo indray aho, raha sitrapon’i Jehovah.”+ Ary niondrana an-tsambo avy tao Efesosy izy 22  ka nidina nankany Kaisaria. Dia niakatra* sy niarahaba ny fiangonana izy, ary nidina nankany Antiokia. 23  Nijanona tao kelikely izy vao lasa nitety ny faritr’i Galatia+ sy Frijia.+ Ary nampahery+ ny mpianatra rehetra izy. 24  Tonga tany Efesosy ny Jiosy atao hoe Apolosy,+ teratany avy any Aleksandria, ary lehilahy nahay nandaha-teny sady tena nahay Soratra Masina.+ 25  Nampianarina* ny lalan’i Jehovah izy, ary narehitry ny fanahy+ ka marina ny fitoriany sy ny fampianarany momba an’i Jesosy, saingy ny batisan’i+ Jaona ihany no fantany. 26  Dia nanomboka nitory tamim-pahasahiana tao amin’ny synagoga izy. Rehefa nandre azy i Prisila sy Akoila,+ dia nitondra azy niaraka taminy. Ary nohazavain’izy mivady marina kokoa taminy ny lalan’Andriamanitra. 27  Ary satria te ho any Akaia i Apolosy, dia nanoratra ho an’ny mpianatra ireo rahalahy ka nampirisika azy ireo mba handray tsara azy. Koa nanampy be+ an’ireo tonga mpino izy rehefa tonga tany, dia ireo nino noho ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra.+ 28  Tamin-kery mantsy no nanaporofoany mazava ampahibemaso fa diso ny Jiosy, rehefa nasehony tamin’ny alalan’ny Soratra Masina+ fa i Jesosy no Kristy.+

Fanamarihana

A.b.t.: “Ho eo an-dohanareo ihany ny ranareo.”
Azo inoana fa tany Jerosalema.
Jereo Lk 1:4 f.a.p.