Asan’ny Apostoly 3:1-26

3  Ary niakatra ho ao amin’ny tempoly i Petera sy Jaona tamin’ny ora fivavahana, dia ny ora fahasivy.+  Ary nisy lehilahy nalemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny+ nentin’olona ka napetrany isan’andro tao amin’ny tempoly, teo akaikin’ilay vavahady atao hoe Vavahady Kanto,+ mba hangataka tamin’izay niditra tao amin’ny tempoly.+  Raha vao nahita an’i Petera sy Jaona ndeha hiditra ny tempoly izy, dia nangata-bola.+  Fa nibanjina+ azy i Petera sy Jaona, ka hoy i Petera: “Mijere anay.”  Koa nibanjina tsara azy roa lahy izy, fa nanantena hahazo zavatra taminy.  Fa hoy i Petera: “Tsy manana volafotsy na volamena aho, fa izay ananako kosa no omeko anao:+ Amin’ny anaran’i Jesosy Kristy avy any Nazareta,+ mandehana!”+  Dia noraisiny tamin’ny tanany ankavanana+ izy ka natsangany. Koa avy hatrany dia natanjaka ny faladiany sy ny taolan-kitrokeliny,+  ka niantsambotra+ izy ary tafatsangana dia nandeha. Niditra tao amin’ny tempoly+ niaraka tamin’izy roa lahy izy, ka nandeha sady nitsambikimbikina ary nidera an’Andriamanitra.  Ary hitan’ny olona rehetra+ izy rehefa nandeha sy nidera an’Andriamanitra. 10  Fantatr’izy ireo tsara koa fa izy ilay lehilahy nipetraka nangataka teo amin’ny Vavahady Kanto+ tao amin’ny tempoly. Koa gaga izy ireo, ary zendana noho izay nitranga tamin-dralehilahy. 11  Ary raha mbola namikitra tamin’i Petera sy Jaona izy, dia nirohotra teo amin’izy telo lahy, teo amin’ilay atao hoe lala-mitafon’i* Solomona,+ ny olona rehetra. Ary talanjona indrindra izy ireo. 12  Hitan’i Petera izany, ka hoy izy tamin’ny olona: “Ry Israelita, inona no mahagaga anareo amin’izany? Ary nahoana ianareo no mibanjina anay, toy ny hoe ny herinay na ny fahafoizan-tenanay ho an’Andriamanitra no nampandehananay azy?+ 13  Andriamanitr’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba,+ ilay Andriamanitry ny razantsika, dia nanome voninahitra+ an’i Jesosy Mpanompony,+ fa ianareo kosa nanolotra+ azy ka nanda azy teo anatrehan’i Pilato, izay efa tapa-kevitra ny hanafaka azy.+ 14  Eny, nolavinareo ilay masina sy marina,+ ary mpamono olona no nangatahinareo+ hafahana ho anareo, 15  fa novonoinareo kosa ilay Mpitarika Lehibe Indrindra izay manome fiainana.+ Kanefa Andriamanitra nanangana azy tamin’ny maty, ary vavolombelon’izany izahay.+ 16  Koa ny anarany, eny, ny finoanay ny anarany, no nampahatanjaka an’io lehilahy hitanareo sy fantatrareo io, ary ny finoana azonay amin’ny alalany no nahasitrana tanteraka azy teo imasonareo rehetra. 17  Ary ankehitriny, ry rahalahy, fantatro fa noho ny tsy fahalalanareo+ no nanaovanareo izany, ary toy izany koa ny mpitondra+ anareo. 18  Fa izany no fomba nanatanterahan’Andriamanitra an’izay efa nampilazainy ny mpaminany rehetra, dia ny hoe tsy maintsy hijaly ny Kristiny.+ 19  “Koa mibebaha,+ ka miverena+ hamonoana ny fahotanareo,+ mba hisian’ny fotoana mamelombelona+ avy amin’i Jehovah 20  ary mba hanirahany an’ilay Kristy voatendry ho anareo, dia i Jesosy. 21  Tsy maintsy hohazonin’ny lanitra izy,+ mandra-pahatongan’ny fotoana hamerenana ny zava-drehetra amin’ny laoniny,+ dia ilay fotoana nampilazain’Andriamanitra ny mpaminaniny+ masina fahiny. 22  Hoy tokoa mantsy i Mosesy: ‘I Jehovah Andriamanitra hanendry mpaminany toa ahy,+ ho anareo, avy amin’ny rahalahinareo. Henoy izy, na inona na inona lazainy aminareo.+ 23  Koa izay* rehetra tsy mihaino izany Mpaminany izany dia haringana tanteraka tsy ho eo amin’ny vahoaka.’+ 24  Ary nanambara mazava momba izao andro izao ny mpaminany rehetra, nanomboka tamin’i Samoela sy ireo nandimby azy, eny, izay rehetra naminany.+ 25  Ianareo no zanaky+ ny mpaminany sy zanaky ny fifanekena nifanaovan’Andriamanitra tamin’ny razanareo, tamin’izy nilaza tamin’i Abrahama hoe: ‘Amin’ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra eny ambonin’ny tany.’+ 26  Ary rehefa avy nanendry ilay Mpanompony Andriamanitra, dia tany aminareo aloha+ no nanirahany azy, mba hitahiana anareo ka hampiala anareo amin’ny zava-dratsy nataonareo avy.”

Fanamarihana

Jereo Jn 10:23 f.a.p.
Gr.: psykè. Jereo F.F. 3A.