Daniela 6:1-28

6  Ary hitan’i Dariosy fa tsara ny hisian’ny lehibem-paritany, ka nanendry olona roapolo amby zato ho amin’izany toerana izany izy, ary ireo no hitantana ilay fanjakana manontolo.+  Nisy olona telo koa notendreny ho olom-panjakana ambony, anisan’izany i Daniela,+ mba hiandraikitra an’ireo lehibem-paritany.+ Amin’izay dia handefa tatitra tsy tapaka any amin’ireo olom-panjakana ireo ny lehibem-paritany, ka tsy hisy fatiantoka ho an’ny mpanjaka.+  Rehefa nandeha ny fotoana, dia hita fa niavaka+ foana i Daniela raha oharina amin’ireo olom-panjakana ambony sy lehibem-paritany, satria narani-tsaina tsy nisy hoatr’izany.+ Koa nikasa ny hanandratra azy hiadidy ny fanjakana manontolo ny mpanjaka.  Ary tsy nitsahatra nitady antony hiampangana an’i Daniela momba ny raharaham-panjakana ny olom-panjakana ambony sy ny lehibem-paritany,+ nefa tsy nahita mihitsy, sady tsy afaka niampanga azy ho nanao ny tsy marina, satria mendri-pitokisana izy, ary tsy mba nanao tsirambina mihitsy fa nanao ny marina foana.+  Koa nifampiresaka ireo lehilahy ireo hoe: “Tsy hahita antony hiampangana an’io Daniela io mihitsy isika, raha tsy hoe mitady antony mifandray amin’ny lalàn’Andriamaniny angaha.”+  Dia nirohotra nankao amin’ny mpanjaka ny olom-panjakana ambony sy ny lehibem-paritany.+ Ary hoy izy ireo taminy: “Ho ela velona anie ianao, ry Dariosy Mpanjaka ô!+  Nikaon-doha daholo ny olom-panjakana ambony eto amin’ny fanjakana sy ny mpiadidy sy ny lehibem-paritany sy ny lehiben’ny tandapa ary ny governora, mba hamoahana lalàm-panjakana+ ka hampanan-kery an’izao fandrarana izao: Izay manao fangatahana ato anatin’ny telopolo andro, na amin’andriamanitra izany na amin’olona, afa-tsy aminao ihany, ry mpanjaka ô, dia hatsipy ao an-davaky ny liona.+  Koa aoka hamoaka izany lalàna izany ianao, ry mpanjaka ô, ka ataovy sonia izany+ mba tsy ho azo ovana, araka ny lalàn’ny Medianina sy ny Persianina,+ izay tsy azo foanana.”+  Koa nosoniavin’i Dariosy Mpanjaka ilay lalàna sy fandrarana.+ 10  Raha vao ren’i Daniela kosa anefa hoe efa vita sonia ilay lalàna, dia nankao an-tranony izy, ka nandohalika sy nivavaka+ ary nidera an’Andriamaniny+ intelo isan’andro,+ araka ny efa fanaony talohan’izay.+ Ary efa nisokatra nanandrify an’i Jerosalema+ ny varavarankelin’ny efitranony tany an-tampon-trano. 11  Dia nirohotra niditra ireo lehilahy ireo, ka nahita an’i Daniela nanao fangatahana sy nitalaho famindram-po teo anatrehan’Andriamaniny.+ 12  Ary nohatonin’izy ireo ny mpanjaka, ka niresahany momba ilay fandrarana navoakan’ny mpanjaka. Hoy izy ireo: “Tsy efa nisy fandrarana nosoniavinao moa, ry mpanjaka? Tsy efa nandidy ve ianao hoe izay manao fangatahana ato anatin’ny telopolo andro, na amin’andriamanitra izany na amin’olona, afa-tsy aminao ihany, dia hatsipy ao an-davaky ny liona?”+ Dia hoy ny mpanjaka: “Didy efa manan-kery izany, araka ny lalàn’ny Medianina sy ny Persianina, izay tsy azo foanana.”+ 13  Koa avy hatrany dia hoy izy ireo tamin’ny mpanjaka: “Tsy niraharaha ny didinao sy ny fandrarana nosoniavinao i Daniela,+ ilay anisan’ny natao sesitany avy tany Joda,+ ry mpanjaka ô, fa intelo isan’andro izy no manao fangatahana amin’Andriamaniny.”