Asan’ny Apostoly 27:1-44

27  Tapaka ny hevitra fa handeha an-tsambo ho any Italia+ izahay. Koa natolotra an’i Jolio, manamboninahitra avy amin’ny andia-miaramilan’i Aogosto, i Paoly sy ny voafonja sasany.  Sambo avy tany Adramytena no niakaranay, ary efa nadiva hanainga ho any amin’ny toerana maro nanaraka ny morontsirak’i Azia izy io. Dia lasa izahay ary niaraka taminay koa i Aristarko,+ Makedonianina avy any Tesalonika.  Tonga tao Sidona izahay ny ampitson’iny. Tsara fanahy+ tamin’i Paoly i Jolio satria tia olona, ka namela azy ho any amin’ny namany sy hokarakarain’ireo.+  Ary niala tao izahay, ka nanaraka ny morony tsy azon-drivotra amin’i Sipra, satria notoherin’ny rivotra izahay.  Ary nandeha teny afovoan-dranomasina izahay rehefa nandalo tandrifin’i Kilikia sy Pamfylia, ka tody tao amin’ny seranan’i Myra, any Lykia.  Ary tao ilay manamboninahitra dia nahita sambo avy tany Aleksandria+ hankany Italia ka nasainy niakatra izahay.  Nandeha niadana nandritra ny andro maromaro ilay sambo, ary sahirana vao tonga tao Kinido, satria tsy namela anay handroso ny rivotra. Koa nanaraka ny morony tsy azon-drivotra amin’i Kreta, any Salmona, izahay.  Sahirana izahay vao afaka nanara-morona an’io tany io, ary tonga teo amin’ny seranana atao hoe Seranana Kanto. Teo akaikin’izy io no nisy ny tanànan’i Lasea.  Ary efa lasa be ny fotoana, ka efa nampidi-doza ny nandeha sambo, satria na ny fifadian-kanina amin’ny andro fandrakofam-pahotana+ aza efa lasa. Koa nanoro hevitra azy ireo i Paoly 10  hoe: “Hitako fa hiteraka fahasimbana sy fahavoazana be izao diantsika izao, tsy ho an’ny entana sy ny sambo ihany, fa ho an’ny aintsika koa.”+ 11  Ny tenin’ilay mpitondra sambo sy ny tompon-tsambo anefa no nohenoin’ilay manamboninahitra, fa tsy ny tenin’i Paoly. 12  Ary satria tsy tsara ijanonana amin’ny ririnina ilay seranana, dia nanoro hevitra ny hiaingana avy tao ny ankamaroan’ny olona, sao mba ho tonga hatrany Foiniksa ihany, ka any no hijanona mandritra ny ririnina. Seranan’i Kreta i Foiniksa, ary mitodika mianavaratra atsinanana sy mianatsimo atsinanana. 13  Rehefa nitsoka nalefaka ny rivotra avy any atsimo, dia nihevitra izy ireo fa efa ho tanteraka ny fikasany, ka nampiakatra ny vatofantsika izy ary nanara-morona an’i Kreta. 14  Tsy ela akory anefa dia nifofofofo namely an’ilay nosy ny rivo-mahery+ atao hoe Eorakylona. 15  Dia nopaohin’ny rivotra ilay sambo, ary tsy nahatohitra an’ilay rivotra ka dia navelanay hoentiny. 16  Nanaraka ny morony tsy azon-drivotra amin’ny nosy kely atao hoe Kaoda izahay, nefa saika tsy afaka naka an’ilay lakana famonjena aina+ teo amin’ny vodisambo. 17  Rehefa tafakatra an-tsambo ilay lakana, dia nofehezin’izy ireo ny manodidina ny fanambanin’ilay sambo mba hanamafisana azy. Ary natahotra ny hidona tamin’ny dongom-pasik’i Sirtisy izy ireo, ka nampidininy ireo tady nihazona ny lay, ary dia nentin’ny rivotra ny sambo. 18  Mbola natsipitsipin’ilay tafio-drivotra anefa izahay, ka natao izay hahamaivana+ an’ilay sambo ny ampitson’iny. 19  Ary ny tanan’izy ireo mihitsy no nanary ireo fitaovan’ilay sambo, tamin’ny andro fahatelo. 20  Tamin’izay dia efa andro maro no tsy nisehoan’ny masoandro na ny kintana, ary mafy ny tafio-drivotra+ namely anay, hany ka tsy nanantena firy ny ho voavonjy intsony izahay. 21  Ary efa ela ny olona no tsy nahahinan-kanina, ka nitsangana teo afovoan’izy ireo+ i Paoly, ary nilaza hoe: “Tokony ho nihaino ny teniko mihitsy ianareo, ka tsy niondrana an-tsambo avy tany Kreta, dia ho nisoroka izao fahasimbana sy fahavoazana izao.