Daniela 1:1-21

1  Tamin’ny taona fahatelo nanjakan’i Joiakima+ mpanjakan’ny Joda, dia tonga tany Jerosalema i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona, ka nanao fahirano azy.+  Tamin’ny farany, dia natolotr’i Jehovah teo an-tanan’i Nebokadnezara i Joiakima mpanjakan’ny Joda,+ sy ny fitaovana+ sasany tao an-tranon’ilay tena Andriamanitra. Ary nentin’i Nebokadnezara tany Sinara,+ ho ao an-tranon’andriamaniny ireny, ka nataony tao amin’ny fitehirizan-karenan’ny andriamaniny.+  Ary ny mpanjaka nandidy an’i Aspenaza lehiben’ny tandapany+ mba haka olona avy tamin’ny zanak’Israely sy ny tarana-mpanjaka ary ny andriana,+  dia ankizy tsy nisy tsininy+ mihitsy, fa tsara tarehy sy mahay ny karazam-pahendrena+ rehetra sy manam-pahalalana ary manana fahaizana,+ sady ho afaka hanompo ao an-dapan’ny mpanjaka.+ Nalaina mba hampianarina ny soratra sy ny fitenin’ny Kaldeanina ireo ankizy ireo.  Ary nasain’ny mpanjaka nomena anjara sakafo isan’andro avy tamin’ny hanim-py+ fihinan’ny mpanjaka sy ny divay fisotrony izy ireo. Natao izany mba hanabeazana azy ireo mandritra ny telo taona, ka ho afaka hanompo eo anatrehan’ny mpanjaka izy ireo aorian’izay.  Ary taranak’i Joda ny sasany tamin’izy ireo, dia i Daniela,+ Hanania, Misaela, ary Azaria.+  Ary nomen’ny lehiben’ny tandapa anarana+ hafa izy ireo, ka i Daniela nantsoiny hoe Beltesazara,+ i Hanania nantsoiny hoe Sadraka, i Misaela nantsoiny hoe Mesaka, ary i Azaria nantsoiny hoe Abednego.+  Tapa-kevitra tao am-pony anefa i Daniela ny tsy handoto+ ny tenany tamin’ny hanim-py fihinan’ny mpanjaka sy ny divay fisotrony. Ary nangataka foana tamin’ny lehiben’ny tandapa izy mba tsy handotoany tena.+  Koa notahin’Andriamanitra* i Daniela, ka tsara fanahy sy namindra fo taminy ilay lehiben’ny tandapa.+ 10  Ary hoy ilay lehiben’ny tandapa tamin’i Daniela: “Matahotra ny mpanjaka tompoko aho. Izy mantsy no nandidy ny amin’izay hohaninareo sy hosotroinareo.+ Koa ahoana raha hitany fa toy ny tarehin’olona kivy ny tarehinareo, tsy sahala amin’ny an’ny ankizy hafa mitovy taona aminareo? Tianareo angaha ny hahameloka ahy eo anatrehan’ny mpanjaka, ka hahafaty ahy?” 11  Ary hoy i Daniela tamin’ny mpiambina notendren’ilay lehiben’ny tandapa+ hiambina an’i Daniela sy Hanania sy Misaela ary Azaria: 12  “Mba tsapao folo andro aloha izahay mpanomponao, ka legioma+ homena hohaninay ary rano homena hosotroinay. 13  Dia hojerenao ny tarehinay sy ny tarehin’ny ankizy mihinana ny hanim-py avy amin’ny mpanjaka, ka arakaraka izay hitanao no ataovy amin’ny mpanomponao.” 14  Ary nanaiky izany ihany izy tamin’ny farany, ka nitsapa azy folo andro. 15  Rehefa tapitra ny folo andro, dia hita fa tsara sy dongadonga noho ny tarehin’ny ankizy rehetra nihinana ny hanim-py avy tamin’ny mpanjaka ny tarehin’izy ireo.+ 16  Koa legioma+ no nomen’ilay mpiambina ho azy ireo, fa tsy ny hanim-py sy ny divay tokony ho azy. 17  Ary nomen’Andriamanitra fahalalana sy fahaizana ny soratra rehetra sy ny fahendrena+ rehetra ireo ankizy efatra ireo. Ary nahay namantatra ny hevitry ny fahitana sy nofy i Daniela, na inona na inona karazan’izany.+ 18  Rehefa tapitra ilay fe-potoana nolazain’i Nebokadnezara Mpanjaka, ka tokony hampidirina eo anatrehany izy ireo,+ dia nentin’ilay lehiben’ny tandapa ho eo anatrehany tokoa izy ireo. 19  Ary niresaka tamin’izy ireo ny mpanjaka, ka tsy nisy tahaka an’i Daniela sy Hanania sy Misaela ary Azaria+ tamin’izy rehetra. Koa nanompo teo anatrehan’ny mpanjaka izy ireo.+ 20  Ary nanontanian’ny mpanjaka azy ny zava-drehetra nilana fahendrena sy fahiratan-tsaina,+ ka hitany fa avo folo heny ny fahaizan’izy ireo raha oharina amin’ny an’ny mpisorona+ rehetra mampiasa herin’ny maizina sy ny mpila hevitra amin’ny maty,+ nanerana ny fanjakany. 21  Ary nijanona tany i Daniela hatramin’ny taona voalohany nanjakan’i Kyrosy Mpanjaka.+

Fanamarihana

Jereo F.F. 1G.