Asan’ny Apostoly 2:1-47

2  Teo amin’ny toerana iray daholo izy rehetra, tamin’ny andro Pentekosta.+  Ary nisy feo mafy tonga tampoka avy tany an-danitra toy ny rivotra mahery nifofofofo, ka nanenika ilay trano nipetrahan’izy ireo.+  Ary nisy lela maro toy ny afo+ niseho tamin’izy ireo, ary nizarazara ireny ka nisy iray avy nankeo ambonin’ny tsirairay.  Ary samy feno fanahy masina+ izy rehetra, ka niteny tamin’ny fiteny maro samihafa,+ araka izay nampitenenan’ny fanahy azy.  Ary nisy Jiosy+ avy tamin’ny firenena rehetra ambanin’ny lanitra, nipetraka tao Jerosalema. Olona natahotra an’Andriamanitra+ izy ireo.  Rehefa nandre an’ilay feo ny vahoaka maro be, dia nirohotra nanatona ary very hevitra, satria samy nandre an’ireo mpianatra niteny tamin’ny fiteniny avy izy ireo.  Dia talanjona tokoa izy ireo ary gaga, ka nanao hoe: “Jereo ange e! Tsy Galilianina+ daholo ve ireo miteny ireo?  Koa ahoana no andrenesantsika azy miteny amin’ny fitenin-drazantsika avy?  Isika anefa Partianina sy Medianina+ ary Elamita,+ sy mponin’i Mezopotamia, Jodia,+ Kapadokia,+ Ponto+ sy ny faritr’i Azia,+ 10  Frijia,+ Pamfylia,+ Ejipta sy ny faritr’i Libya, izay akaikin’i Kyrena, ary mpivahiny avy any Roma, dia Jiosy sy olona niova ho amin’ny fivavahana jiosy,+ 11  ary Kretanina+ sy Arabo.+ Rentsika anefa ry zareo miteny amin’ny fitenintsika avy, momba ny asa lehibe nataon’Andriamanitra.” 12  Eny, gaga izy rehetra sady very hevitra, ka nifampiresaka hoe: “Inona no dikan’izao?” 13  Fa nisy kosa naneso azy ireo hoe: “Mamon-divay mamy ireo.”+ 14  Nitsangana anefa i Petera sy ny iraika ambin’ny folo lahy.+ Dia nanandratra ny feony i Petera, nanao hoe: “Ry Jodianina sy ianareo rehetra monina eto Jerosalema,+ izao no aoka ho fantatrareo, ary henoy ny teniko: 15  Tsy mamo,+ araka ny fiheveranareo azy, ireo olona ireo satria vao ora fahatelo* amin’ny andro izao. 16  Fa izao kosa no voalaza tamin’ny alalan’i Joela mpaminany: 17  ‘“Ary amin’ny andro farany”, hoy Andriamanitra, “dia handatsahako ampahany amin’ny fanahiko+ ny karaza-nofo rehetra, ka ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo haminany, ary ny tovolahy eo aminareo hahita fahitana ary ny lahiantitra eo aminareo hanonofy.+ 18  Ary na ny mpanompolahiko sy ny mpanompovaviko aza, dia handatsahako ampahany amin’ny fanahiko amin’izany andro izany, ka haminany.+ 19  Ary hanisy fambara eny amin’ny lanitra ambony aho, sy famantarana eny amin’ny tany ambany, dia ra sy afo ary zavon-tsetroka.+ 20  Ny masoandro+ hovana ho haizina ary ny volana ho ra, alohan’ny hahatongavan’ny andron’i Jehovah, dia ilay andro lehibe sady miavaka.+ 21  Ary izay rehetra miantso ny anaran’i Jehovah no hovonjena.”’+ 22  “Ry Israelita, henoy izao teny izao: I Jesosy avy any Nazareta+ no lehilahy nasehon’Andriamanitra an-karihary taminareo tamin’ny fahagagana+ sy fambara ary famantarana. Tamin’ny alalany no nanaovan’Andriamanitra izany teo aminareo,+ ary fantatrareo tsara izany. 23  Efa fikasana voafaritr’Andriamanitra sady efa fantany mialoha ny hanolorana izany lehilahy izany.+ Nofantsihanareo teo amin’ny tsato-kazo anefa izy, ary tanan’olona tsy tan-dalàna no nentinareo nanao izany. Dia novonoinareo izy,+ 24  kanefa Andriamanitra nanangana azy tamin’ny maty+ rehefa namaha ny fatoran’ny fahafatesana,+ satria tsy voatanan’izany maharitra izy.+ 25  Hoy mantsy i Davida momba azy: ‘Teo anatrehako mandrakariva i Jehovah. Tsy hangozohozo mihitsy aho satria izy eo ankavanako.