Asan’ny Apostoly 9:1-43

9  Ary mbola nandrahona sy nitady handripaka+ ny mpianatry+ ny Tompo ihany i Saoly. Koa nankany amin’ny mpisoronabe izy,  ary nangataka taratasy ho an’ireo synagoga* any Damaskosy, mba hoentiny nifatotra tany Jerosalema izay hitany manaraka Ny Lalana,*+ na lahy na vavy.  Ary raha mbola teny an-dalana izy ka efa nanakaiky an’i Damaskosy, dia nisy hazavana tampoka avy tany an-danitra nanjelanjelatra nanodidina azy.+  Dia lavo tamin’ny tany izy, ary nandre feo nilaza taminy hoe: “Saoly, Saoly, nahoana no manenjika ahy ianao?”+  Ary hoy izy: “Iza moa ianao, tompoko?” Dia hoy izy: “Izaho no Jesosy izay enjehinao.+  Fa mitsangàna,+ ka midira ao an-tanàna, dia holazaina aminao izay tokony hataonao.”  Nijoro teo tsy nahateny kosa ireo lehilahy niara-dia taminy.+ Nandre feo ihany izy ireo+ nefa tsy nahita olona.  Koa niarina avy teo amin’ny tany i Saoly, nefa tsy nahita na inona na inona ny masony,+ na dia nisokatra aza. Dia notantanan’ireo izy, ka nentiny niditra tao Damaskosy.  Ary tsy nahita mihitsy+ izy nandritra ny telo andro, sady tsy nihinana na nisotro. 10  Ary nisy mpianatra atao hoe Ananiasy+ tao Damaskosy. Koa hoy ny Tompo taminy tao amin’ny fahitana: “Ry Ananiasy!” Dia hoy izy: “Intỳ aho, Tompo ô!” 11  Ary hoy ny Tompo: “Mitsangàna ka mankanesa any amin’ilay lalana atao hoe Imahitsy. Ary anontanio ao an-tranon’i Jodasy fa misy lehilahy atao hoe Saoly ao, ilay avy any Tarsosy.+ Eo am-pivavahana indrindra izy izao, 12  ka hitany tao amin’ny fahitana ny lehilahy atao hoe Ananiasy, izay niditra ka nametra-tanana taminy, mba hahitan’ny masony indray.”+ 13  Fa hoy i Ananiasy: “Tompo ô, efa reko tamin’olona maro ny momba izany lehilahy izany, sy ny zava-dratsy maro nataony tamin’ny olonao masina tany Jerosalema. 14  Eto izy izao, ary nahazo fahefana tamin’ny lehiben’ny mpisorona mba hamatotra an’izay rehetra miantso ny anaranao.”+ 15  Fa hoy ny Tompo: “Mandehana, fa fanaka voafidy+ ho ahy izany lehilahy izany, mba hitondra ny anarako any amin’ny hafa firenena+ sy ny mpanjaka+ ary ny zanak’Israely. 16  Fa hasehoko mazava aminy ny zavatra maro tsy maintsy iaretany noho ny anarako.”+ 17  Dia lasa i Ananiasy ary niditra tao amin’ilay trano, ka nametra-tanana taminy ary nanao hoe: “Ry Saoly, rahalahy. Ny Tompo, eny, ilay Jesosy niseho taminao teny amin’ny lalana nalehanao, no naniraka ahy mba hahitan’ny masonao indray sy mba hahafeno fanahy masina anao.”+ 18  Ary avy hatrany dia nisy zavatra toy ny kiran-trondro nilatsaka avy tamin’ny masony, ka nahiratra izy ary nitsangana sy natao batisa. 19  Dia nihinan-kanina izy ka nihanatanjaka.+ Niaraka tamin’ireo mpianatra tany Damaskosy izy, nandritra ny andro vitsivitsy,+ 20  ary avy hatrany dia nitory tany amin’ny synagoga ka nilaza fa i Jesosy+ no Zanak’Andriamanitra. 21  Gaga anefa izay rehetra nandre azy, ka nanao hoe: “Ka tsy io ve ilay fatra-panenjika+ an’ireo niantso izany anarana izany tany Jerosalema e? Ary izany indrindra aza no ahatongavany eto, mba hitondra an’ireny mifatotra any amin’ny lehiben’ny mpisorona.”+ 22  Fa vao mainka kosa i Saoly nahazo hery, ary gaga sady very hevitra ny Jiosy nonina tany Damaskosy, rehefa nanome porofo tsara lahatra izy fa i Jesosy no Kristy.