Asan’ny Apostoly 20:1-38

20  Rehefa nitsahatra ilay savorovoro, dia nampaka ny mpianatra i Paoly. Koa nampahery sy nanao veloma+ azy ireo izy, ary nankany Makedonia+ avy eo.  Nitety faritra maro tany izy ka nanao teny maro mba hampaherezana+ an’ireo mpianatra, ary tonga tany Gresy,  ka nijanona telo volana tany. Rehefa hiondrana an-tsambo ho any Syria izy, dia nisy Jiosy nitetika ny hamono azy,+ ka nanapa-kevitra ny hiverina hamakivaky an’i Makedonia izy.  Niaraka taminy i Sopatera+ zanak’i Pyro avy any Beria, sy Aristarko+ sy Sekondo samy avy any Tesalonika, sy Gaio avy any Derbe, sy Timoty,+ ary Tykiko+ sy Trofimo+ samy avy any amin’ny faritr’i Azia.  Nanohy ny diany ireo ka niandry anay tany Troasy.+  Izahay kosa anefa niondrana an-tsambo avy tany Filipy, taorian’ireo andro fankalazana ny fetin’ny mofo tsy misy lalivay,+ ka tonga tany amin’izy ireo tany Troasy+ tao anatin’ny dimy andro, ary nijanona fito andro tany.  Ny andro voalohan’ny+ herinandro, dia tafangona izahay mba hiara-misakafo. Ary nanomboka nandaha-teny tamin’izy ireo i Paoly, satria handeha izy ny ampitson’iny. Naharitra hatramin’ny misasakalina ny lahateniny,  ka nisy jiro maro nanazava ilay efitrano ambony rihana+ nivorianay.  Nisy tovolahy atao hoe Eotyka nipetraka teo am-baravarankely ary resin-tory tanteraka izy raha mbola nanao ny lahateniny i Paoly. Dia nitambotsotra izy, raha iny mbola natory iny ka nianjera avy teny amin’ny rihana faharoa. Rehefa narenina izy, dia hita fa maty. 10  Nidina anefa i Paoly ka niantoraka teo aminy+ ary namihina azy, dia niteny hoe: “Aza miantsoantso intsony fa efa niverina ny ainy.”*+ 11  Dia niakatra i Paoly ary nanomboka nisakafo ka nihinana. Ary rehefa avy niresaka elaela izy hatramin’ny maraina vao mangiran-dratsy, dia lasa tamin’ny farany. 12  Koa nentin’ny olona ilay zazalahy efa velona, ary fampiononana lehibe no azon’izy ireo. 13  Dia nandeha mialoha ho any an-tsambo izahay ka niondrana nankany Aso, fa any no nokasainay handraisana an’i Paoly. Nasainy nanao izany mantsy izahay, fa izy kosa nikasa handeha an-tongotra. 14  Rehefa tratrany tao Aso àry izahay, dia noraisinay ho ao an-tsambo izy ary nankany Mitylena izahay. 15  Niainga avy tao indray izahay ny ampitso, ka tonga tandrifin’i Kio. Nijanona vetivety tao Samo izahay ny ampitson’iny, ary tonga tao Mileto ny andro nanaraka. 16  Efa nanapa-kevitra i Paoly fa holalovana fotsiny i Efesosy,+ mba tsy ho lany fotoana any amin’ny faritr’i Azia izy. Tsy andriny mantsy izay hahatongavana any Jerosalema+ amin’ny andro Pentekosta, raha tratrany. 17  Na izany aza, dia naniraka olona avy tao Mileto hankany Efesosy izy, ka nampiantso ny anti-panahin’ny+ fiangonana. 18  Rehefa tonga teo aminy ireo, dia hoy izy: “Fantatrareo tsara ny fanaoko nandritra ny fotoana rehetra niarahako taminareo, hatramin’ilay andro voalohany nanitsahako ny faritr’i Azia,+ 19  ka nanompoako+ ny Tompo tamim-panetren-tena+ tanteraka sy tamin-dranomaso ary tao anatin’ny fitsapana nanjo ahy noho ny teti-dratsin’ny+ Jiosy. 