Asan’ny Apostoly 22:1-30

22  “Ry rahalahy+ sy ianareo raiamandreny, henoy ankehitriny fa hiteny hiaro ny tenako+ aho.”  Ary vao mainka nangina izy ireo rehefa nandre azy niteny hebreo+ taminy. Dia hoy izy:  “Jiosy aho,+ ary teraka tany Tarsosy any Kilikia,+ nefa nampianarina teto amin’ity tanàna ity teo an-tongotr’i Gamaliela,+ ary nobeazina araka ny fampianarana hentitra+ momba ny Lalàn’ny razambentsika, ka nafana fo+ tamin’ny fanompoana an’Andriamanitra tahaka anareo rehetra ireo.  Dia nenjehiko izay anisan’izany Lalana izany, ary tonga hatramin’ny famonoana azy ireo ho faty aho,+ ka nofatorako sy natolotro mba hatao am-ponja ireny,+ na lahy na vavy.  Ary afaka mijoro ho vavolombelon’ny zavatra nataoko ny mpisoronabe sy ny anti-panahy+ rehetra. Avy tamin’izy ireo koa no nakako taratasy+ ho an’ireo rahalahy tany Damaskosy, ary efa teny an-dalana haka an-dry zareo tany aho, mba hitondrako azy mifatotra hankatỳ Jerosalema mba hosazina.  “Raha mbola teny an-dalana anefa aho ka efa nanakaiky an’i Damaskosy, rehefa tokony ho mitataovovonana, dia nisy hazavana be avy tany an-danitra nanjelanjelatra tampoka nanodidina ahy.+  Dia lavo tamin’ny tany aho, ka nandre feo nilaza tamiko hoe: ‘Saoly, Saoly, nahoana no manenjika ahy ianao?’+  Koa namaly aho hoe: ‘Iza moa ianao, tompoko?’ Ary hoy izy: ‘Izaho no Jesosy avy any Nazareta, izay enjehinao.’+  Nahita ny hazavana koa ireo lehilahy niaraka tamiko,+ saingy tsy nandre ny tenin’ilay niresaka tamiko.+ 10  Dia hoy aho: ‘Inona, tompoko, no tokony hataoko?’+ Ary hoy ny Tompo tamiko: ‘Mitsangàna ka mandehana any Damaskosy, fa any no hilazana aminao izay rehetra asaina hataonao.’+ 11  Tsy nahita na inona na inona anefa aho noho ilay hazavana namirapiratra be, ka tsy tonga tany Damaskosy raha tsy notantanan’ireo niaraka tamiko.+ 12  “Ary tonga i Ananiasy, lehilahy matahotra an’Andriamanitra sady mankatò ny Lalàna ary tsara laza+ teo amin’ny Jiosy rehetra nonina tany. 13  Koa rehefa tonga teo amiko izy, dia nijoro teo anilako ka nanao tamiko hoe: ‘Ry Saoly, rahalahy, aoka hahiratra indray ianao!’+ Ary nitraka nijery azy aho tamin’izay ora izay indrindra. 14  Dia hoy izy: ‘Andriamanitry ny razantsika+ efa nifidy anao+ mba hahalalanao ny sitrapony sy hahitanao+ an’Ilay marina+ ary handrenesanao ny feo naloaky ny vavany,+ 15  satria ho vavolombelony amin’ny olona rehetra ianao ny amin’ny zavatra hitanao sy renao.+ 16  Koa inona no andrasanao? Mitsangàna, ary aoka hatao batisa+ ianao ka hiantso ny anarany mba ho voasasa+ ho afaka amin’ny fahotanao.’+ 17  “Rehefa niverina teto Jerosalema aho+ ka nivavaka tao amin’ny tempoly, dia nahita fahitana.+ 18  Ary hitako ny Tompo nilaza tamiko hoe: ‘Faingàna, mialà haingana eto Jerosalema fa tsy hanaiky+ ny fijoroanao ho vavolombeloko ireo.’ 19  Dia hoy aho: ‘Tompo ô, fantatr’izy ireo tsara ange fa izaho no mpanao am-ponja+ sy mpikapoka an’izay nino anao, isaky ny synagoga e!+ 20  Ary tamin’ny nandatsahan-dra an’i Stefana+ vavolombelonao, dia mba nijoro teo koa aho, ka nankasitraka izany+ ary niambina ny akanjo ivelan’ireo namono azy.’ 21  Hoy anefa izy tamiko: ‘Mandehana fa hirahiko ho any amin’ny hafa firenena any lavitra ianao.’”+ 22  Nihaino an’i Paoly izy ireo hatreo amin’izany teny izany, fa avy eo kosa nanandratra ny feony, nanao hoe: “Fongory amin’ny tany ilehio, fa tsy mendrika ny ho velona akory!”+ 23  Ary satria niantsoantso izy ireo sady nanipy ny akanjony ivelany ary nanipy vovoka teny amin’ny rivotra,+ 24  dia nandidy ny hitondrana an’i Paoly ho any amin’ny toby miaramila ny mpitari-tafika, ary nilaza fa tokony hokaravasina i Paoly rehefa fotopotorana, mba ho tena fantatr’ilay mpitari-tafika ny antony nitabataban’ny olona+ taminy toy ireny. 25  Rehefa natsotra mba hokaravasina i Paoly, dia hoy izy tamin’ilay manamboninahitra nijoro teo: “Azonareo atao angaha ny mikapoka Romanina+ mbola tsy voaheloka?” 26  Dia nankany amin’ilay mpitari-tafika ilay manamboninahitra rehefa nandre izany, ka nilaza hoe: “Inona no kasainao hatao izao fa, hay, Romanina io lehilahy io?” 27  Ary nanatona ilay mpitari-tafika ka nanao tamin’i Paoly hoe: “Hono ho’aho, Romanina+ ve ianao?” Ary hoy izy: “Ia!” 28  Hoy ilay mpitari-tafika: “Vola be no naloako vao nahazo ny zo ho olom-pirenena romanina aho.” Fa hoy i Paoly: “Izaho kosa vao teraka+ dia efa nanana izany zo izany.” 29  Avy hatrany dia niala teo aminy ireo lehilahy saika hampijalijaly azy mandritra ny famotopotorana. Ary natahotra ilay mpitari-tafika rehefa tena nahafantatra fa Romanina+ izy nefa nasainy nofatorana. 30  Ny ampitso àry, dia te hahalala izay tena antony niampangan’ny Jiosy an’i Paoly izy. Koa novahany ny fatorany ary nasainy nivory ny lehiben’ny mpisorona sy izay rehetra anisan’ny Fitsarana Avo Jiosy. Ary nampidininy i Paoly ka nasainy nijoro teo anivon’izy ireo.+

Fanamarihana