Asan’ny Apostoly 26:1-32

26  Hoy i Agripa+ tamin’i Paoly: “Mahazo miteny hiaro ny tenanao ianao izao.” Dia nanatsotra ny tanany i Paoly,+ ka nilaza toy izao ho fiarovan-tena:+  “Faly aho, ry Agripa Mpanjaka, fa eto anatrehanao no ilazako ny fiarovan-tenako anio, ny amin’ny zavatra rehetra iampangan’ny+ Jiosy ahy.  Faly tokoa aho, satria ianao mahay tsara ny fanao+ sy ny adihevitra rehetra eo amin’ny Jiosy. Koa miangavy anao aho mba haharitra hihaino ahy.  “Fantatry ny Jiosy rehetra ny fomba fiainako+ nanomboka tamin’ny fahazazako, dia ny fiainako hatrany am-piandohana teo amin’ny fireneko sy tany Jerosalema.  Eny, fantatry ny Jiosy, izay nahalala tsara ahy hatramin’ny voalohany—ary afaka mijoro ho vavolombelon’izany izy ireo, raha tiany—fa efa Fariseo aho,+ ka nanaraka ilay sekta hentitra indrindra+ tao amin’ny fivavahanay.  Noho ny fanantenako+ an’ilay fampanantenana+ nataon’Andriamanitra tamin’ny razantsika anefa no ijoroako hotsaraina eto anatrehan’ny fitsarana ankehitriny.  Fa manantena ny hahita ny fahatanterahan’izany fampanantenana izany ny foko roa ambin’ny folon’Israely, ka mazoto manao fanompoana masina ho azy andro aman’alina.+ Ny amin’izany fanantenana izany no iampangan’ny+ Jiosy ahy, ry mpanjaka ô!  “Fa nahoana no heverinareo fa tsy azo inoana hoe manangana ny maty Andriamanitra?+  Raha izaho aloha dia tena nihevitra aho tany anatiko tany fa tokony hanao zavatra maro hanoherana ny anaran’i Jesosy avy any Nazareta. 10  Ary izany tokoa no nataoko tany Jerosalema, ka maro tamin’ireo olona masina no nohidiako tany am-ponja,+ satria nahazo fahefana avy tamin’ny lehiben’ny mpisorona aho.+ Ary rehefa hovonoina ho faty ireny, dia mba nandatsa-bato nanaiky izany aho. 11  Imbetsaka aho no nanasazy azy tany amin’ny synagoga rehetra,+ ka niezaka ny hanery azy handa ny finoany. Ary satria tezitra mafy dia mafy tamin’izy ireny aho, dia vitako hatramin’ny nanenjika azy tany amin’ny tanàna ivelany mihitsy aza. 12  “Ary raha mbola niezaka nanao izany aho, ka nandeha ho any Damaskosy+ fa nahazo fahefana sy fanomezan-dalana avy tamin’ny lehiben’ny mpisorona, 13  dia nahita hazavana teny an-dalana, tamin’ny mitataovovonana, ry mpanjaka ô, dia hazavana namirapiratra mihoatra noho ny masoandro. Nanjelanjelatra avy tany an-danitra ilay izy, ka nanodidina ahy sy izay niara-dia tamiko.+ 14  Dia lavo tamin’ny tany daholo izahay rehetra, ary nandre feo aho nilaza tamiko tamin’ny teny hebreo hoe: ‘Saoly, Saoly, nahoana no manenjika ahy ianao? Ianao ihany ange no ho voan’ny ataonao raha mitsipaka lava ny hazo fanindronana* ianao e!’+ 15  Fa hoy aho: ‘Iza moa ianao, tompoko?’ Dia hoy ny Tompo: ‘Izaho no Jesosy izay enjehinao.+ 16  Fa mitsangàna, ka mijoroa amin’ny tongotrao.+ Fa nataoko hitan’ny masonao aho mba hifidianako anao ho mpanompo sy ho vavolombelona+ hanambara ny zavatra efa hitanao sy mbola hasehoko anao momba ahy. 17  Ary hanafaka anao amin’ity vahoaka ity sy amin’ny hafa firenena izay anirahako anao aho.+ 18  Hirahiko hanokatra ny masony+ ianao sy hampiova azy hiala amin’ny haizina+ ho amin’ny mazava,+ ary hiala amin’ny fahefan’i Satana+ ho amin’Andriamanitra, mba hahazoany famelan-keloka+ sy lova+ miaraka amin’ireo nohamasinina+ noho ny finoana ahy.’ 19  “Ary tsy nanda aho, ry Agripa Mpanjaka ô, fa nankatò an’ilay fahitana avy tany an-danitra.+ 20  Koa nankany amin’izay tany Damaskosy+ aho aloha, ary avy eo nankany amin’izay tany Jerosalema+ sy eran’ny faritr’i Jodia ary tany amin’ny firenen-kafa,+ nitondra ilay hafatra hoe tokony hibebaka sy hiverina amin’Andriamanitra izy ireo ka hampiseho amin’ny ataony fa nibebaka izy.+ 21  Izany no antony nisamboran’ny Jiosy ahy tao amin’ny tempoly ka saika namonoany ahy.+ 22  Nahazo ny fanampian’Andriamanitra+ anefa aho, ka mbola mijoro ho vavolombelona mandraka androany, na amin’ny madinika na amin’ny lehibe, ary tsy milaza afa-tsy izay nambara fa hitranga, araka ny voalaza ao amin’ny Mpaminany+ sy Mosesy,+ 23  dia ny hoe tsy maintsy nijaly i Kristy,+ ary ho voalohany amin’izay hatsangana+ amin’ny maty, ka hitory fahazavana+ amin’ny vahoakan’Israely sy amin’ny hafa firenena.”+ 24  Ary raha mbola nilaza izany i Paoly ho fiarovan-tenany, dia niantsoantso i Festosy hoe: “Lasa adala+ ianao, ry Paoly! Mahalasa adala anao ny fianarana be!” 25  Fa hoy i Paoly: “Tsy lasa adala aho akory, ry Festosy Governora hajaina ô, fa milaza tenin’ny fahamarinana sy tenin’olona misaina tsara. 26  Mahalala tsara izany ny mpanjaka ka sahy miresaka aminy momba izany aho. Azoko antoka mantsy fa tsy misy tsy fantany izany rehetra izany, satria tsy nisy niafina ny nanaovana izany.+ 27  Mino ny Mpaminany ve ianao, ry Agripa Mpanjaka? Fantatro fa mino ianao.”+ 28  Hoy anefa i Agripa tamin’i Paoly: “Raha nisy kely foana dia ho naharesy lahatra ahy ho tonga Kristianina ianao.” 29  Dia hoy i Paoly: “Mangataka amin’Andriamanitra aho mba hahatongavanao ho toa ahy izao, na ho ela na ho haingana, ary tsy ianao ihany fa izay rehetra mandre ahy anio koa, eny, ho toa ahy izao, afa-tsy amin’ireto fatorana ireto.” 30  Dia nitsangana ny mpanjaka, ary nitsangana koa ny governora sy Berenika ary ny olona niara-nipetraka tamin’izy ireo. 31  Sady niala teo izy ireo no nifampiresaka hoe: “Tsy nanao zavatra tokony hamonoana azy ho faty+ na hamatorana azy io lehilahy io.” 32  Hoy koa i Agripa tamin’i Festosy: “Raha tsy nampakatra ny raharaha+ any amin’i Kaisara izy, dia ho efa nafahana.”

Fanamarihana

Hazo marani-doha fanindronana biby mba hibaikoana azy.