Asan’ny Apostoly 7:1-60

7  Fa hoy ny mpisoronabe: “Izany tokoa ve no izy?”  Dia hoy i Stefana: “Ry rahalahy sy ianareo raiamandreny, henoy izao teniko izao: Andriamanitry ny voninahitra+ niseho tamin’i Abrahama razantsika fony izy tany Mezopotamia, raha mbola tsy nanorim-ponenana tany Harana.+  Ary hoy Andriamanitra taminy: ‘Mialà amin’ny taninao sy ny havanao, ka mankanesa any amin’ny tany izay hasehoko anao.’+  Dia niala tao amin’ny tanin’ny Kaldeanina izy, ka nonina tany Harana. Ary rehefa maty ny rainy,+ dia nasain’Andriamanitra nifindra nankatỳ amin’ity tany onenanareo ankehitriny ity izy.+  Tsy nanome azy lova teto anefa Andriamanitra, na dia tany eram-paladia aza,+ fa nampanantena kosa ny hanome ity tany ity ho fananany+ sy ho fananan’ny taranany mandimby azy,+ na dia mbola tsy nanan-janaka aza izy tamin’izay.+  Nilaza koa Andriamanitra fa ho mpivahiny+ any an-tanin’olona+ ny taranak’i Abrahama, ka handevozin’ireo sy hampahoriny efajato taona.+  ‘Dia hotsaraiko ilay firenena hotompoiny’,+ hoy Andriamanitra, ‘ary aorian’izany dia hiala any izy ireo, ka hanao fanompoana masina ho ahy eto amin’ity toerana ity.’+  “Ary nanao fifanekena tamin’i Abrahama koa izy, dia ny amin’ny famorana izany.+ Koa niteraka an’i Isaka+ i Abrahama ka namora azy tamin’ny andro fahavalo,+ ary Isaka niteraka an’i Jakoba, ary Jakoba niteraka azy roa ambin’ny folo lahy loham-pianakaviantsika.+  Ary nialona+ an’i Josefa ireo loham-pianakaviantsika ka nivarotra azy ho any Ejipta.+ Nomba azy anefa Andriamanitra,+ 10  ka nanafaka azy tamin’ny fahoriany rehetra, ary nanao izay hahazoany sitraka sy hananany fahendrena teo anatrehan’i Farao mpanjakan’i Ejipta, izay nanendry azy ho mpitondra an’i Ejipta sy ny tao an-tranony rehetra.+ 11  Nisy mosary anefa eran’i Ejipta sy Kanana ka mafy tokoa ny fahoriana, ary tsy nahita sakafo ny razantsika.+ 12  Ren’i Jakoba anefa fa nisy hanina tany Ejipta+ ka naniraka ny razantsika ho any izy tamin’ny voalohany.+ 13  Ary tamin’ilay faharoa, dia nampahafantatra ny tenany tamin’ny rahalahiny i Josefa,+ ka nanjary fantatr’i Farao ny fianakaviana niavian’i Josefa.+ 14  Koa nampanalain’i Josefa avy tamin’izany toerana izany i Jakoba rainy sy ny havany rehetra,+ dia olona* dimy amby fitopolo.+ 15  Ary nidina nankany Ejipta i Jakoba,+ dia maty izy,+ ary maty koa ny razantsika+ 16  ka nafindra tany Sekema,+ ary nalevina tao amin’ny fasana+ novidin’i Abrahama farantsa volafotsy tamin’ny zanakalahin’i Hamora, tany Sekema.+ 17  “Rehefa nanakaiky ny fotoana hahatanterahan’ilay fampanantenana nambaran’Andriamanitra mazava tamin’i Abrahama, dia nitombo sy nihamaro ny olona tany Ejipta,+ 18  mandra-pitsangan’ny mpanjaka hafa tany Ejipta, izay tsy nahalala an’i Josefa.+ 19  Nanao teti-dratsy hamelezana ny razantsika izy,+ ka nanery azy hanary ny zanany kely, mba tsy hahavelona an’ireny.