Asan’ny Apostoly 19:1-41

19  Ary raha mbola tany Korinto i Apolosy,+ dia nitety ny afovoan-tany kosa i Paoly ary nidina tany Efesosy,+ ka nahita mpianatra tao.  Dia hoy izy tamin’ireo: “Nahazo ny fanahy masina+ ve ianareo rehefa tonga mpino?” Fa hoy ireo: “Mbola tsy nandre mihitsy aza izahay hoe misy izany fanahy masina izany.”+  Ary hoy izy: “Fa karazana batisa inona no nanaovana batisa anareo?” Dia hoy ireo: “Ny batisan’i Jaona.”+  Fa hoy i Paoly: “Batisa mariky ny fibebahana no nataon’i Jaona,+ ka nilaza tamin’ny olona izy mba hino an’ilay ho tonga aoriany,+ dia i Jesosy.”  Rehefa nandre izany ireo, dia natao batisa tamin’ny anaran’i Jesosy Tompo.+  Koa rehefa nametra-tanana+ tamin’ireo i Paoly dia nilatsaka tamin’ireo ny fanahy masina, ka niteny tamin’ny fiteny samihafa ireo sady naminany,+  ary roa ambin’ny folo lahy teo ho eo izy rehetra.  Dia niditra tao amin’ny synagoga+ i Paoly ka nitory tamim-pahasahiana nandritra ny telo volana, sady nandaha-teny sy nandresy lahatra ny olona ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra.+  Mbola nanamafy ny fony ihany anefa ny sasany sady tsy nino,+ ka nanaratsy Ny Lalana+ teo anatrehan’ny olona maro be. Dia niala teo amin’ireo+ izy, ka nentiny koa ny mpianatra,+ ary nandaha-teny isan’andro tao amin’ny efitrano malalaky ny sekolin’i Tyrano izy. 10  Naharitra roa taona izany,+ ka nandre ny tenin’ny Tompo daholo ny mponina tany amin’ny faritr’i Azia,+ na Jiosy na Grika. 11  Ary mbola nanao fahagagana miavaka tamin’ny alalan’i Paoly ihany Andriamanitra,+ 12  hany ka na ny lamba sy ny aron’akanjo teny aminy aza no nentina tany amin’ny marary,+ dia afaka ny aretina ary nivoaka ny fanahy ratsy.+ 13  Ary ny sasany tamin’ny Jiosy mpivezivezy izay mpamoaka demonia,+ dia mba niezaka koa niantso ny anaran’i Jesosy Tompo+ tamin’izay nisy demonia, ka nanao hoe: “Mandidy+ mafy anareo amin’ny alalan’i Jesosy izay torin’i Paoly aho.” 14  Ary nisy fito mirahalahy nanao toy izany. Zanak’i Skeva, lehiben’ny mpisorona jiosy izy ireo. 15  Hoy anefa ny navalin’ny fanahy ratsy azy ireo: “Fantatro i Jesosy,+ ary fantatro tsara i Paoly,+ fa mba iza kosa ianareo?” 16  Dia niantsambotra tamin’izy ireo ilay lehilahy nisy fanahy ratsy+ ka resiny daholo izy rehetra. Koa tsy nahatohitra azy izy ireo ka vaky nandositra niala tamin’izany trano izany, nitanjaka sady naratra. 17  Nanjary fantatr’izay rehetra nonina tao Efesosy izany, na Jiosy na Grika. Dia natahotra+ daholo ny rehetra ka vao mainka nankalazaina ny anaran’i Jesosy Tompo.+ 18  Maro tamin’ireo tonga mpino no nanatona ka niaiky+ sy nilaza an-karihary ny nataony. 19  Ary maro tamin’ireo zatra nampiasa herin’ny maizina+ no nanangona ny bokiny ka nandoro izany teo anatrehan’ny rehetra. Dia natambatr’izy ireo ny tokom-bidin’izany ka hitany fa farantsa volafotsy dimy alina. 20  Koa niroborobo be àry ny tenin’i Jehovah, sady tena nahery.+ 21  Rehefa vita izany, dia nikasa ho any Jerosalema i Paoly+ tao am-pony tao, rehefa avy namakivaky an’i Makedonia+ sy Akaia. Hoy izy: “Tsy maintsy mahita an’i Roma koa aho rehefa avy any.”+ 22  Koa naniraka roa lahy tamin’ireo nikarakara azy izy, dia i Timoty+ sy Erasto,+ ho any Makedonia, fa izy kosa mbola nijanona kelikely tany amin’ny faritr’i Azia. 23  Tamin’izay fotoana izay dia nisy korontana be+ momba Ny Lalana.