Asan’ny Apostoly 21:1-40

21  Rehefa tsy maintsy nisaraka tamin’izy ireo izahay, dia niondrana an-tsambo, ka nanitsy nankany Kosy, ary ny ampitso kosa nankany Rodo. Rehefa avy tany izahay, dia nankany Patara.  Nahita sambo nita ho any Fenisia izahay ka niondrana tamin’io ary lasa.  Rehefa tazanay teo ankavianay ny nosy Sipra,+ dia nolalovanay ka nizotra nankany Syria+ izahay, ary niakatra an-tanety tao Tyro, satria tokony hampidina entana+ tao ilay sambo.  Notadiavinay ireo mpianatra ka hitanay, ary nijanona tao fito andro izahay. Ary notarihin’ny fanahy+ izy ireo hiteny imbetsaka tamin’i Paoly mba tsy hankany Jerosalema.  Rehefa tapitra ireo andro ireo, dia nandeha nanohy ny dianay izahay. Ary nanatitra anay hatrany ivelan’ny tanàna izy rehetra, niaraka tamin’ny zaza amam-behivavy. Dia nandohalika+ teo amin’ny torapasika izahay ka nivavaka,  ary nifanao veloma.+ Dia niakatra an-tsambo izahay fa izy ireo kosa niverina nody.  Ary nandeha sambo avy tany Tyro izahay, ka tonga tany Ptolemaisy. Dia niarahaba an’ireo rahalahy izahay ary nijanona iray andro teo amin’izy ireo.  Niainga indray izahay ny ampitson’iny ka tonga tany Kaisaria+ ary niditra tao an-tranon’i Filipo mpitory ny vaovao tsara, anisan’ireo fito lahy.+ Dia nijanona tao aminy izahay.  Ary nanan-janakavavy virjiny efatra izay naminany+ izy. 10  Ary raha nijanona andro maro tao izahay, dia nisy mpaminany atao hoe Agabo+ nidina avy tany Jodia, 11  ka tonga teo aminay. Ary nalainy ny fehikibon’i Paoly ka namatorany ny tongotra aman-tanany, dia hoy izy: “Izao no lazain’ny fanahy masina: ‘Toy izao no hamatoran’ny+ Jiosy any Jerosalema ny lehilahy tompon’ity fehikibo ity, ary hatolotr’izy+ ireo eo an-tanan’ny olona hafa firenena izy.’” 12  Rehefa nandre izany izahay sy ireo tao amin’io toerana io, dia niangavy an’i Paoly mba tsy hiakatra+ ho any Jerosalema. 13  Fa namaly izy hoe: “Fa nahoana ianareo no mitomany+ sy manaketraka ny foko+ toy izao? Izaho ange vonona ny hafatotra e, ary na ny ho faty+ any Jerosalema koa aza, noho ny anaran’i Jesosy Tompo.” 14  Koa tsy nety niova hevitra mihitsy izy ary nanaiky ny teniny izahay, ka nanao hoe: “Aoka ny sitrapon’i+ Jehovah no hatao.” 15  Rehefa afaka ireo andro ireo, dia niomana ho amin’ny dia izahay, ary niakatra tany Jerosalema.+ 16  Niaraka taminay koa ny mpianatra sasany avy any Kaisaria+ mba hitondra anay ho any amin’ilay tokony hampiantrano anay, dia i Menasona avy any Sipra, izay efa mpianatra hatry ny ela. 17  Faly nandray+ anay ny rahalahy, nony tonga tany Jerosalema izahay.+ 18  Fa niditra tao amin’i Jakoba+ niaraka taminay kosa i Paoly ny ampitso, ary tao daholo ny anti-panahy rehetra. 19  Niarahaba azy ireo i Paoly ary nitantara tamin’ny an-tsipiriany+ izay nataon’Andriamanitra teo amin’ny olona hafa firenena, noho ny fanompoana nataony.+ 20  Nanome voninahitra an’Andriamanitra izy ireo nony avy nandre izany, ka nanao tamin’i Paoly hoe: “Hitanao moa, ry rahalahy, fa misy an’arivony ny Jiosy mpino, ary fatra-panaraka ny Lalàna+ izy rehetra. 21  Nisy tsaho anefa ren’izy ireo momba anao hoe ianao, hono, mampianatra ny Jiosy rehetra any amin’ny firenena hafa mba hiala amin’ny Lalàn’i Mosesy,+ ka milaza amin’izy ireo mba tsy hamora+ ny zanany na hanaraka ny fomba fanao. 22  Koa inona no tokony hatao amin’izany? Tsy maintsy ho reny mantsy izao hoe tonga ianao. 