+ 20  Tamin’izay indrindra no teraka i Mosesy,+ izay tena nahafatifaty teo imason’Andriamanitra,+ ary nokarakaraina telo volana tao an-tranon-drainy izy. 21  Fa nony nariana izy, dia nalain’ny zanakavavin’i Farao ary notezainy toy ny zanany naterany,+ 22  ka nampianarina ny fahendrena+ rehetra nananan’ny Ejipsianina. Ary nahery tamin’ny teniny+ sy ny nataony izy. 23  “Rehefa feno efapolo taona izy, dia nitsiry tao am-pony ny faniriana hitsidika ny zanak’Israely rahalahiny.+ 24  Raha vao nahita anankiray nampiharana ny tsy rariny izy, dia niaro sy namaly faty an’ilay nampahorina, ka namono nahafaty an’ilay Ejipsianina.+ 25  Noheveriny mantsy fa ho takatry ny rahalahiny hoe ny tanany no namonjen’Andriamanitra azy ireo,+ kanjo tsy takatr’izy ireo izany. 26  Ary nankany amin’izy ireo izy ny ampitson’iny, ka tojo roa lahy niady. Koa nitady hampihavana azy roa lahy izy,+ ka nanao hoe: ‘Ô ry izy roa lahy a, mpirahalahy ange ianareo e! Koa nahoana ianareo no mifanao ny tsy rariny toy izao?’+ 27  Fa ilay nanao ny tsy rariny tamin’ny namany kosa nanilika azy, ka nanao hoe: ‘Iza no nanendry an’ialahy ho mpitondra sy mpitsara anay?+ 28  Tadiavin’ialahy hovonoina toy ny namonoan’ialahy an’ilay Ejipsianina omaly koa angaha aho?’+ 29  Dia nandositra i Mosesy nony nandre izany, ka nanjary mpivahiny tany amin’ny tany Midianina,+ ary niteraka roa lahy izy tany.+ 30  “Ary efapolo taona tatỳ aoriana, dia nisy anjely anankiray niseho taminy tao anaty lelafo teo amin’ny voaroy nirehitra, tany an-tany efitra manodidina ny Tendrombohitra Sinay.+ 31  Rehefa nahita izany i Mosesy, dia gaga tamin’ny zavatra hitany.+ Nony nanatona mba handinika akaiky anefa izy, dia reny ny feon’i Jehovah nanao hoe: 32  ‘Izaho no Andriamanitry ny razanao, dia Andriamanitr’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba.’+ Dia tora-kovitra i Mosesy, ka tsy sahy nandinika akaiky kokoa. 33  Ary hoy i Jehovah: ‘Esory ny kapa eny an-tongotrao, fa tany masina io ijoroanao io.+ 34  Hitako tokoa ny fampahoriana ny oloko any Ejipta,+ ary efa reko ny fitarainany+ ka nidina hanafaka azy aho.+ Koa avia ianao hirahiko ho any Ejipta.’+ 35  Io ilay Mosesy nolavin’izy ireo sy nataony hoe: ‘Iza no nanendry an’ialahy ho mpitondra sy mpitsara anay?’,+ kanjo izy ihany no nirahin’Andriamanitra+ ho mpitondra sady mpanafaka, tamin’ny alalan’ny tanan’ilay anjely niseho taminy tao amin’ny voaroy. 36  Izy no namoaka azy ireo+ rehefa avy nanao zava-mahagaga sy famantarana maro tany Ejipta+ sy teo amin’ny Ranomasina Mena+ ary tany an-tany efitra efapolo taona.+ 37  “Izy ilay Mosesy nilaza tamin’ny zanak’Israely hoe: ‘Andriamanitra hanendry mpaminany toa ahy, ho anareo, avy amin’ny rahalahinareo.’+ 38  Izy+ ilay teo amin’ny fiangonana+ tany an-tany efitra niaraka tamin’ilay anjely+ niresaka taminy tany amin’ny Tendrombohitra Sinay, sy niaraka tamin’ny razantsika, ary nandray ny fanambarana masina+ sady velona mba homena anareo. 39  Tsy nety nankatò azy anefa ny razantsika fa nanilika azy,+ ary niverina tany Ejipta izy ireo tao am-pony,+ 40  ka nanao tamin’i Arona hoe: ‘Manamboara andriamanitra ho antsika hialoha lalana antsika, fa tsy fantatra izay nanjo an’ilay Mosesy nitondra antsika nivoaka avy tany Ejipta iny.’