Daniela 4:1-37
4 “Nebokadnezara Mpanjaka.
Ho an’ny vahoaka sy ny firenena ary ny olona samy hafa fiteny rehetra monina manerana ny tany,+
Hitombo anie ny fiadananareo!+
2 Hitako fa mety ny manambara+ aminareo ny famantarana sy ny zava-mahagaga nataon’ilay Andriamanitra Avo Indrindra tamiko.
3 Lehibe tokoa ny famantarana nataony, ary tena niavaka ny zava-mahagaga nataony!+ Ny fanjakany dia fanjakana mandrakizay,+ ary ny fitondrany haharitra hatramin’ny taranaka fara mandimby.+
4 “Niadana+ erỳ izaho Nebokadnezara, tato an-tranoko, ary nety tsara ny fiainako tato an-dapako.+
5 Nanonofy aho, ary nampahatahotra ahy ilay izy.+ Nisy sary tonga tao an-tsaiko tamin’izaho tao am-pandriana, ary nisy fahitana hitako, ka nampahatahotra ahy.+
6 Ary namoaka didy aho mba hoentina eo anatrehako ny olon-kendry rehetran’i Babylona, hampahafantatra ahy ny hevitr’ilay nofy.+
7 “Dia niditra ny mpisorona mampiasa herin’ny maizina sy ny mpila hevitra amin’ny maty sy ny Kaldeanina+ ary ny mpanandro.+ Ary nolazaiko tamin’izy ireo ilay nofy, nefa tsy nahalaza ny hevitr’ilay nofy tamiko ireo.+
8 Farany, dia tonga teo anatrehako i Daniela, ilay atao hoe Beltesazara+ araka ny anaran’ny andriamanitro.+ Ao aminy ny fanahin’ireo andriamanitra masina.+ Dia nolazaiko taminy ilay nofy, hoe:
9 “‘Ry Beltesazara ô, lehiben’ny mpisorona+ mampiasa herin’ny maizina ianao ka lazao amiko ny fahitana hitako tao amin’ny nofy sy ny heviny,+ satria fantatro tsara fa ao aminao ny fanahin’ireo andriamanitra masina,+ ary tsy olana ho anao mihitsy rehefa mety ho zava-miafina.+
10 “‘Izao no fahitana hitako tamin’izaho tao am-pandriana:+ Nisy hazo+ iray teo afovoan’ny tany, ary avo mijoalajoala ilay izy.+
11 Nitombo ilay hazo, ary natanjaka. Lasa avo be nanakatra ny lanitra ilay izy, ka tazana tany amin’ny faran’ny tany.+
12 Tsara tarehy ny raviny, be dia be ny voany, ary nisy sakafo ho an’ny rehetra teo aminy. Nitady alokaloka+ teo ambaniny ny bibidia,+ nipetraka teny amin’ny sampany ny voro-manidina,+ ary ny nofo rehetra nahazo sakafo avy taminy.
13 “‘Ary mbola nijery ihany aho, ka izao no fahitana hitako tamin’izaho tao am-pandriana: Nisy mpiambina,+ eny, anjely masina iray+ nidina avy tany an-danitra.
14 Dia niantsoantso mafy izy, hoe: “Kapaonareo io hazo io,+ tapaho ny sampany, hozongozony hihintsana ny raviny, ary aparitaho ny voany. Aoka ny bibidia handositra avy eo ambaniny, ary ny vorona hiala eny amin’ny sampany.+
15 Avelao eo amin’ny tany, eny amin’ny ahitra any an-tsaha, ihany anefa ny fotony ka asio fehiny vy sy varahina. Aoka ho lenan’ny andon’ny lanitra ny fotony, ka hiara-mitoetra amin’ny bibidia eny amin’ny ahitra amin’ny tany.+
16 Aoka hovana ny fony mba tsy ho fon’olombelona intsony, fa fom-biby no homena azy.+ Ary aoka ho fe-potoana+ fito no holanina aminy.
