Asan’ny Apostoly 4:1-37

4  Ary raha mbola niteny tamin’ny vahoaka izy roa lahy, dia tonga teo aminy ny lehiben’ny mpisorona sy ny lehiben’ny mpiambina ny tempoly+ ary ny Sadoseo.+  Sosotra mantsy ireo, satria nampianatra ny vahoaka izy roa lahy sady nanambara mazava momba ny fitsanganana amin’ny maty, ka niresaka momba ny nitsanganan’i Jesosy.+  Dia nosamboriny izy roa lahy ka nataony am-ponja mandra-pahatongan’ny ampitso,+ satria efa hariva tamin’izay.  Maro tamin’ireo nihaino ilay lahateny anefa no nino,+ ary lasa dimy arivo teo ho eo ny isan’ny lehilahy.+  Ny ampitson’iny, dia nivory tao Jerosalema ny mpitondra teo amin’izy ireo, mbamin’ny anti-panahy sy ny mpanora-dalàna.+  Tao koa i Anasy+ lehiben’ny mpisorona, sy Kaiafa+ sy Jaona ary Aleksandra. Tao daholo koa ny havan’ilay lehiben’ny mpisorona.  Dia nataon’ireo teo afovoany izy roa lahy, ka nanontaniany hoe: “Fahefana avy aiza, ary tamin’ny anaran’iza no nanaovanareo izao?”+  Ary feno fanahy masina+ i Petera, ka namaly hoe: “Ry mpitondra vahoaka sy anti-panahy isany!  Raha fotopotorana izahay androany satria nanao soa olona kilemaina,+ ka anontaniana hoe tamin’ny alalan’iza no nanasitrananay azy, 10  dia aoka ho fantatrareo rehetra sy ny vahoakan’Israely manontolo fa matoa io lehilahy io salama tsara manoloana anareo eto, dia noho ny anaran’i Jesosy Kristy avy any Nazareta,+ ilay nofantsihanareo tamin’ny hazo fijaliana,+ nefa natsangan’Andriamanitra tamin’ny maty.+ 11  Izy ‘ilay vato nohamavoinareo mpanao trano, nefa tonga vato fehizoro.’+ 12  Ary tsy misy olon-kafa hahazoana famonjena, satria tsy misy anarana hafa+ ambanin’ny lanitra nomena ny olona hahazoantsika famonjena.”+ 13  Ary gaga izy ireo nahita ny fahasahian’i Petera sy Jaona, ary fantany fa tsy dia nahita fianarana izy roa lahy sady olon-tsotra.+ Fantany tsara koa fa niaraka tamin’i Jesosy+ izy roa lahy. 14  Tsy nanan-kavaly anefa ireo,+ rehefa nijery an’ilay lehilahy efa sitrana, izay niara-nijoro tamin’izy roa lahy teo.+ 15  Dia nasain’izy ireo nivoaka avy tao amin’ny tranon’ny Fitsarana Avo Jiosy ireo, ary niara-nidinika izy ireo 16  hoe: “Hataontsika ahoana ireo lehilahy ireo?+ Fa nanao famantarana niavaka izy ireo, ary miharihary amin’ny mponina rehetra eto Jerosalema izany,+ ka tsy azontsika lavina. 17  Fa mba tsy hielezan’izany bebe kokoa eo amin’ny vahoaka, dia andao horahonantsika izy ireo tsy hiteny amin’izany anarana izany intsony, na amin’iza na amin’iza.”+ 18  Dia nantsoiny izy roa lahy ka nodidiany tsy hiteny na hampianatra amin’ny anaran’i Jesosy intsony, na aiza na aiza. 19  Fa namaly kosa i Petera sy Jaona hoe: “Ianareo no aoka hitsara raha marina eo imason’Andriamanitra na tsia ny hihaino anareo, fa tsy hihaino an’Andriamanitra. 20  Raha izahay kosa, dia tsy azonay atao ny tsy hiteny intsony momba izay efa hitanay sy renay.”+ 21  Dia mbola nandrahona azy roa lahy indray ireo, ary nandefa azy avy eo, satria tsy hitany izay tokony hanasaziana azy, ary natahorany koa ny vahoaka+ satria nanome voninahitra an’Andriamanitra noho izay nitranga. 22  Efa maherin’ny efapolo taona mantsy ilay lehilahy nositranina tamin’ny alalan’izany fahagagana izany. 23  Dia nankany amin’ny mpiray finoana taminy izy roa lahy rehefa nafahana,+ ka notantarainy tamin’ireo ny zavatra nolazain’ny lehiben’ny mpisorona sy ny anti-panahy. 24  Nony nandre izany izy ireo, dia niara-nientana ka nanandra-peo nivavaka tamin’Andriamanitra+ hoe: “Ry Tompo Fara Tampony+ ô, ianao no nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny zava-drehetra ao amin’ireo.+ 25  Ianao no nampiteny an’i Davida razanay mpanomponao tamin’ny alalan’ny fanahy masina+ hoe: ‘Nahoana no mikorontana ireo firenena ary misaina zava-poana ny vahoaka?+ 26  Nitsangana ny mpanjakan’ny tany, ary nivondrona ny mpitondra mba hanohitra an’i Jehovah sy ilay voahosony.’+ 27  Fa efa nifamory teto amin’ity tanàna ity tokoa i Heroda sy Pontio Pilato,+ mbamin’ny hafa firenena sy ny vahoakan’Israely, hanohitra an’i Jesosy mpanomponao masina,+ ilay voahosotrao.+ 28  Nanao izany izy ireo mba hanatanterahana izay efa voatendrin’ny tananao sy ny fikasanao.+ 29  Koa ankehitriny, Jehovah ô, henoy ny fandrahonany,+ ary ataovy izay hahatonga anay mpanomponao hitory ny teninao amim-pahasahiana be,+ 30  raha mbola manatsotra ny tananao hanasitrana ianao, ary manao famantarana sy zava-mahagaga+ amin’ny anaran’i+ Jesosy mpanomponao masina.”+ 31  Rehefa avy nitalaho tamim-bavaka izy ireo, dia nihovotrovotra ilay toerana nivoriany,+ ary feno fanahy masina izy rehetra,+ ka nitory ny tenin’Andriamanitra tamim-pahasahiana.+ 32  Iray fo sy iray saina+ ny olona maro be tonga mpino, ka tsy nisy nilaza ny fananany ho an’ny tenany, fa niombonan’izy rehetra daholo ny zava-drehetra.+ 33  Ary tamin-kery lehibe no mbola nitorian’ny apostoly momba ny nitsanganan’i Jesosy Tompo tamin’ny maty.+ Ary nanehoana hatsaram-panahy tsy manam-paharoa izy rehetra. 34  Tsy nisy nahantra teo amin’izy ireo,+ fa izay rehetra nanana tany na trano dia nivarotra izany ka nitondra ny vidin’izay lafo, 35  ary nametraka izany teo an-tongotry ny apostoly.+ Dia nozaraina+ tamin’ny tsirairay araka izay nilainy avy izany. 36  Ary nisy Levita, teratany avy any Sipra, atao hoe Josefa. Nantsoin’ny apostoly koa hoe Barnabasy+ izy, izany hoe “Zanaky ny Fampiononana”, raha adika. 37  Nanana tany izy ary nivarotra izany, ka nitondra ny vola ary nametraka izany teo an-tongotry ny apostoly.+

Fanamarihana