Daniela 5:1-31

5  Ary i Belsazara+ Mpanjaka dia nanao fanasambe ho an’ny olo-manan-kajany arivo lahy, ka nisotro divay teo anatrehan’ireo.+  Rehefa mamomamon’ny divay+ i Belsazara, dia nasainy nalaina ireo kaopy volamena sy volafotsy,+ izay nalain’i Nebokadnezara rainy* avy tao amin’ny tempoly tany Jerosalema. Nasainy nalaina izany mba hisotroan’ny mpanjaka sy ny olo-manan-kajany, mbamin’ny vadikeliny sy ny vadiny hafa.+  Dia nentina ireo kaopy volamena nalaina tao amin’ny tempolin’ny tranon’Andriamanitra tany Jerosalema, ka nisotroan’ny mpanjaka sy ny olo-manan-kajany, mbamin’ny vadikeliny sy ny vadiny hafa.  Koa nisotro divay izy ireo, ary nidera an’ireo andriamanitra volamena sy volafotsy sy varahina sy vy sy hazo ary vato.+  Tamin’izay indrindra no nisy rantsantanan’olona niseho ka nanoratra teo anoloan’ny fitoeran-jiro, izay teo amin’ilay rindrina voalalotra tsara tao an-dapan’ny mpanjaka.+ Ary hitan’ny mpanjaka ilay tanana nanoratra.  Dia nivaloarika ny mpanjaka, ary nampahatahotra azy ny eritreriny,+ nivahavaha ny andilany,+ ary nifampikatrokatroka ny lohaliny.+  Koa niantsoantso mafy ny mpanjaka mba hoentina eo aminy ny mpila hevitra amin’ny maty sy ny Kaldeanina ary ny mpanandro.+ Dia hoy izy tamin’ireo olon-kendrin’i Babylona ireo: “Izay mahavaky io soratra io ka milaza amiko ny heviny, dia hampanaovina akanjo volomparasy,+ hasiana rojo volamena ny vozony, ary ho mpitondra fahatelo eto amin’ny fanjakana izy.”+  Dia niditra ny olon-kendry rehetran’ny mpanjaka, nefa tsy nisy nahay namaky an’ilay soratra na nahalaza ny heviny+ tamin’ny mpanjaka.  Koa raiki-tahotra mafy i Belsazara Mpanjaka ka vao mainka nivaloarika. Ary very hevitra+ koa ny olo-manan-kajany. 10  Ary nandre ny tenin’ny mpanjaka sy ny olo-manan-kaja ny renin’ny mpanjaka, ka niditra tao amin’ny efitrano nanaovana ilay fanasana. Dia hoy izy: “Ho ela velona anie ianao, ry mpanjaka ô!+ Aoka tsy hampahatahotra anao ny eritreritrao, ary aza mivaloarika toy izao. 11  Misy lehilahy mahay eto amin’ny fanjakanao, ary ao aminy ny fanahin’ireo andriamanitra masina.+ Tamin’ny andron’i Nebokadnezara Mpanjaka rainao, dia hita fa nanam-pahalalana sy lalin-tsaina izy, ary nanana fahendrena toy ny an’ireo andriamanitra, ka notendren-drainao ho lehiben’ny+ mpisorona mampiasa herin’ny maizina sy ny mpila hevitra amin’ny maty sy ny Kaldeanina ary ny mpanandro. Ny rainao mihitsy no nanendry azy, ry mpanjaka ô! 12  Fa marani-tsaina tsy misy hoatr’izany izy, sady manam-pahalalana sy lalin-tsaina, ka nahay nilaza ny hevitry ny nofy+ sy nahafantatra ny hevitry ny teny saro-pantarina ary nahavaha olana saro-bahana.+ I Daniela izany olona izany, izay nantsoin’ny mpanjaka hoe Beltesazara.+ Koa aoka hantsoina izy mba hilaza ny hevitr’io soratra io.” 13  Dia nentina teo anatrehan’ny mpanjaka i Daniela. Ary hoy ny mpanjaka taminy: “Ianao ve izany Daniela anisan’ny natao sesitany avy tany Joda+ izany, izay nentin’ny mpanjaka raiko niala tany Joda?+ 14  Reko koa fa ao aminao ny fanahin’ireo andriamanitra,+ ary hita fa manam-pahalalana sy lalin-tsaina ary hendry+ tsy misy hoatr’izany, hono, ianao. 