Asan’ny Apostoly 25:1-27

25  Koa telo andro taorian’ny nandraisan’i Festosy ny fitondrana+ an’ilay faritany, dia niala tany Kaisaria izy ka niakatra tany Jerosalema.+  Dia niampanga an’i Paoly ireo lehiben’ny mpisorona sy lohandohany teo amin’ny Jiosy.+ Koa niangavy an’i Festosy izy ireo  mba hanaiky ny fangatahany, dia ny hoe tokony hampanalainy hankany Jerosalema i Paoly. Nisy tamin’izy ireo mantsy efa niafina mba hanafika+ sy hamono azy teny an-dalana.  Ary namaly i Festosy fa tokony hotanana any Kaisaria ihany i Paoly, ary izy rahateo hiverina any tsy ho ela.  “Koa aoka ireo lehibenareo”, hoy izy, “hiara-midina amiko hiampanga an-dralehilahy,+ raha nanao zavatra tsy nety izy.”  Koa tsy nijanona tany amin’izy ireo afa-tsy valo na folo andro izy, ary nidina tany Kaisaria avy eo. Ary nipetraka teo amin’ny toeram-pitsarana+ izy ny ampitson’iny, ka nandidy ny hitondrana an’i Paoly.  Rehefa tonga i Paoly, dia nitsangana nanodidina azy ny Jiosy nidina avy tany Jerosalema, ka nilaza fiampangana lehibe maro+ izay tsy hainy noporofoina akory.  Fa hoy i Paoly rehefa niaro ny tenany: “Tsy nanota tamin’ny Lalàn’ny Jiosy aho, na tamin’ny tempoly+ na tamin’i Kaisara.”+  Fa nila sitraka+ tamin’ny Jiosy i Festosy ka namaly an’i Paoly hoe: “Tianao ve ny hiakatra ho any Jerosalema ka hotsaraina eo anatrehako ny amin’izany zavatra izany?”+ 10  Fa hoy i Paoly: “Mijoro eto anoloan’ny fitsaran’i Kaisara aho,+ ary eto no tokony hitsarana ahy. Tsy nanao ratsy tamin’ny Jiosy aho,+ ary fantatrao tsara koa izany. 11  Fa raha tena mpanao ratsy+ tokoa aho ka nahavita zavatra tokony hamonoana ahy ho faty,+ dia tsy mandà ny ho faty aho. Fa raha tsy misy mitombina kosa ny zavatra iampangan’ireto lehilahy ireto ahy, dia tsy misy afaka manolotra ahy amin’izy ireo mba hampifaliana azy ireo fotsiny. Ampakariko any amin’i Kaisara ny raharaha!”+ 12  Ary niresaka tamin’ireo mpanolo-tsaina aloha i Festosy vao niteny hoe: “Nampakarinao any amin’i Kaisara ny raharaha, ka dia ho any amin’i Kaisara tokoa ianao.” 13  Tonga tany Kaisaria i Agripa Mpanjaka sy Berenika, andro vitsivitsy taorian’izay, mba hitsidika an’i Festosy ara-pomba fifanajana. 14  Koa satria nijanona andro maromaro tao izy ireo, dia nambaran’i Festosy tamin’ny mpanjaka ny momba an’i Paoly. Hoy izy: “Misy lehilahy voafonja navelan’i Feliksa ato. 15  Ary nampahafantarin’ny lehiben’ny mpisorona sy ny anti-panahin’ny Jiosy ahy ny momba azy,+ fony aho tany Jerosalema, ka nangataka ny hanamelohana azy izy ireo. 16  Novaliako anefa izy ireo fa tsy fanaon’ny Romanina ny manolotra olona mba hampifaliana ny hafa fotsiny, raha tsy hoe efa nampifanatrehina tamin’ny mpiampanga azy angaha ilay olona,+ ka afaka niaro tena ny amin’izay iampangana azy. 17  Koa tsy nangataka andro aho rehefa tonga teto izy rehetra, fa ny ampitson’iny ihany dia nipetraka teo amin’ny toeram-pitsarana aho ka nandidy ny hitondrana an-dralehilahy. 18  Nitsangana ny mpiampanga azy, nefa tsy ny zava-dratsy noeritreretiko no niampangany+ azy. 19  Hay nisy adihevitra fotsiny teo amin-dry zareo momba ny fivavahany+ amin’andriamanitra sy momba ilay atao hoe Jesosy izay efa maty, kanefa izingizinin’i Paoly fa velona.+ 20  Tsy hitako izay hatao manoloana izany adihevitra izany, ka nanontaniako izy raha te ho any Jerosalema mba hotsaraina any ny amin’izany raharaha izany.+ 21  Nangataka+ ny hotanana anefa izy mba ho Ilay Heni-kaja no hanapa-kevitra ny aminy. Koa nandidy ny hitanana azy aho mandra-pandefako azy hiakatra ho any amin’i Kaisara.” 22  Dia hoy i Agripa tamin’i Festosy: “Mba te hihaino an’izany lehilahy izany koa aho.”+ Hoy i Festosy: “Hihaino azy ianao rahampitso.” 23  Koa ny ampitson’iny àry, dia tonga tamin’ny fomba nanetriketrika be+ i Agripa sy Berenika, ary niditra tao amin’ny efitra fitsarana, niaraka tamin’ny mpitari-tafika sy ny olona ambony tao an-tanàna. Dia nanome baiko i Festosy ka nampidirina i Paoly. 24  Ary hoy i Festosy: “Ry Agripa Mpanjaka sy ianareo rehetra izay manatrika eto miaraka aminay, io hitanareo io ilay lehilahy nangatahin’ny Jiosy maro be tamiko, na tany Jerosalema na teto, ka niantsoantsoan’izy ireo hoe tsy mendrika ny ho velona intsony izy.+ 25  Takatro anefa fa tsy nanao zavatra tokony hamonoana azy izy.+ Koa rehefa nampakatra ny raharaha+ any amin’Ilay Heni-kaja izy, dia tapa-kevitra aho fa handefa azy ho any. 26  Tsy azoko antoka anefa izay hosoratako ho an’ny Tompoko momba azy. Koa nentiko eto anatrehanareo izy, ary indrindra fa eto anatrehanao ry Agripa Mpanjaka ô, mba hisy zavatra hosoratako rehefa vita ny famotorana.+ 27  Tsy mety mantsy, araka ny hevitro, ny manatitra voafonja nefa tsy milaza ny fiampangana azy.”

Fanamarihana