+ 26  Izany no nifalian’ny foko sy niravoravoan’ny lelako, ary na ny nofoko aza hitoetra amin’ny fanantenana,+ 27  satria tsy ho foinao hijanona ao amin’ny Fasana* aho,* sady tsy havelanao ho lo ilay mpanomponao tsy mivadika.+ 28  Nampahafantarinao ny lalan’ny fiainana aho, ary hovokisanao fifaliana eo anatrehanao.’+ 29  “Ry rahalahy, mamelà ahy hiteny amim-pahatsorana aminareo mahakasika an’i Davida loham-pianakaviantsika izay efa maty+ sady efa nalevina, ary eto amintsika mandraka androany ny fasany. 30  Mpaminany izy ary nahalala fa nianiana taminy Andriamanitra hoe ny taranany no hapetrak’Andriamanitra eo amin’ny seza fiandrianany.+ Araka izany, dia 31  efa hitan’i Davida mialoha ny fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty ary efa niresaka momba izany izy, dia ny hoe tsy nafoy tao amin’ny Fasana* i Jesosy sady tsy lo ny nofony.+ 32  Natsangan’Andriamanitra tamin’ny maty izany Jesosy izany, ary vavolombelon’izany izahay rehetra.+ 33  Koa satria nasandratra ho eo ankavanan’Andriamanitra izy,+ ary nandray avy tamin’ny Ray ny fanahy* masina nampanantenaina,+ dia izy no nampilatsaka izao hitanareo sy renareo izao. 34  Tsy niakatra tany an-danitra i Davida,+ raha ny marina, fa izy aza nilaza hoe: ‘Hoy i Jehovah tamin’ny Tompoko: “Mipetraha eto ankavanako+ 35  mandra-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.”’+ 36  Koa aoka ho fantatry ny taranak’Israely rehetra marimarina fa nataon’Andriamanitra ho Tompo+ sy Kristy iny Jesosy nofantsihanareo tamin’ny hazo fijaliana iny.”+ 37  Koa voatsindrona ny fon’ireo+ rehefa nandre izany, ka hoy izy ireo tamin’i Petera sy ny apostoly hafa: “Inona izao no hataonay, ry rahalahy?”+ 38  Dia hoy i Petera: “Mibebaha,+ ary aoka samy hatao batisa+ amin’ny anaran’i+ Jesosy Kristy ianareo tsirairay, mba hahazoanareo famelan-keloka.+ Ary hahazo ilay fanomezana maimaim-poana+ ianareo, dia ny fanahy masina. 39  Fa ho anareo ilay fampanantenana,+ eny, ho anareo sy ho an’ny zanakareo ary ho an’izay rehetra any lavitra,+ izany hoe izay rehetra antsoin’i Jehovah Andriamanitsika hanatona azy.”+ 40  Ary teny maro hafa no nentiny nanome fanazavana feno,* ary nandrisika hatrany an’ireo izy hoe: “Aoka ianareo hovonjena ho afaka amin’ity taranaka tsy marina ity.”+ 41  Koa natao batisa+ izay olona nandray tsara ny tenin’i Petera, ka niampy olona* tokony ho telo arivo ny isan’izy ireo tamin’iny andro iny.+ 42  Nifantoka tamin’ny fampianaran’ny apostoly izy ireo, ary nifampizara izay nananany,+ sy niara-nisakafo+ ary naharitra nivavaka.+ 43  Dia raiki-tahotra daholo ny olona,* ary nisy zava-mahagaga sy famantarana maro natao tamin’ny alalan’ny apostoly.+ 44  Ary niaraka teo daholo izay rehetra tonga mpino, ka niombonany avokoa ny zava-drehetra.+ 45  Nivarotra ny taniny sy ny fananany+ izy ireo, ka ny vola azo dia nozarainy tamin’ny rehetra, araka izay nilainy avy.+ 46  Tao amin’ny tempoly foana izy ireo isan’andro sady niray saina,+ ary nisakafo tany an-trano izy ireo ka nihinan-kanina tamim-pifaliana be+ sy tamim-pahatsoram-po, 47  ary nidera an’Andriamanitra sady nahazo sitraka tamin’ny olona rehetra.+ Ary nandritra izany fotoana izany, dia nisy olona voavonjy nentin’i Jehovah+ isan’andro hanatevin-daharana azy ireo.+

Fanamarihana

Tamin’ny 9 maraina teo ho eo.
Gr.: psykè. Jereo F.F. 3A.
Gr.: haides. Jereo F.F. 3D.
Gr.: haides. Jereo F.F. 3D.
Gr.: pneoma. Jereo F.F. 3B.
Na: “nitory tamin’ny fomba feno.”
Gr.: psykè. Jereo F.F. 3A.
Gr.: psykè. Jereo F.F. 3A.