15  Ary nentina teto anatrehako ny olon-kendry sy ny mpila hevitra amin’ny maty, mba hamaky ilay soratra sy hampahafantatra ahy ny heviny, nefa tsy hain’izy ireo ny nilaza ny hevitr’ilay soratra.+ 16  Ary efa reko ny momba anao, fa mahay milaza ny hevitry ny zava-miafina+ sy mahavaha olana saro-bahana, hono, ianao. Koa raha hainao ny mamaky an’io soratra io ka hampahafantarinao ahy ny heviny, dia hampanaovina akanjo volomparasy ianao, hasiana rojo volamena ny vozonao, ary ho mpitondra fahatelo eto amin’ny fanjakana ianao.”+ 17  Dia hoy i Daniela teo anatrehan’ny mpanjaka: “Aoka ihany ho anao ny fanomezanao, ary omeo olon-kafa ny valisoa tianao homena.+ Hovakiko amin’ny mpanjaka ihany anefa io soratra io, ary hampahafantariko azy ny heviny.+ 18  Ry mpanjaka ô, nomen’ilay Andriamanitra Avo Indrindra+ an’i Nebokadnezara rainao+ ny fanjakana sy ny fahalehibeazana sy ny voninahitra ary ny fahamboniana.+ 19  Ary nangovitra teo anatrehany sy natahotra azy ny vahoaka sy ny firenena ary ny olona samy hafa fiteny rehetra,+ noho ny fahalehibeazana nomen’Andriamanitra azy. Koa izay tiany hovonoina dia novonoiny, izay tiany haripaka dia naripany, izay tiany hasandratra dia nasandrany, ary izay tiany haetry dia naetriny.+ 20  Nirehareha anefa ny fony ary be di-doha izy, ka sahisahy ratsy nanao izay tsy tokony hatao.+ Koa naongana tsy ho eo amin’ny seza fiandrianan’ny fanjakany izy, ary nesorina taminy ny voninahiny.+ 21  Noroahina niala tamin’ny zanak’olombelona izy, ary novana ho toy ny fom-biby ny fony, ary niara-nitoetra tamin’ny ampondradia izy.+ Nomena ahitra toy ny omby izy mba hohaniny, ary lenan’ny andon’ny lanitra ny tenany,+ mandra-pahafantany fa ilay Andriamanitra Avo Indrindra no Mpitondra eo amin’ny fanjakan’ny olombelona, ka izay tiany hapetraka eo no ataony eo.+ 22  “Ary ianao, ry Belsazara+ zanany,* tsy mba nanetry tena ianao tao am-ponao,+ na fantatrao aza izany rehetra izany.+ 23  Fa nanandra-tena hanohitra ny Tompon’ny lanitra kosa ianao,+ ary nentina teto anatrehanao ireo kaopy tao an-tranony,+ ka nisotro divay tamin’ireny ianao sy ny olo-manan-kajanao, mbamin’ny vadikelinao sy ny vadinao hafa. Ary nidera andriamanitra volafotsy sy volamena sy varahina sy vy sy hazo ary vato+ ianao. Tsy mahita na mandre na mahalala na inona na inona+ anefa ireny. Fa ilay Andriamanitra iankinan’ny ainao+ sy tompon’ny lalanao rehetra+ kosa tsy mba nomenao voninahitra.+ 24  Izany no nahatonga azy handefa an’io tanana io, ka nampisy an’io soratra io.+ 25  Ary izao ilay soratra: MENE, MENE, TEKELA, ary PARSINA. 26  “Izao no hevitr’ilay teny: MENE: Nisain’Andriamanitra ny andro naharetan’ny fanjakanao ka faranany.+ 27  “TEKELA: Nolanjaina tamin’ny mizana ianao ka hita fa maivan-danja.+ 28  “PERESA: Nozaraina ny fanjakanao, ka homena ho an’ny Medianina sy ny Persianina.”+ 29  Dia namoaka didy i Belsazara ka nampanaovina akanjo volomparasy i Daniela, ary nasiana rojo volamena ny vozony. Dia nambara fa izy no ho mpitondra fahatelo eo amin’ny fanjakana.+ 30  Tamin’iny alina iny ihany dia novonoina i Belsazara mpanjakan’ny Kaldeanina,+ 31  ka i Dariosy+ Medianina no nandray ny fanjakana, tamin’izy roa amby enimpolo taona teo ho eo.

Fanamarihana

Na: “raibeny.”
Na: “zafikeliny.”