20  Ary tamin’izany dia tsy niahotra aho nilaza taminareo izay rehetra nahasoa, sy nampianatra+ anareo ampahibemaso sy isan-trano.+ 21  Ary nanome fanazavana+ feno* tamin’ny Jiosy sy ny Grika aho, momba ny fibebahana+ amin’Andriamanitra sy ny finoana an’i Jesosy Tompontsika. 22  Ary ankehitriny, dia efa an-dalana ho any Jerosalema aho satria tsy maintsy manaraka ny fitarihan’ny fanahy+ masina, kanefa tsy fantatro izay hanjo ahy any, 23  afa-tsy izay ambaran’ny fanahy masina+ amiko foana isan-tanàna, dia ny hoe misy gadra sy fahoriana miandry ahy+ any. 24  Tsy heveriko ho zava-dehibe anefa ny aiko, toy ny hoe sarobidy amiko,+ raha mba azoko atao ihany ny hamita ny fihazakazahako+ sy ny fanompoana+ izay noraisiko+ tamin’i Jesosy Tompo, dia ny hitory amin’ny fomba feno ny vaovao tsara ny amin’ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra.+ 25  “Ary fantatro ankehitriny fa tsy hahita ny tavako intsony ianareo rehetra izay nitoriako ilay fanjakana. 26  Koa ataoko vavolombeloko ianareo anio fa afaka amin’ny ran’ny+ olona rehetra aho, 27  satria tsy niahotra nilaza taminareo ny sitrapon’Andriamanitra+ rehetra. 28  Tandremo+ ny tenanareo+ sy ny ondry+ rehetra izay nanendren’ny fanahy masina anareo ho mpiandraikitra,+ mba hiandrasanareo ny fiangonan’Andriamanitra,+ izay novidiny tamin’ny ran’ny+ Zanany. 29  Fantatro fa rehefa lasa aho, dia hisy amboadia+ masiaka hiditra eo aminareo, ary tsy hiantra ny ondry ireny. 30  Ary avy aminareo ihany no hipoiran’ny olona manolana hevi-teny+ mba hitaomana ny mpianatra hanaraka azy.+ 31  “Koa miambena hatrany, ary tadidio fa tsy nitsahatra nananatra+ ny tsirairay taminareo tamin-dranomaso aho nandritra ny telo taona,+ na andro na alina. 32  Ary ankehitriny dia ankiniko amin’Andriamanitra+ sy amin’ny teny momba ny hatsaram-panahiny tsy manam-paharoa ianareo. Afaka mampahery+ anareo mantsy izany teny izany sady afaka manome lova anareo miaraka amin’ireo nohamasinina+ rehetra. 33  Tsy nitsiriritra volafotsy na volamena na fitafian’iza na iza aho,+ 34  fa fantatrareo tsara fa ireto tanako ireto no nahazoako izay nilaiko+ sy nilain’ireo niaraka tamiko. 35  Nasehoko anareo tamin’ny zava-drehetra fa amin’ny fiasana mafy+ toy izany no tsy maintsy anampianareo an’ireo mila ampiana,+ sy ahatsiarovanareo ny tenin’i Jesosy Tompo nanao hoe: ‘Mahasambatra kokoa ny manome+ noho ny mandray.’” 36  Rehefa avy nilaza izany izy, dia nandohalika+ niaraka tamin’izy rehetra ary nivavaka. 37  Nitomany mafy tokoa izy rehetra, ary namihina ny vozon’i+ Paoly, ka nanoroka+ azy tamim-pitiavana, 38  satria nalahelo mafy izy ireo noho ny teniny hoe tsy hahita ny tavany+ intsony ireo. Koa nanatitra+ azy hatreny an-tsambo ireo.

Fanamarihana

Gr.: psykè. Jereo F.F. 3A.
Na: “nitory tamin’ny fomba feno.”