Tononkiran’i Solomona 6:1-13
6 “Nankaiza ilay malalanao, ry ilay tsara tarehy indrindra amin’ny vehivavy ô?+ Nivily aiza ilay malalanao mba hiarahantsika hitady azy?”
2 “Lasa nidina any an-jaridainany ny malalako,+ any amin’ny zaridainan-javamaniry mani-pofona,+ mba hiandry ondry+ eny an-tsaha sy hioty lisy.
3 An’ny malalako aho, ary ahy ny malalako.+ Miandry ondry+ eny amin’ny toerana anirian’ny lisy izy.”
4 “Tsara tarehy toa an’ilay Tanàna Kanto*+ ianao, ry tovovavy malalako,+ tsara toa an’i Jerosalema.+ Mahatalanjona koa ianao, toy ny andian-tafika+ manodidina ny saina.+
5 Avilio tsy hijery ahy ny masonao+ fa babony tanteraka aho. Ny volonao dia tahaka ny andian’osy mitsambikimbikina midina avy eny Gileada.+
6 Ny nifinao dia tahaka ny andian’ondrivavy miakatra avy eo amin’ny fampandroana azy. Miteraka kambana izy rehetra, ary tsy misy tsy mahavanona anaka.+
7 Sahala amin’ny silaka ampongabendanitra ny fihirifanao ao anaty voaly.+
8 Na eo aza ireo vehivavy enimpolo vadin’ny mpanjaka sy ny vadikeliny valopolo ary ny ankizivaviny tsy hita isa,+
9 dia iray ihany no voromailalako,+ ilay tsy misy tsiniko.+ Vavitokan-dreniny izy, eny, ilay madio naterak’ilay nahitany masoandro. Nahita azy ny vehivavy, ka nilaza azy hoe sambatra, ary ny vadin’ny mpanjaka sy ny vadikeliny koa nidera azy+ hoe:
10 ‘Iza io vehivavy io,+ izay mijery ambany tahaka ny tara-pahazavana vao maraina,+ tsara tarehy sahala amin’ny volana fenomanana,+ madio tahaka ny masoandro mamirapiratra,+ ary mahatalanjona toy ny andian-tafika manodidina ny saina?’”+
11 “Nidina nankany amin’ny saha+ feno voanjoala* aho, mba hijery ny zavamaniry mamontsina eny an-dohasaha falehan-driaka,+ mba hahitako raha efa mitsimoka ny voaloboka ary efa mamony ny ampongabendanitra.+
12 Tsy nampoiziko akory dia tonga teo amin’ny kalesin’ny fireneko be fandavan-tena aho.”
13 “Miverena, miverena, ry Solemita ô! Miverena, miverena, mba hijerenay anao!”+
“Fa inona loatra no hitanareo amin’ilay Solemita?”+
“Zavatra sahala amin’ny dihy ataon’ny toby roa!”