Asan’ny Apostoly 24:1-27

24  Rehefa afaka dimy andro, dia nidina tany Kaisaria i Ananiasy+ mpisoronabe sy ny anti-panahy sasany ary Tertylo mpisolovava, ka niampanga+ an’i Paoly tamin’ny governora.+  Koa rehefa nantsoina i Tertylo, dia nanomboka niampanga azy hoe: “Milamina tsara ny eto aminay+ noho ianao, ry Feliksa hajaina ô, ary ny fahaizanao mitsinjo ny hoavy no itondranao fanavaozana eto amin’ity firenena ity.  Koa amim-pankasitrahana lehibe indrindra no andraisanay izany, ry Feliksa Governora hajaina,+ eny, raisinay amim-pankasitrahana mandrakariva hatraiza hatraiza.  Mba tsy hihazonana anao maharitra anefa, dia miangavy anao aho hihaino anay vetivety araka ny haben’ny hatsaram-ponao.  Hitanay mantsy fa mpanakorontana+ io lehilahy io, ary ampirisihiny hikomy amin’ny fanjakana+ ny Jiosy rehetra manerana ny tany onenana, ary izy no mitarika an’ilay sektan’ny Nazareanina.+  Nitady hanazimbazimba ny tempoly+ koa izy ka nosamborinay. 7 * ——  Ho hitanao fa marina izany zavatra rehetra iampanganay azy izany rehefa hofotoranao izy.”  Ary niampanga azy koa ny Jiosy ka nanizingizina fa izany tokoa no izy. 10  Dia nanao fihetsika tamin’ny lohany ny governora mba hanomezana fitenenana an’i Paoly, ka hoy ny navalin’i Paoly: “Fantatro tsara fa mpitsaran’ity firenena ity efa an-taonany maro ianao. Koa faly aho hilaza aminao ny mombamomba ahy ho fiarovan-tenako.+ 11  Azonao porofoina koa fa tsy mihoatra ny roa ambin’ny folo andro izay no niakarako hivavaka+ tany Jerosalema. 12  Ary tsy nahita ahy niady hevitra tamin’olona tao amin’ny tempoly+ ireo na namory vahoaka+ hirotaka, na tao amin’ny synagoga izany na eran’ny tanàna. 13  Tsy afaka manaporofo+ an’ireo zavatra iampangany ahy ankehitriny koa ireo. 14  Ekeko eto anatrehanao kosa anefa, fa araka ilay fomba fivavahana antsoin’izy ireo hoe ‘sekta’, eny, araka izany fomba izany no anompoako ny Andriamanitry ny razako,+ satria inoako izay rehetra voalazan’ny Lalàna+ sy voasoratra ao amin’ny Mpaminany. 15  Ary manantena+ amin’Andriamanitra aho, araka izay antenain’izy ireo koa, fa hisy fitsanganan’ny+ marina+ sy ny tsy marina.+ 16  Izany indrindra no iezahako mandrakariva hanana feon’ny fieritreretana madio,+ izay milaza amiko fa tsy nanao ratsy teo anatrehan’Andriamanitra sy ny olona aho. 17  Taona maro tatỳ aoriana àry, dia tonga teo amin’ny fireneko aho mba hitondra fanomezana ho an’ny mahantra sy hitondra fanatitra.+ 18  Madio araka ny Lalàna aho tamin’izaho hitan’izy ireo tao amin’ny tempoly,+ ary tsy niaraka tamin’olona maro be na nitabataba. Fa nisy Jiosy avy any amin’ny faritr’i Azia tao, 19  ary tokony ho tonga hiampanga ahy eto anatrehanao izy ireo raha misy zavatra iampangany ahy!+ 20  Na aoka ireto olona manatrika eto ireto no hilaza izay ratsy hitany nataoko fony aho nijoro teo anatrehan’ny Fitsarana Avo Jiosy, 21  raha tsy hoe noheverin’izy ireo ho nanao ratsy angaha aho rehefa nilaza an’izao teny indraim-bava izao, tamin’izaho nijoro teo anatrehan’izy ireo: ‘Ny amin’ny fitsanganana amin’ny maty no itsarana ahy eto anatrehanareo anio!’”+ 22  Nampihemotra an’ilay raharaha anefa i Feliksa,+ izay nahalala marina tsara ny amin’izany Lalana+ izany, ka nanao hoe: “Rehefa midina atỳ i Lysia+ mpitari-tafika vao hanapa-kevitra ny amin’ity raharahanareo ity aho.” 23  Ary nomeny baiko ilay manamboninahitra mba hitana an’i Paoly, nefa koa hanalefaka ny fanagadrana azy, ary tsy handrara an’izay namany te hikarakara azy.+ 24  Ary tonga i Feliksa+ andro vitsivitsy taorian’izay, niaraka tamin’i Drosila vadiny, vehivavy jiosy.+ Dia nampaka an’i Paoly izy ka nihaino izay nolazainy ny amin’ny finoana an’i Kristy Jesosy.+ 25  Rehefa niresaka momba ny fahamarinana+ sy ny fifehezan-tena+ ary ny fitsarana+ ho avy anefa i Paoly, dia natahotra izy ka nanao hoe: “Mandehana aloha, fa mbola hampaka anao ihany aho rehefa mety ny fotoanako.” 26  Nanantena ny homen’i Paoly vola+ koa anefa izy, ka izany no nahatonga azy hampaka azy matetika kokoa sy hiresaka taminy.+ 27  Roa taona tatỳ aoriana anefa, dia i Porsio Festosy no nandimby an’i Feliksa. Ary navelan’i Feliksa nifatotra i Paoly, satria te hahazo sitraka+ tamin’ny Jiosy izy.

Fanamarihana

Jereo Mt 17:21 f.a.p.