+ 14  Vao ren’ny mpanjaka izany, dia tena tsy faly izy.+ Ary nitady hevitra hamonjena an’i Daniela izy,+ ka niezaka mafy hanafaka azy mandra-pilentiky ny masoandro. 15  Dia nirohotra nankao amin’ny mpanjaka ireo lehilahy ireo tamin’ny farany, ka nanao hoe: “Tsarovy, ry mpanjaka ô, fa araka ny lalàn’ny Medianina sy ny Persianina dia tsy azo ovana+ izay fandrarana+ na lalàna efa navoakan’ny mpanjaka.” 16  Koa nanome baiko ny mpanjaka, dia nentina i Daniela ka natsipy tao an-davaky ny liona.+ Ary hoy ny mpanjaka tamin’i Daniela: “Ilay Andriamanitra tompoinao mandrakariva no hamonjy anao.”+ 17  Ary nisy vato nalaina ka nanampenana ny vava lavaka. Ary nasian’ny mpanjaka tombo-kase tamin’ny peratra fanombohan-kaseny sy ny peratra fanombohan-kasen’ny olo-manan-kajany ilay vato, mba tsy ho azo ovana ny lalàna nampiharina tamin’i Daniela.+ 18  Dia nody tao an-dapany ny mpanjaka, ary nifady hanina+ izy ny alin’iny, sady tsy nisy zavamaneno nentina teo anatrehany, ary tsy nahita tory izy.+ 19  Ary vao maraina be, tamin’ilay nangiran-dratsy iny, dia efa niarina sahady ny mpanjaka ka niolomay nankany amin’ilay lavaky ny liona. 20  Ary niantsoantso an’i Daniela tamin’ny feo malahelo izy, rehefa teo akaikin’ilay lavaka, ka niteny hoe: “Ry Daniela mpanompon’ilay Andriamanitra velona ô! Nahavonjy anao tamin’ny liona+ ve ilay Andriamanitra tompoinao mandrakariva?”+ 21  Dia namaly avy hatrany i Daniela hoe: “Ho ela velona anie ianao, ry mpanjaka ô! 22  Naniraka ny anjeliny+ ny Andriamanitro+ ka nanakombona ny vavan’ny liona+ tsy hamiravira ahy, satria hitany fa tsy nanan-tsiny aho.+ Ary tsy nanao ratsy teo anatrehanao koa aho, ry mpanjaka ô!”+ 23  Dia faly be ny mpanjaka,+ ka nandidy ny hampiakarana an’i Daniela avy tao an-davaka. Koa nakarina avy tao i Daniela, ary tsy nisy ratra mihitsy taminy, satria natoky an’Andriamaniny izy.+ 24  Ary nanome baiko ny mpanjaka, dia nalaina ireo lehilahy niampanga an’i Daniela+ ka natsipy tao an-davaky ny liona,+ niaraka tamin’ny vady aman-janany.+ Tsy nipaka tamin’ny fanambanin’ilay lavaka akory izy ireo dia efa norambasan’ny liona, ka nopotipotehiny daholo ny taolan’izy ireo.+ 25  Ary i Dariosy Mpanjaka dia nanoratra ho an’ny vahoaka sy ny firenena ary ny olona samy hafa fiteny rehetra, izay nonina nanerana ny tany,+ nanao hoe: “Hitombo be anie ny fiadananareo!+ 26  Mamoaka didy+ aho fa tokony hangovitra eo anatrehan’ilay Andriamanitr’i Daniela sy hatahotra azy+ ny olona any amin’ny faritra rehetra manerana ny fanjakako. Fa izy no ilay Andriamanitra velona sy Ilay maharitra mandrakizay.+ Ny fanjakany+ dia fanjakana tsy ho rava,+ ary ny fitondrany haharitra mandrakizay.+ 27  Mamonjy sy manafaka+ izy, ary manao famantarana sy zava-mahagaga eny amin’ny lanitra+ sy etỳ an-tany,+ satria namonjy an’i Daniela tamin’ny tanan’ny liona.” 28  Ary nahita fahombiazana i Daniela tao amin’ny fanjakan’i Dariosy+ sy ny fanjakan’i Kyrosy Persianina.+

Fanamarihana