Tononkiran’i Solomona 4:1-16
4 “Tsara tarehy ianao,+ ry tovovavy malalako. Tsara tarehy ianao. Toy ny masom-boromailala ny masonao+ ao anaty voaly.+ Ny volonao dia tahaka ny andian’osy+ mitsambikimbikina midina ny faritra be tendrombohitr’i Gileada.+
2 Ny nifinao dia tahaka ny andian’ondrivavy+ vao nohetezana, izay miakatra avy eo amin’ny fampandroana azy. Miteraka kambana izy rehetra, ary tsy misy tsy mahavanona anaka.
3 Sahala amin’ny kofehy mena midorehitra ny molotrao, ary mahafinaritra ny teninao.+ Sahala amin’ny silaka ampongabendanitra ny fihirifanao ao anaty voaly.+
4 Ny vozonao+ dia sahala amin’ny tilikambon’i+ Davida, izay vita rarivato sady ihantonan’ny ampinga arivo, dia ireo ampinga boribory+ rehetra fampiasan’ny lehilahy mahery.
5 Ny nononao+ roa dia toy ny zana-gazela roa homana eny amin’ny lisy,+ eny, zana-gazela kambana nateraky ny gazelavavy.”
6 “Dieny mbola tsy mandrivodrivotra ny andro+ ary dieny mbola tsy lasa ny aloka, dia ho any amin’ny tendrombohitra misy miora aho, ary ho any amin’ny havoana misy ditin-kazo manitra.”+
7 “Tena tsara tarehy ianao,+ ry tovovavy malalako, ary tsy misy tsininy.+
8 Mialà any Libanona+ ka avia hiaraka amiko, ry ilay ampakariko.+ Mialà any Libanona ka avia! Midìna avy eny an-tampon’i Amana, avy eny an-tampon’i Senira,+ eny, avy any Hermona,+ sy avy eny amin’ny lavaky ny liona, ary avy eny an-tendrombohitra fonenan’ny leopara.
9 Mampidobodoboka ny foko ianao rahavako,+ ry ilay ampakariko,+ eny, midobodoboka ny foko raha vao mitopy eny amiko ny masonao+ ary raha vao hitako ilay firavaka iambozonanao.
10 Mamy erỳ ny fanehoam-pitiavanao+ rahavako, ry ilay ampakariko! Tsara lavitra noho ny divay ny fanehoam-pitiavanao, ary mamerovero lavitra noho ny karazan-java-manitra rehetra ny hanitry ny menakao!+
11 Tantely avy ao anaty tohotra* no mitete avy amin’ny molotrao,+ ry ilay ampakariko. Tantely+ sy ronono no eo ambany lelanao, ary toy ny hanitr’i+ Libanona ny fameroveron’ny akanjonao.
12 Toy ny zaridaina mifefy ianao, rahavako,+ ry ilay ampakariko, eny, toy ny zaridaina mifefy sy loharano nasiana hidiny.
13 Ny hoditrao dia toy ny saha mahafinaritra anirian’ny ampongabendanitra, misy voankazo faran’izay tsara,+ sy toy ny saha anirian’ny moina sy ny narda,+
14 dia narda+ sy safrona,+ fantàkamanitra+ sy kanelina,+ mbamin’ny karazan-kazo rehetra misy dity manitra, miora sy aloesy,+ sy ny zava-manitra rehetra faran’izay tsara,+
15 sy loharano an-jaridaina, sy lavadrano misy rano madio,+ ary rano kely mikoriana avy any Libanona.+
16 Mifohaza, ry rivotra avy any avaratra ô, ary midira, ry rivotra avy any atsimo ô!+ Aoka ianao hitsoka ao an-jaridainako,+ ka hiely ny fofony manitra.”
“Aoka hiditra ao an-jaridainany ny malalako, ka hihinana ny voankazo faran’izay tsara ao.”