+ 22  Fa manoro hevitra anareo aho mba tsy ho kivy, satria tsy hisy aminareo hamoy ny ainy, fa ny sambo ihany no hafoy. 23  Nisy anjelin’ilay+ Andriamanitra tompoko sady anaovako fanompoana masina+ mantsy nitsangana teo anilako halina, 24  ka nanao hoe: ‘Aza matahotra, ry Paoly, fa tsy maintsy mijoro eo anatrehan’i Kaisara ianao.+ Tsara fanahy Andriamanitra ka hitsimbina ny ain’izay rehetra miara-dia aminao ato an-tsambo.’ 25  Koa mahereza! Mino an’Andriamanitra+ aho ka fantatro fa ho tanteraka tokoa izay nolazainy tamiko. 26  Tsy maintsy hidona amin’ny nosy iray+ anefa isika.” 27  Tonga ny alina fahefatra ambin’ny folo, ary mbola natopatopan’ny ranomasin’i Adria ihany izahay. Tamin’ny misasakalina, dia nanahy ireo tantsambo sao nanakaiky tany anankiray izahay. 28  Norefesiny ny halalin’ny rano ka hitany fa enina amby telopolo metatra. Dia nandeha kelikely izy ireo ka norefesiny indray, dia hitany fa fito amby roapolo metatra. 29  Natahotra izy ireo sao hidona amin’ny harambato izahay. Koa nalatsany ny vatofantsika efatra avy teo amin’ny vodisambo, ary tsy andriny izay hahamaraina ny andro. 30  Nitady handositra hiala tamin’ny sambo anefa ny tantsambo, ary nampidina ilay lakana ho eny an-dranomasina, ka mody hoe handatsaka vatofantsika avy eo amin’ny loha sambo. 31  Koa hoy i Paoly tamin’ilay manamboninahitra sy ny miaramila: “Raha tsy mijanona ato an-tsambo ireo olona ireo, dia tsy ho voavonjy ianareo.”+ 32  Dia notapahin’ny miaramila ny tadin’ilay lakana,+ ka navelany ho latsaka ilay lakana. 33  Nony efa nadiva haraina ny andro, dia nampirisika ny rehetra hihinan-kanina i Paoly. Hoy izy: “Anio no andro fahefatra ambin’ny folo niandrasanareo sy tsy nikasihanareo hanina, ka tsy nihinananareo na inona na inona. 34  Koa mampirisika anareo hihinan-kanina aho fa ilainareo izany mba hahavoavonjy anareo. Tsy hisy ho very mantsy na singam-bolo+ iray eo amin’ny lohanareo aza.” 35  Rehefa avy nilaza izany izy, dia mba naka mofo koa, ary nisaotra+ an’Andriamanitra teo anatrehan’ny rehetra ka nanapaka izany ary nanomboka nihinana. 36  Dia nihanahery ny rehetra ka nihinan-kanina koa. 37  Ary enina amby fitopolo sy roanjato izahay* rehetra tao an-tsambo. 38  Rehefa voky ireo, dia nariany tany an-dranomasina ny varimbazaha mba hanamaivanana+ an’ilay sambo. 39  Ela ny ela ka naraina ihany ny andro. Ary tsy fantatr’izy ireo ilay tany, fa helodrano misy torapasika kosa no hitany. Tapa-kevitra ny hampidona an’ilay sambo teo+ izy ireo, raha azony atao. 40  Koa notapahiny ireo vatofantsika ary navelany ho latsaka tany an-dranomasina. Novahany koa ny tady namatotra an’ireo fivoy familiana. Ary nony nampiakatra ny lay anoloana mba hotsofin’ny rivotra izy ireo, dia nandroso ho amin’ny torapasika. 41  Niantraika teo amin’ny dongom-pasika iray teo afovoan-dranomasina ilay sambo. Dia nadonan’izy ireo teo àry ilay sambo ka nihitsoka ny lohany, ary tsy nihetsika intsony, fa ny vodisambo kosa potipotika.+ 42  Koa tapa-kevitra ny hamono ny voafonja ny miaramila mba tsy hisy hilomano ka handositra. 43  Te hiaro ny ain’i Paoly anefa ilay manamboninahitra, ka tsy navelany hanatanteraka ny fikasany izy ireo. Ary nasainy nitsambikina tany an-dranomasina izay nahay nilomano mba ho tonga voalohany eny an-tanety. 44  Ary ny sisa nanao izay hahatongavany, ka nitaingina hazo fisaka na nitaingina zavatra avy tamin’ilay sambo. Ary toy izany no nahatongavan’ny rehetra soa aman-tsara teny an-tanety.+

Fanamarihana

Gr.: psykè. Jereo F.F. 3A.