+ 23  Rehefa afaka andro maromaro, dia nikaon-doha hamono azy ny Jiosy.+ 24  Nanjary fantatr’i Saoly anefa ny tetik’ireo. Ary nambenan’ireo mafy andro aman’alina ny vavahady, mba hahafahany hamono azy.+ 25  Dia nalain’ny mpianany izy, ary nataony tao an-tsobika ka nampidininy avy teo am-baravarankelin’ny manda,+ tamin’ny alina. 26  Raha vao tonga tany Jerosalema+ izy, dia niezaka hiaraka tamin’ny mpianatra. Natahotra azy anefa ny rehetra, satria tsy nino hoe efa lasa mpianatra koa izy. 27  Koa nanampy azy i Barnabasy+ ary nitondra azy tany amin’ny apostoly, ary nilaza tamin’ireo ny tsipirian’ny nahitan’i Saoly ny Tompo+ teny an-dalana, sy ny niresahan’ny Tompo taminy,+ ary ny fahasahian’i Saoly nitory tamin’ny anaran’i Jesosy tany Damaskosy.+ 28  Dia nitoetra teo amin’izy ireo i Saoly, ka nivezivezy malalaka tao Jerosalema ary sahy nitory tamin’ny anaran’ny Tompo.+ 29  Ary niresaka sy niady hevitra tamin’ny Jiosy miteny grika izy, saingy notadiavin’ireo hovonoina.+ 30  Rehefa tsikaritr’ireo rahalahy izany, dia nentiny nidina tany Kaisaria izy, ka nalefany tany Tarsosy.+ 31  Ary nandry feizay ny fiangonana+ eran’i Jodia sy Galilia ary Samaria. Koa nihanatanjaka ny fiangonana, sady nandeha tamin’ny fahatahorana an’i Jehovah+ sy ny fampiononan’ny fanahy masina,+ ka tsy nitsaha-nitombo. 32  Ary nitety ny faritra rehetra i Petera, ka nidina tany amin’ireo olona masina nonina tany Lyda+ koa. 33  Nahita lehilahy atao hoe Enea izy tao, ary efa valo taona izy io no nandry teo ambony fandriana, fa nalemy. 34  Dia hoy i Petera taminy:+ “Ry Enea, manasitrana anao i Jesosy Kristy.+ Mitsangàna ary amboary ny fandriananao.” Dia nitsangana avy hatrany i Enea. 35  Ary hitan’ny mponina rehetra tao Lyda sy ny lemak’i Sarôna+ izy, ka niova sy nanaiky ny Tompo+ ireo. 36  Ary tao Jopa+ indray, dia nisy mpianatra atao hoe Tabita, na Dorkasy, raha adika. Ary be tokoa ny asa soa+ vitany sy ny fiantrany ny mahantra. 37  Narary anefa izy tamin’izany andro izany, ka maty. Koa nampandroin’izy ireo ny faty ary napetrany tao amin’ny efitrano ambony rihana. 38  Tanàna akaikin’i Lyda i Jopa,+ ka rehefa ren’ny mpianatra fa tao amin’io tanàna io i Petera, dia naniraka roa lahy ho any aminy izy, mba hiangavy hoe: “Tongava hatratỳ aminay, fa aza misalasala.” 39  Dia nitsangana i Petera ka niaraka tamin’izy roa lahy. Rehefa tonga tany izy, dia nentin’izy ireo tao amin’ilay efitrano ambony rihana. Ary tonga teo aminy daholo ny vehivavy mpitondratena rehetra, sady nitomany no nampiseho azy ny akanjo sy fitafiana ivelany+ maro nataon’i Dorkasy fony fahavelony.+ 40  Fa nasain’i Petera nivoaka ny rehetra,+ ary nandohalika izy ka nivavaka. Dia nitodika tany amin’ny faty izy, ka nanao hoe: “Ry Tabita, miarena!” Dia nosokafan’i Tabita ny masony, ka niarina izy raha vao nahita an’i Petera.+ 41  Natolotr’i Petera azy ny tanany ka natsangany+ izy, sady nantsoiny ny olona masina sy ny mpitondratena ka natolony azy ireo velona izy.+ 42  Nanjary fantatry ny olona eran’i Jopa izany, ka maro no nino ny Tompo.+ 43  Dia nijanona andro vitsivitsy tao Jopa i Petera,+ tao amin’i Simona mpanao hoditra.+

Fanamarihana

Toeram-pivavahan’ny Jiosy.
Izany hoe “ny fomba fiaina sy ny fampianarana kristianina.”