17 Didy nambaran’ny mpiambina+ izany, ary didim-pitsarana nambaran’ireo masina, mba hahalalan’ny velona fa ilay Avo Indrindra no Mpitondra eo amin’ny fanjakan’ny olombelona,+ ka izay tiany homena azy no omeny azy,+ ary ilay ambany indrindra amin’ny olombelona no apetrany eo amin’izany fanjakana izany.”+
18 “‘Izany no hitako tao amin’ny nofiko, dia izaho Nebokadnezara Mpanjaka. Koa lazao ny hevitr’ilay nofy, ry Beltesazara ô, satria tsy nahalaza izany tamiko ny olon-kendry rehetra teto amin’ny fanjakako.+ Fa ianao kosa no mahalaza izany, satria ao aminao ny fanahin’ireo andriamanitra masina.’+
19 “Tamin’izay dia gaga vetivety i Daniela, ilay atao hoe Beltesazara,+ ary nampahatahotra azy ny eritreriny.+
“Dia hoy ny mpanjaka: ‘Aoka tsy hampahatahotra anao ilay nofy sy ny heviny, ry Beltesazara ô!’+
“Ary hoy i Beltesazara: ‘Hihatra amin’izay mankahala anao anie ilay nofy, tompoko ô, ary ho tanteraka amin’ny fahavalonao anie ny heviny!+
20 “‘Ilay hazo hitanao, izay nihalehibe sy natanjaka ary lasa avo nanakatra ny lanitra, ka tazana nanerana ny tany, +
21 ary tsara tarehy ny raviny, be dia be ny voany, nisy sakafo ho an’ny rehetra teo aminy sady nonenan’ny bibidia teo ambaniny ary nipetrahan’ny voro-manidina teny amin’ny sampany,+
22 dia ianao izany, ry mpanjaka ô,+ satria nihalehibe sy natanjaka ianao, ary nitombo be ny voninahitrao ka nanakatra ny lanitra,+ ary ny fanjakanao nipaka hatrany amin’ny faran’ny tany.+
23 “‘Nahita mpiambina ianao, ry mpanjaka ô, eny, nahita anjely masina iray+ nidina avy tany an-danitra izay nilaza hoe: “Kapaonareo io hazo io ary simbao, nefa avelao eo amin’ny tany, eny amin’ny ahitra any an-tsaha, ihany anefa ny fotony ka asio fehiny vy sy varahina. Aoka ho lenan’ny andon’ny lanitra ny fotony ka hiara-mitoetra amin’ny bibidia, mandra-pahatapitry ny fe-potoana fito.”+
24 Noho izany, dia izao no heviny, ry mpanjaka ô, ary tsy maintsy hihatra amin’ny mpanjaka+ tompoko ny didin’ilay+ Avo Indrindra:+
25 Horoahina hiala amin’ny olona ianao, ka hiara-mitoetra amin’ny bibidia.+ Homena ahitra toy ny omby+ ianao mba hohaninao, ho lenan’ny andon’ny lanitra ianao, ary fe-potoana+ fito no holanina aminao, mandra-pahafantatrao fa ilay Avo Indrindra no Mpitondra eo amin’ny fanjakan’ny olombelona,+ ka izay tiany homena azy no omeny azy.+
26 “‘Ary satria nasainy navela ny fototr’ilay hazo,+ dia hiverina aminao indray ny fanjakanao rehefa fantatrao fa ny lanitra no mitondra.+
27 Mba ekeo re ny torohevitro, ry mpanjaka ô!+ Koa mialà amin’ny fahotanao ka manaova ny marina,+ ary ialao ny faharatsianao ka iantrao ny mahantra.+ Angamba haharitra kokoa ny fiadananao.’”+
28 Nihatra tamin’i Nebokadnezara Mpanjaka tokoa izany rehetra izany.+
29 Roa ambin’ny folo volana taorian’ny nahafantarany ny hevitr’ilay nofy, dia nandehandeha teo an-tampon’ny lapam-panjakan’i Babylona ny mpanjaka.
30 Ary hoy izy:+ “Tsy ity ve no Babylona Lehibe, izay naoriko tamin’ny tanjaky ny heriko+ mba ho lapam-panjakana sy ho voninahitry ny fahamboniako?”+
31 Raha mbola teo am-bavan’ny mpanjaka izany teny izany, dia nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: “Izao no lazaina aminao, ry Nebokadnezara Mpanjaka ô: ‘Niala taminao ny fanjakana,+
32 ary horoahina hiala amin’ny olombelona ianao, ka hiara-mitoetra amin’ny bibidia.+ Ary homena ahitra toy ny omby ianao mba hohaninao, ary fe-potoana fito no holanina aminao, mandra-pahafantatrao fa ilay Avo Indrindra no Mpitondra eo amin’ny fanjakan’ny olombelona, ka izay tiany homena azy no omeny azy.’”+
33 Ary tamin’izay indrindra+ no tanteraka tamin’i Nebokadnezara izany teny izany, ka noroahina niala tamin’ny olombelona izy. Dia nihinana ahitra toy ny omby izy, ary lenan’ny andon’ny lanitra ny tenany, mandra-panirin’ny volony ho lava toy ny an’ny voromahery, ary ny hohony ho toy ny an’ny vorona.+
34 “Rehefa tapitra izany fotoana+ izany, dia nanandratra ny masoko+ ho amin’ny lanitra izaho Nebokadnezara, ary nody tamiko indray ny saiko. Dia nisaotra an’ilay Avo Indrindra aho,+ sady nidera sy nankalaza an’Ilay velona mandritra ny fotoana tsy voafetra,+ satria ny fitondrany dia fitondrana mandritra ny fotoana tsy voafetra, ary ny fanjakany haharitra hatramin’ny taranaka fara mandimby.+
35 Tsinontsinona ny mponina rehetra amin’ny tany,+ raha ampitahaina aminy. Manao araka izay sitrapony izy, eo amin’ny tafiky ny lanitra sy ny mponin’ny tany.+ Tsy misy mahasakana ny tanany,+ na afaka miteny aminy hoe: ‘Fa inona ity ataonao?’+
36 “Ary tamin’izay indrindra no nody tamiko indray ny saiko. Dia niverina tamiko indray ny fahamboniako sy ny famirapiratako, mba hiverenan’ny voninahitry ny fanjakako.+ Ary nitady ahy fatratra ireo olom-panjakana ambony sy olo-manan-kaja, ka naverina teo amin’ny fanjakako indray aho, ary vao mainka nahazo voninahitra lehibe.+
37 “Koa ankehitriny, izaho Nebokadnezara dia midera sy manandratra ary mankalaza an’ilay Mpanjakan’ny lanitra,+ satria araka ny fahamarinana ny zava-drehetra ataony, ara-drariny ny lalany,+ ary vitany ny mampietry izay manambony tena.”+