Daniela 10:1-21

10  Tamin’ny taona fahatelo nanjakan’i Kyrosy+ mpanjakan’i Persa, dia nisy teny nambara tamin’i Daniela, ilay antsoina hoe Beltesazara.+ Marina ilay teny nambara, izay nisy resaka ady.+ Azon’i Daniela tsara ny hevitr’izay nambara taminy sy ilay zavatra hitany.+  Nisaona+ nandritra ny telo herinandro katroka izaho Daniela, tamin’izany fotoana izany.  Tsy nihinana sakafo matsiro aho, ary tsy nihinan-kena na nisotro divay, sady tsy nihoso-menaka mihitsy mandra-pahatapitry ny telo herinandro.+  Ary tamin’ny andro fahefatra amby roapolon’ny volana voalohany, raha mbola teo amoron’ilay renirano lehibe atao hoe Hidekela+ aho,  dia nanopy ny masoko, ka nahita lehilahy iray nanao akanjo vita tamin’ny lamba rongony,+ ary nisy fehikibo+ natao tamin’ny volamena avy any Ofaza+ teo amin’ny andilany.  Toy ny krizolita+ ny vatany, ary toy ny tselatra+ ny tarehiny, ary toy ny fanilo mirehitra ny masony,+ ary toy ny varahina nokosehina hangirana+ no fahitana ny sandriny sy ny tongony, ary toy ny feon’ny vahoaka be ny feony.  Izaho Daniela ihany no nahita izany, fa ny olona niaraka tamiko teo tsy mba nahita.+ Nangovitra be anefa izy ireo, ka nandositra niafina.  Fa izaho kosa tavela irery teo, ka nahita izany fahitana mahagaga izany. Tsy nisy hery intsony tato anatiko, ary nivaloarika tanteraka aho, sady tsy nanan-kery intsony.+  Ary reko niteny izy. Dia renoky ny torimaso+ aho teo am-pihainoana ny teniny, ka nihohoka tamin’ny tany.+ 10  Ary nisy tanana nikasika ahy,+ ka nanarina ahy moramora mba handohalika sady hitehina amin’ny tanako roa. 11  Ary hoy izy tamiko: “Ry Daniela ô, tena tiana+ ianao. Ary aoka ho azonao ny hevitry ny teny holazaiko aminao,+ ka mijoroa eo amin’ilay nijoroanao fa nirahina ho atỳ aminao aho.” Ary rehefa nilaza izany tamiko izy, dia nijoro tokoa aho nefa nangovitra. 12  Hoy koa izy tamiko: “Aza matahotra,+ ry Daniela ô, fa nanomboka tamin’ilay andro voalohany niezahanao mafy hahazo ny hevitr’izany+ sy hanetry tena teo anatrehan’Andriamanitrao,+ dia nohenoina ny teninao, ka tonga aho noho izany teninao izany.+ 13  Nanohitra+ ahy iraika amby roapolo andro anefa ny andrianan’ny+ fanjakan’i Persa.+ Dia tonga nanampy ahy i Mikaela,+ iray amin’ireo andriana lehibe indrindra.+ Ary tafajanona teo amin’ireo mpanjakan’i Persa aho,+ nandritra izany fotoana izany. 14  Koa tonga aho mba hampahafantatra anao izay hanjo ny firenenao+ any am-parany,+ satria mbola andro maro any aoriana+ vao ho tanteraka ilay fahitana.”+ 15  Ary rehefa avy nilaza izany tamiko izy, dia naondriko ny lohako,+ ary tsy nahateny aho. 16  Ary nisy hoatran’ny zanak’olombelona nikasika ny molotro,+ dia nisoka-bava aho ka niteny.+ Dia hoy aho tamin’ilay nijoro teo anoloako: “Nifanintona tampoka aho, tompoko,+ noho ilay fahitana hitako, ka tsy nanana hery intsony.+ 17  Koa ahoana moa no ahafahan’ity mpanomponao miresaka aminao, tompoko?+ Ary mbola tsy manan-kery aho hatramin’izao, sady tsy misy aina intsony ato anatiko.”+ 18  Koa nikasika ahy indray ilay hoatran’ny olona, ka nankahery ahy.+ 19  Dia hoy izy: “Aza matahotra,+ ry ilay tena tiana+ ô! Ho aminao anie ny fiadanana!+ Mahereza, eny, mahereza!”+ Dia nanangona ny heriko rehetra aho, raha vao niteny izany tamiko izy, ka hoy aho tamin’ny farany: “Ento àry ny teninao,+ tompoko, fa efa nankahery ahy ianao.”+ 20  Dia hoy izy: “Mba fantatrao moa ny anton-diako atỳ aminao? Handeha hiverina hiady amin’ilay andrianan’i Persa+ aho izao. Ary rehefa handeha aho, dia ho avy koa ny andrianan’i Gresy.+ 21  Holazaiko aminao anefa izay voasoratra ao amin’ny bokin’ny fahamarinana.+ Ary tsy mba nisy nanampy ahy tamin’izany, afa-tsy i Mikaela,+ ilay andrianan’ny firenenareo.+

Fanamarihana