Asan’ny Apostoly 23:1-35

23  Nobanjinin’i Paoly ireo anisan’ny Fitsarana Avo Jiosy, ka hoy izy: “Ry rahalahy, nitondra tena tsara teo anatrehan’Andriamanitra, tamin’ny feon’ny fieritreretana madio+ tanteraka aho mandraka androany.”  Koa nasain’i Ananiasy mpisoronabe namely+ ny vavan’i Paoly ireo nijoro teo anilany.  Fa hoy i Paoly: “Hamely anao koa Andriamanitra, ry rindrina voalalotra fotsy!+ Sady mipetraka hitsara ahy araka ny Lalàna+ ve ianao no mandika ny Lalàna+ ka mandidy ny hamelezana ahy?”  Dia hoy ireo nijoro teo: “Tevatevainao ve ny mpisoronaben’Andriamanitra?”  Ary hoy i Paoly: “Tsy fantatro hoe mpisoronabe izy, ry rahalahy, fa voasoratra aloha hoe: ‘Aza vingavingaina ny mpitondra eo amin’ny firenenao.’”+  Rehefa tsikaritr’i Paoly fa Sadoseo+ ny sasany ary Fariseo kosa ny sasany, dia niteny mafy teo anatrehan’ny Fitsarana Avo izy hoe: “Ry rahalahy! Fariseo aho,+ ary zanaky ny Fariseo. Ny amin’ny fanantenana fitsanganana+ amin’ny maty no itsarana ahy.”+  Dia nifanditra+ ny Fariseo sy ny Sadoseo noho ny nilazany izany, ka nizara ho ankolafiny roa ireo olona maro be tao.  Ny Sadoseo+ mantsy milaza fa tsy misy fitsanganana amin’ny maty+ na anjely na fanahy. Fa ny Fariseo kosa manambara ampahibemaso fa mino izany rehetra izany.  Koa nisy nilelalela mafy+ tao, ary nitsangana ny sasany tamin’ireo mpanora-dalàna mpomba ny Fariseo, ka nanizingizina mafy hoe: “Tsy hitanay izay fahadisoan’io lehilahy io.+ Fa raha nisy fanahy na anjely niresaka taminy,+ ...” 10  Ary nitombo ny fifandirana ka natahotra ilay mpitari-tafika sao hifandroritan’izy ireo i Paoly. Koa nobaikoiny hidina ny andia-miaramila+ mba hisintona azy haingana avy teo afovoan’ny olona ary hitondra azy ho any an-toby.+ 11  Nijoro teo anilany anefa ny Tompo ny alin’iny,+ ka nanao hoe: “Mahereza!+ Fa toy ny nanazavanao tsara*+ ny momba ahy teto Jerosalema no tsy maintsy hitorianao ny teny any Roma koa.”+ 12  Niray tetika mangingina+ ny Jiosy nony maraina, ka niozona+ fa tsy hihinana na hisotro raha tsy efa matiny i Paoly.+ 13  Mihoatra ny efapolo lahy no niray tetika sy niozona toy izany. 14  Dia nankany amin’ny lehiben’ny+ mpisorona sy ny anti-panahy izy ireo, ka nanao hoe: “Efa niozona mafy izahay fa tsy hihinan-kanina na dia kely aza raha tsy efa matinay i Paoly. 15  Koa aoka ianareo sy ny Fitsarana Avo hanazava amin’ilay mpitari-tafika ny antony tokony hitondrany azy hidina atỳ aminareo, ka ataovy toy ny hoe te hamantatra marina kokoa momba ilay raharaha itsarana azy ianareo.+ Fa ho efa vonona ny hamono azy izahay raha mbola tsy manatona anareo akory izy.”+ 16  Ren’ny zanak’anabavin’i Paoly anefa fa hiafina mba hanafika izy ireo,+ ka lasa niditra tao an-toby izy ary nilaza izany tamin’i Paoly. 17  Dia nantsoin’i Paoly ny manamboninahitra anankiray, ka hoy izy: “Ento any amin’ny mpitari-tafika ity ankizilahy ity fa misy zavatra holazainy aminy.” 