Asan’ny Apostoly 28:1-31

28  Rehefa tody soa aman-tsara teny an-tanety izahay vao nahafantatra fa, hay, Malta no anaran’ilay nosy.+  Hafa ny fitenin’ireo mponina tao, ary tena tia olona izy ireo ka tsara fanahy+ taminay. Nandrehitra afo mantsy izy ireo ka nandray sy nanampy anay rehetra, fa avy ny orana sady nangatsiaka+ ny andro.  Rehefa nanangona kitay sy nisorona afo anefa i Paoly, dia nisy bibilava misy poizina nivoaka avy tao, noho ny hafanana, ka niraikitra tamin’ny tanany.  Raha vao hitan’ireo olona ireo ilay bibilava nikirazorazo teo amin’ny tanany, dia nifampiresaka izy ireo hoe: “Tena mpamono olona tokoa io lehilahy io, fa na tonga soa aman-tsara avy teny an-dranomasina aza izy, dia tsy namela azy ho velona ny rariny ka nanody azy ny nataony.”  Nakifik’i Paoly tao anaty afo anefa ilay bibilava, ary tsy naninon-tsy naninona izy.+  Fa ny olona kosa nanampo azy hivonto na hiankarapoka ho faty tampoka. Dia niandry ela izy ireo, ary rehefa hitany fa tsy naninona izy, dia niova hevitra izy ireo, ka nilaza fa andriamanitra i Paoly.+  Ary nanan-tany teo amin’ny manodidina an’izany toerana izany ny lehiben’ilay nosy. Poplio no anarany, ary nandray tsara anay izy ka nampiantrano anay tamin-katsaram-panahy nandritra ny telo andro.  Ary teo am-pandriana ny rain’i Poplio fa nanavy sady nivalan-dra. Dia nankao aminy i Paoly ary nivavaka sy nametra-tanana+ taminy ka nanasitrana azy.+  Taorian’izany, dia tonga teo amin’i Paoly koa ny narary hafa tao amin’ilay nosy, ka nositraniny.+ 10  Ary nanome voninahitra anay koa izy ireo ka nanao fanomezana betsaka, ary rehefa hiondrana an-tsambo izahay, dia nomeny anay izay zavatra nilainay. 11  Telo volana tatỳ aoriana, dia nandray sambo iray avy tany Aleksandria+ izahay. Nijanona tao amin’ilay nosy nandritra ny ririnina izy io, ary nisy marika hoe “Zanakalahin’i Zeosy” teo amin’ny lohany. 12  Tonga tao an-tseranan’i Syrakosa izahay ka nijanona telo andro tao, 13  ary avy eo dia nihodidina ka tonga tao Regioma. Ary nifofofofo ny rivotra avy any atsimo ny ampitson’iny, ka ny afakampitso izahay vao tody tao Potioly. 14  Nahita rahalahy izahay tao, ary niangaviana hijanona fito andro teo amin’izy ireo. Toy izany ny dianay nankany Roma. 15  Rehefa nandre ny momba anay ny rahalahy tany, dia nitsena anay hatrany amin’ny Tsenan’i Apio sy ny Tranombahiny Telo. Nisaotra an’Andriamanitra i Paoly raha vao nahita an’ireo, ary nihanahery.+ 16  Ela ny ela ka niditra tao Roma ihany izahay, ary navela+ hitokan-trano i Paoly, niaraka tamin’ilay miaramila niambina azy. 17  Telo andro taorian’izay anefa, dia nampiantso an’ireo lohandohan’ny Jiosy izy. Rehefa tafangona ireo, dia hoy izy: “Ry rahalahy, voafonja avy any Jerosalema aho, ary natolotra teo am-pelatanan’ny Romanina,+ na dia tsy mba nanao zavatra tsy nety tamin’olona sy tamin’ny fanaon-drazantsika aza.+ 18  Saika hanafaka ahy+ ihany ny Romanina rehefa avy nanao famotorana,+ satria tsy nisy antony tokony hamonoana+ ahy ho faty. 19  Nanohitra izany tsy nisy farany anefa ny Jiosy, ka voatery nampakatra ny raharaha+ any amin’i Kaisara aho, nefa tsy hoe manan-javatra iampangako ny fireneko aho akory. 20  Koa izany no tena antony nangatahako mafy hahita sy hiresaka aminareo, satria noho ny fanantenan’ny+ Israely no itondrako ity rojo vy mamatotra ahy ity.”+ 21  Dia hoy ireo: “Sady tsy naharay taratasy avy tany Jodia momba anao izahay no tsy nisy rahalahy tonga nitantara na nilaza zava-dratsy momba anao. 22  Heverinay anefa fa mety raha mandre izay hevitrao izahay, satria raha ny amin’io sekta+ io, dia tena fantatray fa toherin’ny olona hatraiza hatraiza izy io.”+ 23  Nanome fotoana an’i Paoly izy ireo, ka maro kokoa no tonga tao an-tranony. Nanomboka tamin’ny maraina ka hatramin’ny hariva, dia nohazavain’i Paoly tamin’izy ireo ilay raharaha, ka sady nanazava tsara* momba ny fanjakan’Andriamanitra izy+ no nandresy lahatra azy momba an’i Jesosy, avy tamin’ny lalàn’i Mosesy+ sy tamin’ny Mpaminany.+ 24  Ary nino izay voalaza ny sasany,+ fa ny sasany kosa tsy nino.+ 25  Dia tsy nifanara-kevitra izy ireo ka niala tsikelikely, fa i Paoly kosa nanao izao fanamarihana izao: “Marina mihitsy ny tenin’ny fanahy masina tamin’ny razanareo, tamin’ny alalan’i Isaia mpaminany, 26  hoe: ‘Mandehana any amin’ity firenena ity ka lazao hoe: “Hihaino ianareo ka handre nefa tsy hahazo ny hevitr’izany mihitsy, ary hijery ianareo nefa tsy hahita mihitsy.+ 27  Fa efa nanjary donto ny fon’ity vahoaka ity, ary efa nandre ny sofiny fa tsy rototra izy, ary efa nakimpiny ny masony, sao hahita ny masony sy handre ny sofiny ary hahazo ny hevitr’izany ny fony, dia hiverina izy ka hositraniko.”’+ 28  Koa aoka ho fantatrareo fa hambara any amin’ny hafa firenena ilay ampiasain’Andriamanitra hitondra famonjena.+ Ireny no azo antoka fa hihaino ny fitoriana momba azy.”+ 29 * —— 30  Koa nipetraka roa taona ngarangidina tao amin’ny trano nohofany i Paoly,+ ary nandray tsara an’izay rehetra tonga tao aminy, 31  ka nitory ny fanjakan’Andriamanitra taminy ary nampianatra ny amin’i Jesosy Kristy Tompo tamim-pahasahiana,+ sady tsy nisy fanakantsakanana.

Fanamarihana

Na: “nitory tamin’ny fomba feno.”
Jereo Mt 17:21 f.a.p.