Daniela 12:1-13

12  “Mandritra izany fotoana izany, dia hitsangana i Mikaela,+ ilay andriana+ lehibe, izay mitsangana+ hiaro ny zanaky ny firenenao.+ Ary hisy fotoam-pahoriana mbola tsy nisy toa azy, hatrizay nisian’ny firenena ka hatramin’izany fotoana izany.+ Mandritra izany fotoana izany, dia ho afa-mandositra ny firenenao,+ dia izay rehetra hita voasoratra ao amin’ny boky.+  Ary maro amin’ireo matory ao amin’ny vovoky ny tany no hifoha,+ ka ny sasany hahazo fiainana tsy hanam-petra,+ fa ny sasany kosa hahazo latsa sy ho zava-maharikoriko mandritra ny fotoana tsy voafetra.+  “Hamirapiratra toy ny famirapiratry ny habakabaka ireo lalin-tsaina.+ Ary izay mitarika ny maro ho amin’ny fahamarinana+ dia hamirapiratra toy ny kintana, mandritra ny fotoana tsy voafetra, eny, mandrakizay.  “Ry Daniela ô, hazòny ho zava-miafina ny teny ary asio tombo-kase ny boky,+ mandra-pahatongan’ny fotoanan’ny farany.+ Maro no handinika lalina,* ka hitombo be ny tena fahalalana.”+  Ary izaho Daniela nahita fa indreo, nisy roa hafa nijoro+ teo amoron’ny renirano: Ny iray tetỳ amin’ny morony ilany, ary ny iray kosa terỳ amin’ny morony ilany.+  Ary ny iray tamin’izy roa ireo dia nanontany an’ilay lehilahy nanao akanjo vita tamin’ny lamba rongony,+ izay teo ambonin’ilay renirano, nanao hoe: “Mbola haharitra hafiriana vao ho tanteraka ireo zava-mahagaga?”+  Ary io lehilahy nanao akanjo vita tamin’ny lamba rongony io, izay teo ambonin’ilay renirano, dia nanangana ny tanany havia sy havanana ho amin’ny lanitra, ary reko izy nianiana+ tamin’ny anaran’Ilay velona mandrakizay,+ hoe: “Ho fe-potoana iray sy fe-potoana roa ary antsasaky ny fe-potoana.+ Raha vao vita ny fanamontsamontsanana ny herin’ny olona masina,+ dia hifarana izany rehetra izany.”  Ary reko izany, nefa tsy azoko ny heviny,+ ka hoy aho: “Hanao ahoana ny hiafaran’izany, tompoko?”+  Dia hoy izy: “Mandehana, ry Daniela ô, satria nohazonina ho zava-miafina ny teny, sady nasiana tombo-kase mandra-pahatongan’ny fotoanan’ny farany.+ 10  Maro no hanadio ny tenany+ ho fotsy,+ ka ho voadio.+ Fa ny ratsy fanahy kosa hanao ratsy.+ Ary tsy hisy ratsy fanahy hahazo ny hevitry ny teny,+ fa izay lalin-tsaina no hahazo.+ 11  “Ary manomboka amin’ny fotoana hanesorana+ an’ilay fanatitra atolotra tsy tapaka,+ sy hananganana an’ilay zava-maharikoriko+ mahatonga faharavana, dia hisy sivifolo sy roanjato sy arivo andro. 12  “Sambatra+ izay miandry amim-paharetana mandra-pahatapitry ny dimy amby telopolo sy telonjato sy arivo andro! 13  “Fa ianao kosa, mirosoa ho amin’ny farany.+ Dia hiala sasatra+ ianao, nefa hitsangana any am-parany mba hahazo ny anjaranao.”+

Fanamarihana

Heb.: “hivezivezy etsy sy eroa.”