23  Koa ataovy izao lazainay aminao izao: Misy efa-dahy eto, izay efa nivoady. 24  Ento ireo,+ ka midiova miaraka aminy ianao araka ny Lalàna, ary aloavy izay ho lany+ mba hanaratana ny lohany.+ Amin’izay dia ho fantatry ny rehetra fa tsy misy mitombina ny tsaho naely momba anao, fa mitondra tena tsara ianao sady mitandrina ny Lalàna koa.+ 25  Ny amin’ireo hafa firenena efa mpino kosa, dia efa nalefanay ny fanapahan-kevitray ny amin’ny tokony hifadian’izy ireo ny zavatra natao sorona ho an’ny sampy,+ mbamin’ny ra+ sy ny biby nokendaina+ ary ny fijangajangana.”+ 26  Koa nentin’i Paoly ireo lehilahy ireo ny ampitso. Ary nanadio ny tenany niaraka tamin’izy ireo izy, araka ny Lalàna,+ ary niditra tao amin’ny tempoly mba hampahafantarana fa ho tapitra+ ny andro fidiovany araka ny Lalàna, mandra-panolotra fanatitra+ ho an’ny tsirairay amin’izy ireo.+ 27  Ary rehefa ho tapitra ny fito+ andro, dia nahita an’i Paoly tao amin’ny tempoly ny Jiosy avy any Azia, ka nampisahotaka ny vahoaka rehetra+ ary nisambotra an’i Paoly, 28  sady niantsoantso hoe: “Vonjeo, ry Israelita, fa io ilay lehilahy mampianatra ny olona rehetra hatraiza hatraiza hanohitra ny vahoaka+ sy ny Lalàna ary ity toerana ity. Ary mbola nampiditra Grika tato amin’ny tempoly koa izy ka nandoto ity toerana masina ity.”+ 29  Efa hitan’izy ireo niaraka tamin’i Paoly tao an-tanàna mantsy i Trofimo+ Efesianina, ka noheveriny fa nampidirin’i Paoly tao amin’ny tempoly izy. 30  Dia nisavorovoro ny iray tanàna,+ ary nihazakazaka nitangorona ny olona. Koa nosamborin’izy ireo i Paoly ka notaritaritiny tany ivelan’ny tempoly,+ ary nohidiana avy hatrany ny vavahady. 31  Rehefa nitady hamono azy izy ireo, dia tonga tany amin’ny mpitari-tafika ny teny hoe nisahotaka ny olona rehetra tao Jerosalema.+ 32  Koa naka miaramila sy manamboninahitra avy hatrany izy, ary nihazakazaka nidina ho any amin’ireo.+ Nijanona tsy nikapoka an’i Paoly intsony ireo raha vao nahita an’ilay mpitari-tafika+ sy ny miaramila. 33  Dia nanatona ilay mpitari-tafika ka nisambotra an’i Paoly ary nanome baiko mba hamatorana azy amin’ny rojo vy+ anankiroa. Ary nanontany izy hoe iza izy ary inona no nataony. 34  Fa niantsoantso ny vahoaka, ka hafa no nolazain’ny sasany, ary hafa no nolazain’ny sasany.+ Koa tsy nahafantatra izay tena marina ilay mpitari-tafika, vokatry ny tabataba. Dia nandidy ny hitondrana an’i Paoly ho any amin’ny toby miaramila izy.+ 35  Rehefa teo amin’ny tohatoha-bato anefa i Paoly, dia nihasarotra ny raharaha, hany ka nobatain’ny miaramila izy satria nahery setra ny vahoaka. 36  Mbola nisy olona maro be nanaraka ihany anefa sady niantsoantso hoe: “Vonoy any io!”+ 37  Ary nony efa hoentin’ny miaramila ho any an-toby i Paoly, dia hoy izy tamin’ilay mpitari-tafika: “Mahazo milaza zavatra aminao ve aho?” Hoy izy: “Mahay miteny grika angaha ianao? 38  Fa tsy ianao moa ilay Ejipsianina nandrisika olona hikomy tamin’ny fanjakana fahiny,+ sady nitondra an’ireo efatra arivo lahy mpitan-tsabatra ho any an-tany efitra?” 39  Hoy i Paoly: “Izaho ange Jiosy+ e, ary avy any Tarsosy+ any Kilikia, sady olom-pirenen’ny tanàna malaza. Koa miangavy anao aho, avelao aho hiteny amin’ny olona.” 40  Dia nahazo alalana i Paoly, ka nitsangana teo amin’ny tohatoha-bato ary nanao fihetsika+ tamin’ny tanany mba hampangina ny olona. Koa nangina daholo ny rehetra. Ary niteny tamin’ny teny hebreo+ izy hoe:

Fanamarihana