+ 41  Dia nanamboatra zanak’omby izy ireo tamin’izany andro izany,+ ka nanao sorona ho an’ilay sampy, ary niravoravo tamin’ny asan’ny tanany.+ 42  Koa nihodina Andriamanitra, ka navelany+ izy ireo hanao fanompoana masina ho an’ireo zavatra eny amin’ny lanitra, araka ny voasoratra ao amin’ny bokin’ny mpaminany+ hoe: ‘Izaho angaha moa no nanoloranareo fanatitra biby sy sorona nandritra ny efapolo taona tany an-tany efitra, ry taranak’Israely?+ 43  Tsia, fa ny tranolain’i Moloka+ sy ilay kintana+ andriamanitra atao hoe Refana no nentinareo, dia ireo sarivongana nataonareo hivavahana. Koa hataoko sesitany+ any andafin’i Babylona ianareo.’ 44  “Teo amin’ny razantsika tany an-tany efitra ny tranolain’ny vavolombelona, araka ny didin’Andriamanitra tamin’izy niteny tamin’i Mosesy mba hanao tranolay araka ny modely hitany.+ 45  Ary nolovan’ny razantsika ilay tranolay, ka nampidiriny tao amin’ny tanin’ireo firenena+ noroahin’Andriamanitra teo anoloan’ny razantsika.+ Nampiditra azy io tany izy ireo, niaraka tamin’i Josoa,+ ka tao foana ilay izy mandra-pahatongan’ny andron’i Davida. 46  Nahazo sitraka+ teo imason’Andriamanitra i Davida ary nangataka mba havela hanao fonenana+ ho an’Andriamanitr’i Jakoba. 47  I Solomona anefa no nanorina trano ho azy.+ 48  Tsy monina ao amin’ny trano nataon-tanana anefa ilay Avo Indrindra,+ araka ny nolazain’ny mpaminany hoe: 49  ‘Ny lanitra no seza fiandrianako+ ary ny tany no fitoeran-tongotro.+ Koa trano manao ahoana no hataonareo ho ahy?, hoy i Jehovah. Ary toerana manao ahoana no honenako?+ 50  Tsy ny tanako ihany ve no nanao ireo zava-drehetra ireo?’+ 51  “Ry mafy hatoka, tsy voafora fo+ sy sofina! Manohitra ny fanahy masina foana ianareo. Ary tahaka ny nataon’ny razanareo ihany no ataonareo koa.+ 52  Iza moa no mpaminany tsy nenjehin’ny razanareo?+ Eny, novonoiny+ mihitsy aza ireo nanambara mialoha fa ho avy Ilay marina.+ Ary ankehitriny dia efa tonga mpamadika sy mpamono azy ianareo.+ 53  Ianareo no nandray ny Lalàna nampitain’ny anjely,+ nefa tsy nitandrina izany.” 54  Tezitra mafy izy ireo tao am-pony+ tao rehefa nandre izany ka nihidy vazana+ taminy. 55  Fa i Stefana kosa feno fanahy masina ary nibanjina ny lanitra ka nahita ny voninahitr’Andriamanitra sady nahita an’i Jesosy nijoro teo ankavanan’Andriamanitra.+ 56  Dia hoy izy: “Io fa hitako ny lanitra misokatra,+ ary ny Zanak’olona+ mijoro eo ankavanan’Andriamanitra.”+ 57  Ary niantsoantso faran’izay mafy ny olona sady nanampin-tsofina,+ ka indray nirohotra teo aminy. 58  Dia nandroaka azy teny ivelan’ny tanàna ireo,+ ka nitora-bato azy.+ Ary nametraka ny fitafiany ivelany teo an-tongotry ny tovolahy atao hoe Saoly+ ireo vavolombelona.+ 59  Ary tsy nitsahatra nitora-bato an’i Stefana ireo, fa izy kosa niantso hoe: “Jesosy Tompo ô, raiso ny aiko.”*+ 60  Dia nandohalika izy ka niantsoantso mafy hoe: “Jehovah ô, aza atao ho helony anie izao!”+ Rehefa avy nilaza izany izy, dia nodimandry.*

Fanamarihana

Gr.: psykè. Jereo F.F. 3A.
Gr.: pneoma. Jereo F.F. 3B.
A.b.t.: “natory (ao amin’ny fahafatesana).”