+ 24  Nanamboatra tempoly kelin’i Artemisy tamin’ny volafotsy mantsy ny lehilahy atao hoe Demetrio, izay mpanefy volafotsy, ka nahatonga ireo mpanao asa tanana hahazo tombony be.+ 25  Koa novorin’i Demetrio ireo, niaraka tamin’ireo mpanao taozavatra+ toy izany, ka hoy izy: “Fantatrareo tsara fa ity asa ity no mampanan-karena antsika.+ 26  Hitanareo sy renareo koa fa, tsy teto Efesosy+ ihany fa saika eran’ny faritr’i Azia mihitsy io Paoly io no nandresy lahatra vahoaka maro sy nampiova hevitra azy, tamin’ny filazana fa tsy andriamanitra ireo andriamanitra nataon-tanana.+ 27  Ary tsy ity asantsika ity ihany no atahorana ho ratsy laza, fa ny tempolin’i Artemisy+ andriamanibavy lehibe koa no hanjary ho tsinontsinona. Ary na ny fahalehibeazan’ilay andriamanibavy, izay ivavahana eran’i Azia sy ny tany onenana aza, dia efa madiva ho foana.” 28  Nandre izany ny olona ka tezitra mafy, ary niantsoantso hoe: “Lehibe i Artemisin’ny Efesianina!” 29  Koa nisahotaka ny iray tanàna, ary indray nirohotra niditra tao an-kianja filalaovana tantara an-tsehatra izy rehetra, ary nentiny an-keriny niaraka taminy i Gaio sy Aristarko,+ Makedonianina roa lahy niara-dia tamin’i Paoly. 30  Te hiditra tao amin’ilay kianja i Paoly mba ho eo amin’ny olona, fa tsy navelan’ny mpianatra. 31  Na ny sasany tamin’ireo mpiandraikitra ny fety sy ny lalao, izay tsara fanahy tamin’i Paoly aza, dia nandefa hafatra ho any aminy ka niangavy azy mba tsy hanao vivery ny ainy hiditra ao amin’ilay kianja. 32  Niantsoantso mantsy ny olona, ka hafa no nolazain’ny sasany, ary hafa no nolazain’ny sasany.+ Ary nisahotaka ny vahoaka tafavory tao, ka tsy fantatry ny ankamaroany akory izay antony nahatongavany teo. 33  Dia nentin’izy ireo niala avy teo amin’ny vahoaka i Aleksandra, satria natosiky ny Jiosy ho any aloha izy. Ary nanao fihetsika tamin’ny tanany i Aleksandra fa te hilaza ny fiarovan-tenany teo amin’ny olona. 34  Raha vao fantatry ny olona anefa fa Jiosy izy, dia niara-niantsoantso izy rehetra sady nikiakiaka nandritra ny adiny roa teo ho eo hoe: “Lehibe+ i Artemisin’ny Efesianina!” 35  Nahavita nampangina+ ny vahoaka ihany ny ben’ny tanàna tamin’ny farany, ka hoy izy: “Ry Efesianina, iza tokoa moa no tsy mahalala fa ny tanànan’ny Efesianina no mpiambina ny tempolin’i Artemisy lehibe sy ilay sary latsaka avy tany an-danitra? 36  Koa satria tsy azo iadian-kevitra izany, dia aoka ho tony ianareo ka tsy ho maimaika hanao zavatra.+ 37  Nentinareo eto mantsy ireo lehilahy ireo, izay sady tsy mpandroba tempoly no tsy mpanevateva ny andriamanibavintsika. 38  Koa raha te hitory olona i Demetrio+ sy ny mpanao asa tanana namany, dia eo ny andro fitsarana+ ary ao koa ny governoram-paritra.+ Ary aoka izy ireo hifampiampanga. 39  Fa raha misy fiampangana hafa ankoatra izany avy aminareo, dia amin’ny fivoriana mahazatra no tsy maintsy hanapahana ny amin’izany. 40  Raha izay niseho androany izay mantsy dia tena mety hampangaina ho mampirisika olona hikomy amin’ny fanjakana isika. Ary tsy misy antony mamela antsika hanao izao savorovoro izao.” 41  Dia noravany ny vahoaka,+ rehefa avy nilaza izany izy.+

Fanamarihana