18  Koa nalain’ilay lehilahy izy ka nentiny tany amin’ilay mpitari-tafika, dia hoy ralehilahy: “Nantsoin’ilay voafonja atao hoe Paoly aho, ka nasainy nitondra an’ity ankizilahy ity ho atỳ aminao fa misy zavatra holazainy aminao, hono.” 19  Notantanan’ilay mpitari-tafika izy+ ka nentiny niala teo, ary nanontaniany nitokana hoe: “Inona izany holazainao amiko izany?” 20  Dia hoy ilay ankizilahy: “Efa nifanara-kevitra ny Jiosy fa hangataka anao hampidina an’i Paoly ho any amin’ny Fitsarana Avo rahampitso, toy ny hoe mba hahalalany marina kokoa momba azy.+ 21  Koa aza manaiky horeseny lahatra ianao fa lehilahy efapolo mahery ry zareo no efa miafina mba hanafika+ azy, ary efa niozona ireo fa tsy hihinana na hisotro raha tsy efa matiny i Paoly.+ Ary efa vonona izy ireo izao, ka ny fanomezan-dalana avy aminao no sisa andrasany.” 22  Dia nalefan’ilay mpitari-tafika handeha ilay ankizilahy, rehefa avy norarany hoe: “Aza lazalazaina na amin’iza na amin’iza hoe nampahafantarinao ahy izany.” 23  Ary nampiantso manamboninahitra roa lahy izy, ka nanao hoe: “Manomàna miaramila roanjato lahy handeha hatrany Kaisaria, ary mpitaingin-tsoavaly fitopolo sy mpitan-defona roanjato, amin’ny ora fahatelo anio alina. 24  Dia manomàna koa soavaly hitaingenan’i Paoly ary ento soa aman-tsara any amin’i Feliksa Governora izy.” 25  Ary nanoratra izy, ka toy izao no voalazan’ny taratasiny: 26  “Klaodio Lysia miarahaba an’Andriamatoa hajaina, Governora Feliksa.+ 27  Nosamborin’ny Jiosy ity lehilahy ity ary efa saika novonoiny ho faty, kanjo tonga tampoka aho niaraka tamin’ny andia-miaramila ka namonjy azy,+ satria reko fa Romanina izy.+ 28  Tiako ho fantatra tsara izay antony hiampangan’izy ireo azy, ka nentiko nidina ho eo amin’ny Fitsarana Avo Jiosy izy.+ 29  Hitako fa adihevitra momba ny Lalàn-dry zareo+ no iampangany azy fa tsy misy zavatra tokony hamonoana azy ho faty na hamatorana azy.+ 30  Nampahafantarina ahy anefa fa misy tetika maizina+ natao hamonoana azy, koa alefako avy hatrany atỳ aminao izy. Ary eo anatrehanao ny mpiampanga azy no asaiko milaza izay iampangany azy.”+ 31  Koa nalain’ireo miaramila+ ireo i Paoly, araka ny baiko azony, ka nentiny alina ho any Antipatria. 32  Navelan’izy ireo hiaraka taminy ireo mpitaingin-tsoavaly ny ampitso, fa izy ireo kosa niverina tany an-toby. 33  Niditra tao Kaisaria+ ireo mpitaingin-tsoavaly ka nanolotra ilay taratasy tamin’ny governora sady nampahafantatra an’i Paoly taminy koa. 34  Dia novakin’ny governora ilay taratasy ary nanontaniany i Paoly hoe avy amin’ny faritany aiza izy, sady nofantariny tsara+ raha avy any Kilikia.+ 35  “Hohenoiko tsara izay rehetra holazainao, rehefa tonga koa ny mpiampanga anao”,+ hoy izy. Ary nanome baiko izy mba hiambenana azy ao amin’ny lapam-panjakan’i Heroda.

Fanamarihana

Na: “nitorianao tamin’ny fomba feno.”